Toko faha 5

1 fatasika fa raha rava gny fonena eto an-tany ze ipetrahasika, dra mana tragno laha tamin'Agnahary isika. Zay dra tragno sy nataon'gny tagnan'olombelo, fa tragno mandrakizay, agnyan-dagnisy . 2 Fa eto amin'itohoky tragno lay isika gny miseto, magniry fatrasy gny hisikina gny fonenasika agny an-dagnisy . 3 Magniry fatrasy anizay isika satria amin'gny fanovasika anizay dra sy ho hita mita asika. 4 Fa raha bo eto amin'itiho tragno -lay itiho tokoa isika, dra miay, mavesas'enta. Sy te hitana asika. Fa dra,te hagnisy isika, ba ho atelin'gny fiaigna ze mety maty. 5 Gny raiky ze nagnoma asika ho amin'izay raha zay andrindra dra Zagnahary , ze nagnome asika gny Fagnahy ho fanambara ze ho avy. 6 Noho zay dra matokia hatrany. Tongava say fa gny fa ao antragno amin'gny vata isika, dra lavisy gny Topo. 7 Fa mandeha amin'gny finoa isika, fa sy amin'gny fahita. 8 Noho zay dra mana fahatokia isika. Aleosika lavisy gny vata fa ao an-tragno miaraky amin'gny Topo. 9 Dra ataosika tazo zay, na agny an-tragno isika na lavisy anizay, ba hahafanarisy Anazy. 10 Fa isika aby dra sy maisy hiboaky eo alohan'gny seza fisaran'i Kristy, ba mety ahazoan'gny kirairaiky ze mifagnaraky amin'ireo raha-vita tao amin'gny vatana, dre ho amin'gny soa na ho amin'gny rasy. 11 Noho zay, gny fahafatara gny tahosy gny Topo, gny handresesika lahasy gny olo. Gny maha isika asika dra hitan'Agnahary mazava. Atenaiko fa mazava amin'gny feon'gny fiereseretanareo avo koa zay. 12 Sy miezaky gny handresy lahasy andrareo draiky zahay ba hagnety anay tahaky gny mahisy fo. Fa dra ,magnome atony ho andrareo hirehareha nohon'gny aminay izahay, ba hanagnandrareo vali-zaka ho an'ereo ze mirehareha gny amin'gny endriky ambalikiny fa sy gny amin'izay ao am-po. 13 Fa raha levo lasa say izahay , dra ho agn'Agnahary zay; dra raha avy tonga say soa izahay, dra ho andrareo zay. 14 Fa gny fitivan'i Kristy gny manery anay, satria azinay atoky gny ho:nisy olo raiky maty ho agny iaby, dra noho zay dra maty gny olo aby. 15 Maty Izy ho agny olo iaby, ba sy ho velo ho agny vatan'ereo sasy reo ze velo fa ho Anazy ze maty dra nasanga nohon'gny fitiava anazy reo. 16 Noho zay atony zay, manomboky zao dra sy misara na iza na iza araky gny fomban'gny olombelo isika , dre dra fa nagnety an'i Kristy tahaky anizay avo isika taloha. fa amizao isika dra sy misara dre isa dre isa manahaky anizay sasy. 17 Noho zay, raha misy olo ao amin'i Kristy , dra olom-baovao izy. Fa lasa gny raha taloha. Indreo, fa avy vaovao ereo. 18 Reo raha aby reo dra laha tamin'Agnahary. Nampihavaniny tamin'gny Vatany tamin'gny alalan'i Kristy isika, dra nomeny asika gny asa fanompoan'gny fampihavana. 19 Midika ho, ao amin'i Kristy Zagnahary gny mampihava zao totolo zao amin'gny Vatany, sy magnisa gny fahadisoan'ereo . Nahakiny taminay gny hafatry gny fampihavana. 20 Dra voatendry ho mpisolon-tegnan'i Kristy izahay , manahaky gny ho amin'gny alalanay gny hanovan'Agnahary gny fitokavany. Miangavy andrareo zahay , noho i Kristy:''Mihavana amin'Agnahary!'' 21 Nataony avy soro ho agny fahotasika kristy. Izy gny raiky ze sy nanota mihisy. Nataony ze ba ho avy fahamarin'Agnahary ao aminazy isika.