Toko faha 4

1 Noho zay, satria zahay mana anizay asa fanopoa zay ,dra vao nahazo famindram-po, dra kivy zahay. 2 Fa dra, nindagnany reo fomba mahamegnasy vo mivony. Sy miay amin'gny fitaky zahay,dra mampiasa mary gny zakan'Agnahary. Amin'gny fanehoa gny mary,zahay dra mandidy gny vatanay gny amin'gny feon'gny fieriseretan'olo ba ho andesy eo amason'Agnahary. 3 Fa raha voasaro gny Filazasaranay, dra ho voasoro amin'ireo ze maty io avo. 4 Amin'gny toe-draha misanga amin'ereo, gny zagnaharin'izao totolo zao nahapoaky reo say sy minon'ereo. Vokasy zay, sy afaky mahita gny fahazavan'gny filazasaran'gny voninahisin'i Kristy ereo,ze endrik'Agnahary. 5 Fa zahay sy manambara gny zakanay fa i Kristy Jesosy manahaky gny Topo, dra gny vatanay manahaky gny panoponondrareo nohon'gny amin'i Jesosy. 6 Fa Zagnahary dra gny raiky ze nizaka ho:''Gny fahazava hamirasy ao amin'gny mezy.''Izy namirasy tao am-ponay,ba hagnome gny fahazavan'gny fahalalana gny voninahisi'i Aagnahary eo amin'gny fanatrehan'i Jesosy Kristy. 7 Fa zahay mana anizay hanagna zay ao agnaty boatela tanimanga, ba hazava fa gny hery lahibe mihoasy lavisy dra agn'Agnahary fa syanay. 8 Ampahoria amin'gny fomba iaby zahay, fa sy resy. very hevisy zahay fa sy feno famoizam-po. Ezehy zahay fa sy nanga. Vono zahay fa sy rava. 10 Mandesa eo amin'gny vatanay fgny fahafatesan'i Jesosy hatrany zahay, amin'izay gny fiaignan'i Jesosy avo koa dra niboaky eo amin'gny vatanay. 11 Zahay ze velo dra manday hatragny ao amin'gny vatanay gny fahafatesan'i Jesosy, amin'izay gny fiaignan'i Jesosy dra hiboaky eo amy vatanay olombelo. 12 Noho zay gny fahafatesa dra miasa ao amisika, fa gny fiaigna miasa ao amindrareo. 13 fa zahay mana fagnahin'gny finoa mitovy araky ze voasorasy ho: 14 ''Nino zaho, dra nizaka zaho.''Mino avo koa zahay, dra nizaka avo koa zahay. Fatasinay fa gny raiky ze nananga gny Topo Jesosy dra hananga gny asika avo koa miaraky amin'i Jesosy. Fatanay fa hinday anay miaraky amindrareo ao amin'gny fanatrehany Izy. 15 Gny raha-iaby dra ho andrareo ba, araky gny fahasoava voaparitaky tamign'olo maro, gny hitomboan'gny fagnomezam-pisaora ao amin'gny voninahisin'Agnahary. 16 Noho zay dra sy ho kivy zahay. Na dra malemy ambaliky avo zahay, dra havaoziny isan'andro isan'andro gny ao agnatinay. 17 Fa amin'izao andro mandalo zao, gny fahoria meva dra magnoma anay ho amin'gny lazan'gny voninahisy maharisy mandrakizay ze mihoasy gny fandaza iaby. 18 fa isika sy magnety raha ze hita , fa reo raha sy hita. Gny raha ze mety hitasika dra sy mmaharisy , fa reo raha ze sy hita dra maharisy mandrakizay.