Toko 3

1 Hanomboky hidera-vata draiky se zahay? Zahay dra sy mila reo taratasy fanamaria amindrareo na avy amindrareo , manahaky gny olo sasany, sa sy zay ? 2 Gny vatandrareo gny taratasy fanamaharianay , ze voasorasy ao am-posika, ze fatasy dra vakin'olo aby . 3 Andrareo dra maneho fa taratasy fagnambara laha tamin'i Kristy ,ze natolosika . Zay dra sy voasorasy tamin'gny ranomety fa tamin'gny Fagnahin'Agnahary velo. Dra sy voasorosy teo amin'gny takela-bato, fa teo amin'gny takelaky gny fon'olombelo. 4 Dra zay gny toky anagnasika eo anatrehan'Agnahary amin'gny alalan'i Kristy. 5 Isika dra sy mahefa amin'gny vatasika ba handray na ino na ino ze laha tamisika. Fa dra , gny fahefasika dra laha tamin'Agnahary. 6 Zagnahary gny nanao asika ba ho mpanompon'gny faneke vaovao. Zay dra faneke sy avy amin'gny sorasy fa agny Fanahy. Fa gny sorosy mamono, dra gny Fanahy magnome ay. 7 Dra gny asa ze niteraky fahafatesa dra voasorasy teo agn'abonin'gny vato dra avy tamim-boninahisy lahibe dra gny vahoakin'Israely dra sy afaky niteno gny tavan'i Mosesy. Zay dra noho gny voninahisy gny tavany, gny voninahisy ze nihalevo. 8 Ho vininahisy lahibe manahaky gny nanao akory gny asa ze ataon'gny Fanahy? Fa raha nana voninahisy gny asan'gny fagnameloha , dra hanao akory gny fitombon'gny voninahiny gny asan'gny fahamarina! 10 satria ,ze nome voninahisy draiky mandeha dra sy hanam-boninahisy sasy amin'izay fomba zay, noho gny voninahisy ze mampitombo anizay. 11 Fa raha ze nagnenga avo gny nana voninahisy , dra sy hana voninahisy mihoasy noho izay se ze maharisy! 12 Satria mana toky tahaky anizay isika, dra mahavany vatany. 13 Isika dra sy tahaky an'i Mosesy, ze nanaro gny tarehiny tamin'gny voaly, ba sy hahafahan'gny vahoakin'Israely magnety anazy mivata amin'gny fiafaran'gny voninahisy ze nandalovany iaby. 14 Fa gny sain'ereo dra doto. Dre dra mandrak'amizao zay volay zay dra bo mizano eo amin'gny famakia gny faneke taloha. Sy misokaky zay, satria ao amin'i Kristy avi zay gny ala. 15 Nefa dre dra amizao avo, dre ombia dre ombia gny vakia gny lalan'i Mosesy,dra manaro gny fpn'ereo gny voaly. 16 Nefa raha mitoliky amin'gny Topo gny olo, dra ala gny voaly. 17 Dra gny Topo dra Fagnahy. Ze misy gny Fagnahin'i Topo,dra misy fahafahana. 18 Dra isika aby, sy misarom-boaly, dra mahita gny voninahiny gny Topo. Isika dra fa voaova ho ao amin'gny voninahisy ho amin'gny voninahisy, ze laha tamin'gny Topo, ze sy iza fa gny Fanahy.