Toko 2

1 Fa nanapa-kevisy gny sy agnato andrareo draiky gny vatako amin'gny fotoam-pangirifiria. 2 Raha niteraky alahelo andrareo zaho, iza gny afaky mampifaly anahy akoasin'izay raiky zay nitrasiriko avo? 3 Nanorasy zaho manahaky gny nataoko ba sy ho voarasin'ereo ze tokony nampifaly anahy gny fa avy tagny amindrareo. Izaho dra mana fahatokisa gny amindrareo aby fa gny fifaliako dra fifalia mitovy amin'gny andrareo iaby. 4 Fa nanorasy ho andrareo zaho laha tamin'gny fahoria lahibe, miaraky amin'gny fangirifirian'gny fo, dra miaraky amin'gny ranomasom-be. Sy te ampalahelo andrareo zaho. Fa dra, te hampahafatasy andrareo gny alalin'gny fitiava ze anagnako ho andrareo. 5 Raha nisy olo niteraky alahelo , sy niteraky anizay taminahy avo izy , fa amin'gny endriky hafa-sy hagnitara loasy anizay-amindrareo aby. 6 Apy gny fagnasazia nataon'gny maro agn'isa io olo io. 7 Dra amizao raha tokony ho fagnasazia, andrareo dra tokony hamela heloky vo hampiono anazy. Atovy zay ba sy handifotrs anazy amin'gny alahelo be loasy. 8 Noho zay mankahery andrareo zaho ba hagnamafy ampihibe-maso gny fitiandrareo anazy. 9 Zay gny atony nanoratako, amin'izay ba mety hisapako andrareo dra ahafatarako na makato amin'gny raha-iaby andrareo. 10 Raha mamela olo andrareo, mamela anizay olo zay koa zaho. Ze navelako -raha namela gny raha-iaby zaho-zay famela zay dra fitiava andrareo amin'gny fanatrehan'i Kristy. 11 Zay dra ba sy hamitahan'gny Devoly anay. Satria zahay dra mahafatasy reo drafiny. 12 Nisokasy ho anahy gny vatrangara tamin'gny Topo gny fa avy tao amin'gny tana-dehibe an'i Troasy nitory gny filazasara an'i Kristy tagny. 13 DRe zay aza, sy nana fiadana-say zaho, satria sy nahita gny rahalahiko Titosy tagny . Araky zay, niriosy anereo zaho dra nandeha nihery tagny Makedonia. 14 Fa fisaora seky ho an'Agnahary, ze ao amin'i Kristy mitariky anay mandrakariva ao amin'gny fandresena. Amin'gny alalasika dra haeliny na eza na eza gny hagnisy mamin'gny fahafatara anazy.. 15 Fa zahay dra hagnisy mamin'i Kristy an'Agnahary, na teo amin'ereo ze nivoze vo teo amin'ereo ze ho maty. 16 Ho agny olo ze ho maty, dra hagnisy laha tamin'gny fahafatesa ho amin'gny fahafatesa. Ho agn'ilany ze nivoze, dra hagnisy laha tamin'gny fiaigna ao amin'gny fiaigna. Iza gny mendriky amin'ereo raha reo? 17 Fa zahay dra sy mitovy amin'ereo olo maro ze mivarosy gny zakan'Agnahary ba ahazoa tombony. Fa dra,amin'gny fahaliovam-po, gny hiresahanay amin'i Kristy, satria nalefa laha tamin'Agnahary zahay, tao amin'gny fahitan'Agnahary.