Toko faha 6

1 Miara-miasa aminazy, zahay avo koa dra mampirisiky andrareo sy handray gny fahasoavan'Agnahary fahatany. 2 Fa nizaka izy ho:''Tamin'gny fotoa mety dra niteno andrareo zaho, dra tamy andron'gny famozena dra nagnampy andrareo Zaho. Hatio, amizao gny fotoa mety. Hatio,amizao gny andro gny famozea. 3 Sy mametraky vato fanafitohina eo alohan'iza na iza zahay, fa zahay sy magniry gny haharasy laza gny asa fanompoanay. 4 Fa dra, izahay dra magnaporofo gny vatanay amin'gny asanay aby, fa panopon'Agnahary izahay. Izahay gny panopony amin'gny fiaretam-be, fahoria, fahatera, fahasarota, 5 reo kapoky , fanagadra, fikomia, amin'gny asa fatrasy, amin'ereo hariva sy misy torimaso, amin'gny hareseha, 6 amin'gny fahaliova, fahalala, fahareta, fahasoram-po, amin'gny Fanahy Masy, amin'gny tena fitiava. 7 Zahay gny panopony ao amin'gny zakan'gny fahamarina ,aoamin'gny herin'Agnahary. Zahay dra mana gny fiarovan'gny fahamarigna ho agny tagna havana vo gny havia. 8 Zahay dra miasa amin'gny voninahisy vo amin'gny fahafam-baraka, amin'gny fagnarasia vo gny fidera. Zahay dra voapanga ho pamitaky kanefa zahay dra mary . 9 Zahay dra miasa manahaky anio sy misy mahafatasy io kanefa zahay dra bo fata-daza. Miasa manahaky gny ho maty zahay-hatio-bo miay . Miasa izahay manahaky gny sazia nohon'gny asanay nefa sy manahaky gny ho voaha fagnahia ho maty. 10 Zahay dra miasa manahaky gny malahelo, kanefa dra mifaly lalandava. Zahay dra miasa manahaky gny mizaly, kanefa dra mampana-karena olo maro zahay. Miasa manahaky gny sy mana dre ino zahay kanefa manahaky gny mana gny raha iaby. 11 Zahay dra nizaka gny mary aby tamindrareo, ry Koritiana, dra gny fonay dra mivoha midagnadagna. 12 Gny fondrareo dra sy nifehezinay, fa andrareo gny namehy reo fiheseham-pondrareo manoka. 13 Dra ho valiny ara-drariny miresaky amindrareo manahaky gny amin'gny mota zaho-sokafomidagnadagna gny fondrareo. 14 Ka mifamehy amin'ereo sy mpini. Fa ino gny iraisan'gny fahamarigna vo gny fandikan-dalana? Fa ino gny iarahan'gny mazava amy mezy? 15 Ino gny mety ho fifagnaraha eo amin'i Kristy vo i Beliala? Dre ino gny tokony azara anagnan'gny mpino raiky vo amin'gny sy mpino raiky? 16 Dra ino gny fifagnaraha misy eo amin'gny fiangonan'Agnahary vo gny sampy? Fa isika dra fiangonan'Agnahary velo, araky gny fa nizakan'Agnahary ho: ''Hitoesy eo amin'ereo zaho dra handeha eo amin'ereo . Zaho dra ho Zagnaharin'ereo dra Izy reo dra ho oloko.'' 17 Noho zay,''Miboaha miala eo amin'ereo, dra mitokana, ''hoy gny Topo . ''Ka mikasiky raha maloto, dra Izaho handramby andrareo. 18 Izaho dra ho raiky amindrareo, dra andrareo zanadahiko vo ho zanakapelako'', hoy gny Topo sitoha.