Toko faha 6

1 Dra gny fiaran'i Yaveh dra tao aminigny tananireo Filistina nandrisy gny fito vola. 2 Boak'eo gny vahoaky Filistina niaso an'ireo pisoro vo reo pimasy; hoy izy tamin'ereo ho: "Ino gny tokony hataonay aminigny fiaran'i Yaveh?" Zakao aminay gny fomba hagnaregnanay anizay agny aminigny firenen'izay manoka." 3 Hoy reo pisoro vo reo pimasy ho: "Raha aherindrareo gny fiaranigny Zagnaharin'Israely, dra ka ahery sy mindray aminigny fagnomeza anizay; andefaso fagnatisy nohonigny heloky aminigny fomba aby Iz. Dra ho sitrany handrareo, dra ho fatandrareo gny antony sy nangalany gny tagnany tamindrareo mandrak'amizao." 4 Dra hoy ereo ho: "Tokony ho ino gny fagnatisy nohonigny heloky ze aherinay aminazy?" Namaly izy reo ho: "Fivotosa volamena dimy vo totozy volamena dimy, gny dimy dra isa mitovy aminigny isan'ireo panapaky gny Filistina. Fa loza mitovy gny mapahory andrareo vo reo panapandrareo. 5 Noho zay dra sy maisy manao sarinigny fivotosandrareo handrareo, dra sarinigny totozindrareo ze mandringa gny tany, dra magnome voninahisy anigny Zagnaharin'Israely. Vasa mety hangala gny vatany amindrareo Izy, amireo zagnaharindrareo, dra aminigny tanindrareo. 6 Nagnino gny tokony hagnafatrasy gny fondrareo handrareo, manahaky gny nagnamafisan'ireo Egyptiana vo Farao gny fon'ereo? Zay dra taminigny namelezanigny zagnaharin'Israely fatrasy anereo; moa sy nalefan'ireo Egyptiana ra gny vahoaky, dra lasa ereo? 7 Amizao dra, magnoma sarety vaovao mindray aminigny agnomby mapinono ro ze bo sy ninday zioga mihisy. Rohizo aminigny sarety reo agnomby, saingy andeso moly reo zanaka'agnomby, hiala amin'ereo. 8 Boak'eo takaro gny fiaran'i Yaveh dra atovy ao agnatinigny sarety zay. Apetraho agnaty vata eo agnilany gny sari-raha volamena ze aherinao aminazy ba ho fagnatisy nahonigny heloky. Dra alefaso zay vo angao handeha aminigny lalany. 9 Boak'eo atio; raha miakasy agny aminigny lala magnagny aminigny taniny manoka agny Beti-semesy zay, dra Yaveh gny nanao izay loza lahibe zay. Fa raha sy zay, dra ho fatasika fa sy gny tagnany gny napaory asika; fa koa, ho fatasika fa hitranga sy nahy tamisika zay." 10 Reo lelahy dra nanao araky ze nizaka tamin'ereo; nangalaky agnomby mapinono ro ereo, namehy anireo teo aminigny sarety, dra ninday gny zanak'agnomin'ireo tagny atragno. 11 Natobin'ereo teo aminigny sarety gny fiaran'i Yaveh, nindray taminigny vata misy gny totozy volamena vo gny sarinigny fivotosan'ereo. 12 Nandeha nahisy tagny aminigny lala magnagny Beti-semesy reo agnomby. Nandeha taminigny lalam-be raiky reo, nimama tegny apandehana, dra sy niviombio na tagny akavana na tagny akavia. Nagnoriky anazy reo tagny aminigny sisin'i Beti-semesy reo panapak'ireo Filistina. 13 Dra niziza gny varin'ereo tegny andoha saka gny vahoak'i Beti-semesy. Gny fa nanandrasy gny masony ereo dra nahita gny fiara, dra nifalifaly. 14 Avy tagny aminigny sakan'i josoa boak'agny aminigny tanan'i Beti-semesy gny sarety dra nizano tao. Nisy vato lahibe teo, dra namaky gny hazo taminigny sarety ereo, dra nanolosy reo agnomby vavy ba ho fagnatisy oroa ho an'i Yaveh. 15 Napidirin'ireo Levita gny fiaran'i Yaveh vo gny vata ze nindray tamizay, ze nisy reo sary volamena, dra natobiny teo aminigny vato lahibe reo. Nanolosy fagnatisy oroa vo nanao soro ho an'i Yaveh gny andron'io avo koa reo ponon'i Beti-semesy. 16 Gny fa hitan'ireo panapaky dimin'ireo Filistina zay, dra nihery tagny Ekrona gny andron'io avo ereo. 17 Tahoky aby reo fivotoa volamena ze naherin'ireo Filistina ho fagnatisy nohonigny heloky ho an'i Yaveh: raiky ho an'i Asdoda, raiky ho an'i Gaza, raiky ho an'i Askelona, raiky ho an'i Gata, dra raiky ho an'i Ekrona. 18 Reo totozy volamena dra nitovy isa taminigny isan'ireo panapaky dimy, dra reo tana mimanda vo reo zanam-bohisy gny tana. Gny vato lahibe, teo agnilanigny nanobian'ereo gny fiaran'i Yaveh, dra mitoby ho vavolombelo raiky ao aminigny sakan'i Josoa gny Beti-semesita mandrak'androany. 19 Namely gny ilany tamin'ireo ponin'i Beti-Semesy i Yaveh akory nagnety tao agnatinigny fiaran'i Yaveh ereo. Namono lelahy 50. 070 Izy. Nandala gny vahoaky, akory namely fatrasy gny vahoaky Yaveh. 20 Hoy reo ponon'i Beti-semesy ho: "Iza gny afaky hizoro manoloa an'i Yaveh, Ty zagnahary masy ty? ho amin'iza gny iakaranigny fiara boak'atiky amisika?" 21 Nagniraky pinday hafasy tagny amireo ponon'i Kiriata-Jearima izy reo, nanao anizahoky ho: "Nandesin'ireo Filistina nihery gny fiaran'i Yaveh; mizosoa dra andeso mihery amindrareo zay."