Toko faha 5

1 Dra lasan'ireo Filistina gny fiaran'agnahary, dra nandesin'ereo boak'agny Ebenezera ho agny Asdoda zay. 2 Nalan'ireo filistina gny fiaran'agnahary, nandesiny tao atragnon'i Dagona zay, dra natobiny teo agnilan'i Dagona. 3 Gny fa nifoha maray reo vahoak'i Asdoda. dra ingo, nezera niakohoky taminigny tany teo agnatrehanigny fiaran'i Yaveh gny tavan'i Dagona. Ko dra nalan'ereo i Dagona dra napekariny teo aminigny pisy anazy ndraiky. 4 Fa gny fa nifoha maray ereo, dra ingo, nezera nekohoky taminigny tany teo agnatrehanigny fiaran'i Yaveh gny tavan'i Dagona. Gny lohan'i Dagona vo gny tagnany ro dra tapaky teo aminigny vatrangara.Gny vatan'i Dagona avo sisa nitoby. 5 Noho zay, gny atony sy handinganan'ireo Pisoron'i Dagona gny vatrangaran'i Dagona ao Asdoda, na mandrak'amizao aza. 6 Gny tanan'i Yaveh dra navesasy teo amireo vahoak'i Asdoda. Norignanigny vo napahoriny taminigny fahararia ereo, i Asdoda vo reo faritaniny. 7 Gny fa sapanigny olon'i Asdoda ze nitranga, dra hoy ereo: "Aoky sy hizano eto aminay gny fiaran'agnaharin'Israely, akory gny tagnany dra manohisy fatrasy anay so i Dagona zagnaharinay." 8 Ko dra napitoka ereo dra namory reo panapaky gny Filistina aby; hoy ereo taminazy: "Ino gny tokony hataonay aminigny fiaranigny Zagnaharin'Israely?" Namaly ereo ho: "Aoky handesiko hiodidy an'i Gata gny fiaranigny Zagnaharin'Israely ." Ko nandesin'ereo tagny gny fiaranigny Zagnaharin' Israely. 9 Fa gny fa avy nandesereo nihodidy zay, dra nanohisy gny tana gny tanan'i Yaveh, dranahavy Fifazevogna lahibe. Napahory reo olonigny tana Izy, na kely na lahibe; dra nipoisy tamin'ereo gny fivotoa. 10 Noho zay dra nalefan'ereo tagny Ekrona gny fiaran'Agnahary. Fa vatany vo avy tagny Ekrona gny fiaran'Agnahary, dra nikioky fatrasy reo Ekronita, nanao anizahoky ho: "Ninday gny fiaranigny Zagnaharin'Israely ho asika ba hamonoa asika vo reo olosika ereo." 11 Dra napitoka ereo vo namory reo panapaky gny Filistina aby; hoy izy tamin'ereo ho: "Aheregno gny fiaranigny Zagnaharin'Israely, dra aheregno aminigny nisy anazy, ba sy hamonoi'izay asika vo reo olosika."Fa nisy fisavorovoroa lahibe nanera gny tana; tena navesasy teo gny tagnan'Agnahary. 12 Reo olo ze sy maty dra napahoria taminigny fivotosa, dra gny fitaraignanigny tana dra niakasy gny lagnisy.