Toko faha 4

1 Avy taminigny Israely aby gny zakan'i Samoela. Dra niboaky hialy tamireo Filistina gny Israely. Nanoby toby teo Ebenezera ereo, dra nametraky toby teo Afeka koa reo Filistina. 2 Nilahasy hialy taminigny Israely reo Filistina. Gny fa niely gny aly, dra resin'ireo Filistina ze nahafaty teo ho eo aminigny efasy arivo lahy aminigny sahanaly gny Israely. 3 Gny fa nilisy tao atoby gny vahoaky, dra hoy reo loholon'Israely ho: "Nagnino Yaveh gny naharesy asika teo agnatreha'ireo Filistina androany? Andeha andesisika boak'agny Siloha Hagnatiky gny fiaran'i Yaveh, ba hindray amisika atiky zay, dra hiaro asika aminigny tagnan'ireo fahavalosika." 4 Ko dra nigniraky lelahy angnagny Siloha gny vahoaky; boak'agny gny nindesanereo gny fiaranigny fagneken'i Yaveh toponigny maro, ze mitoby agnabonigny kerobima. Teo nindray taminigny faiaranigny fagneken'Agnahary reo zanak'i Ely ro lahy, dra i Hofinia vo Finehasa. 5 Gny fa nilisy tao atoby gny fiaranigny fagneken'i Yaveh, dra nindray namoaky kioky fatrasy gny vahoak'Israely aby, dra nanakoako gny tany. 6 Gny fa ren'ireo Filistina gny kotabanigny hiaky, dra hoy ereo ho: "Fa ino gny dikan'izao tabataba fatrasy ao atobinigny Hebreo zao?" Boak'eo dra azon'ereo asai fa avy tao atoby gny fiaran'i Yaveh. 7 Natahosy reo Filistina; hoy ereo ho: "Misy zagnahary avy ao atoby." Hoy ereo ho: 8 "Loza ho asika! sy bo nisy raha nitranga manahaky gny taloha! Loza ho asika! Iza gny hiaro asika aminigny herin'ireo zagnahary ze namely gny Egyptiana taminigny loza maro isakarazany tagny agnefisy. 9 Alao hery, dra ba lelahy, handrareo ry Filistina, sao ho avy andevonigny Hebreo handrareo, manahaky gny naha-andevondrareo anereo. Ba lelahy, dra melia." 10 Dra nialy reo Filistina, dra resy gny Israely. Nienga tagny atragnony agny aby agny reo lelahy reo, dra heza vatany gny famonoa; fa miaramila mizoro telo hariva boak'aminigny Israely gny lova. 11 Lasa gny fiaran'i Yaveh, dra maty i Hofinia vo Finehasa, zanak'i Ely rolahy. 12 Nisy lelahin'i Benjamina raiky nimeky boak'agny aminigny filaharan'aly dra nagnagny Siloha tamin'io andro io avo, avy nindray taminigny akazony rota vo bo-tany teo andohany. 13 Gny fa avy izy, dra nitoby teo aminigny sezany teo amorondala nagnety i Ely akory nangorohoro gny aminigny fiaran'Agnahary gny fony. Gny fa nidisy gny tana ralelahy dra nizaka gny vaovao, dra nikioky fatrasy gny tana raiky manotolo. 14 Gny fa ren'i Ely gny kotabanigny hiakiaky, dra hoy izy ho: "Ino gny dikan'izao korota zao?" Avy malaky gny lelahy dra nitatara tamin'i Ely. 15 Dra valo ambiny sivapolo tao i Ely; pahina gny masony, dra sy nahita izy. 16 Hoy gny lelahy igny tamin'i Ely: "Zaho gny raiky zay boak'aminigny laharan'aly. Nienga gny aly zaho androany." 17 Hoy Ely ho: "Hanaokory gny fizosigny, anaky?" Namaly ralelahy ninday gny vaovao dra nanao anizahoky ho: "Nienga an'ireo Filistina gny Israely. Dra koa, nisy faharese goava teo aminigny vahoaky. Dra koa, maty Hofinia vo Finehasa, zanakao ro lahy, dra lasa gny fiaran'agnahary." 18 Gny fa nanogno gny fiaran'agnahary izy, dra nidoboky nisimbaliky boak'eo asezany teo agnilanigny vavahady i Ely. Tapaky gny vozony, dra maty izy, akory fa atisy sady reraky. Nisara gny Israely nandrisy gny efa-polo tao izy. 19 Dra gny vinatovaviny, valin'i Finehasa, dra nitoezaza vo fa hoteraky.Gny fa nahare gny vaovao izy fa lasa gny fiaran'agnahary dra maty gny rafozandahiny vo gny valiny, dra nandohaliky izy dra teraky, saingy nandavo anazy gny fahararianigny fiterahany. 20 Tokony ho taminigny fotoa nahafatesany dra nizaka taminazy reo apela niatriky anazy ho: "Ka matahosy, fa niteraky zazalahy hanao." Saingy sy namaly izy na nandray apo ze nizakan'ereo. 21 Nataony ho Ykaboda gny agnaranigny zaza, fa hoy izy ho: "Afa-bininahisy Israely!" fa lasa gny fiaran'agnahary, dra nohonigny rafozandahiny vo gny valiny koa. 22 Hoy izy ho: "Afa-boninahitra Israely, akory lasa gny fiaran'agnahary."