Toko faha 7

1 Avy gny olonigny Kiriata Jearima, nangalaky gny Fiaran'i Yaveh, dra ninday anizay tao atragnon'i Abinadaba tagny aminigny havoa. Nanoka an'i Eleazara zanadahin'ereo ba hitandry gny fiaran'i Yaveh. 2 Nanomboky taminigny andro ze nitoeranigny fiara tao Kiriata Jearima, dra tao maro gny lasa, ropolo tao. Gny havan'Israely aby dra nalahely an'i Yaveh dra nagniry hihery amin'i Yaveh. 3 Hoy i Samoela taminigny havanigny Israely aby ho: "Raha mihery amin'i Yaveh aminigny fondrareo aby handrareo, dra alao eo aindrareo reo zagnahary hafa reo Astarta, atoliho amin'i Yaveh gny fondrareo, dra Izy raiky avo topoy, dra hamozy andrareo eo atagnanireo Filistina izy." 4 Dra nangalaky reo Bala vo gny Astarta gny vahoakinigny Israely, dra nanopo an'i Yaveh raiky avo. 5 Dra hoy Samoela ho: "Andeso ho agny Mizpa gny Israely aby, dra hivavaky amin'i Yaveh ho andrareo zaho." 6 Niango tao Mizpa ereo, dra nagnova rano dra nandraraky anizay teo agnatrehan'i Yaveh. Nifaly hany ereo taminy zay andro zay dra nanao anizahoky ho: "Fa nanota tamin'i Yaveh sika." Tagny gny nanapahan'i Samoela hevisy hisara gny fifandiranigny vahoakinigny Israely vo nandesany anazy. 7 Dra gny fa ran'ireo Filistina fa nivory tao Mizpa gny vahoak'Israely, dra nanafiky gny Israely reo panapaky gny Filistina. Raha nahareanizay gny vahoak'Israely, dra nanohisy reo Filistina ereo. 8 Dra hoy reo vahoakin'Israely tamin'i Samoela: "Ka misahasy mitoka an'i Yaveh zagnaharisika ho asika, fa hagnavosy asika eo atagnasika eo atagnanireo Filistina Izy." 9 Dra nangalaky zanak'agnondry bo minono i Samoela dra nagnome gny manotolo bo ho fagnatisy oroa ho an'i Yaveh. Dra nitoka fatrasy an'i Yaveh ho anigny Israely Samoela, dra namaly anazy Yaveh. 10 Dra raha bo nagnatisy gny fagnatisy oroa Samoela, Dra nagnato hanafiky gny Israely reo Filistina. Fa Yaveh napikotrokora taminigny feo fatrasy tamizay andro zay hanohisy reo Filistina dra napifandrevo anazy reo, dra resy teo anolonigny Israely ereo. 11 Dra gny lelahinigny Israely niala boak'agny Mizpa, dra nagneziky gny Filistina dra namono anazy reo mandrapahaviany teo ambanin'i Betikara. 12 Boak'eo dra nangalaky vato i Samoela dra nanoby anizay teo agnelagnelan'i Mizpa vo Sena. Nataony ho Ebenezera gny agnaranizay, manao anizahoky ho: "Hatramin'izao gny namozen'i Yaveh asika." 13 Dra resy reo Filistina dra sy nilisy teo aminigny faritaninigny Israely. Gny tagnan'i Yaveh nanohisy reo Filistina taminigny andron'i Samoela aby. 14 Reo tanana ze nalan'ireo Filistina taminigny Israely dra voahery taminigny Israely, hatragny Ekrona dra hatragny Gata; nihery taminigny Israely Ko gny faritaniny tagny amireo Filistina. Dra nisy fihavana teo aminigny Israely vo gny Amorita. 15 Nisara gny Israely nandrisy gny andro-piegnany aby i Samoela. 16 Isatao dra nandeha nivezivezy tagny Betela, Gilgala, dra Mizpa izy. Nanapakevisy taminigny aly ho an'iIsraely teo amireo toeran'aby reo izy. 17 Dra nihery tagny Rama ndraiky izy. akory tagny gny tragnony; dra tagny avo koa gny nanapahany hevisy taminigny aly honigny Israely. Nagnory alitala hoan'i Yaveh tagny avo koa izy.