Toko faha 4

1 Noho izay, satria nizaly tamigny nofo i Kristy, dra atovy fialian'ny vatandrareo izay tazona izay. Fa izay aby nizaly tamigny nofo dra nisahasy tamigny fahota. 2 Vokas'izay, gny olo manahaky izay, mandrisy gny fotoa sisa hiegnany, dra sy hiay ho agny fagnirian'ny olo sasy, fa ho an'ny sitrapon'i Zagnahary. 3 Fa apy izay gny fotoa lasa nanova izay tian'ny Zetilisa atao-hafalian'ny nofo, fizezozezoa, fimamao, fitondra-tegna mahamegnasy, fihira rasy, dra reo asan'ny fanopoa sapy mapangelakelaky. 4 Ataon'izy reo fa hafahafa satria sy mikamba amin'izy reo ao amin'izay fagnaragna-po be izay handrareo, noho izay dra hizaka rasy momba andrareo izy reo. 5 Hamaly gny ray izay vonona hisara gny velo vo gny maty izy reo. 6 Noho izay atony izay gny nitoria gny vaovao mahafaly tamin'ireo maty avo koa, ba, na dre nisara tamigny nofo manahaky gny olo aza izy reo, dra hiay manahaky an'i Zagnahary. 7 Magnariny gny faran'ny raha aby. Noho izay miavia say, dra mahonogna tegna amigny ariserisindrareo ho an'ny fitiavam-bavaky. 8 Agnabony raha aby, mana fitiava feno ho an'ny kiraikiraiky avy, fa gny fitiava mandrakosy fahota maro. 9 Mifapitragnoa sy a-pitaregna. 10 Fa gny kiraikiraiky amindrareo dra nandray fagnomeza-pahasoava, apesao hofanopoa izay. Manova izay manahaky gny pita-raharahan'ny fagnomeza-pahasoava maro maimaipoana an'i Zagnahary. 11 Gny misy mizaka, aoka izy hanao manahaky gny ray mizaka gny zakan'i Zagnahary. Gny misy manopo, aoka izay ho avy amigny hery izay vasian'i Zagnahary. Manova reo raha reo ba home- voninahisy amigny alalan'i Jesosy Kristy amigny fomba aby Zagnahary. Aoka ho an'i Jesosy Kristy gny voninahitra vo gny hery mandrakizay doria. Amena. 12 Ry malala, ka ala ho hafahafa gny fisapa amigny afo izay nitranga tamindrareo, manahaky gny ho nisy raha hafahafa nitranga tamindrareo. 13 fa koa, na dre maro aza gny hiegnandrareo reo fizalian'i Kristy, mifalia, ba ho afaky avo koa handrareo dra ho falifaly amigny fizakany gny voninahiny. 14 Gny nitevatevany noho agnaran'i Kristy handrareo, dra voatahy, satria gny fagnahin'ny voninahisy vo gny fagnahin'i Zagnahary dra mitoboky ao amindrareo. 15 Fa aoka sy hisy na iza na iza amindrareo hizaly namahaky gny panopo olo, mangalasy, panao rasy ,na piraharaha gny an'ny hafa. 16 Fa gny misy mizaly fa kristiana, aoka izy tsy ho megnasy; fa koa aoka hagnome voninahitra an'iZagnahary amin'izay agnara izay izy. 17 Fa fotoa izao hanomboha gny fisara mindray amigny akohonan'ny Zagnahary. Gny manomboky amisika izay, ino gny ho vokasy ho an'ireo izay sy makato gny an'ireo zay sy makato gny filazasaran'i Zagnahary? 18 Dra gny'' gny olo mary aza sy ho voavozy, amigny fomba manaoakory gny hiboahany olo sy an' Zagnahary vo gny panota?'' 19 Noho izay aoka izay mizaly noho gny sitrapon'i Zagnahary hagneky gny fagnahin'ny reo amigny pamoro matoky amigny fanova soa.