T0ko faha 5

1 Magnanasy reo loholo amindrareo zaho, izaho, izay loholo namana. Izaho avo koa dra vavolombelon'ireo fizalian'i Kristy, dra izay koa pikamba ao amigny voninahisy izay fa haseho. 2 Noho izay, magnanasy andrareo zaho, dra loholo, ligniso gny agnondrin'i Zagnahary izay eo amindrareo. Oriho maso izy reo, sy amigny vola maloto, fa asitrapo. 3 Aza mazakazaka amigny olo izay tandremandrareo. Fa koa, aoka ho fitarasy ho an'ny agnondry. 4 Dra gny miseho gny lohan'ny piambin'agnondry, dra hahazo satro-voninahisy sy mety sola handrareo. 5 Manahaky izay koa, handrareo tanora fagnahy, magneke gny olo lahibe, Handrareo aby, tafio fanetre-tegna gny vatandrareo dra mifanopoa. Fa Zagnahary manohisy gny pirehareha, fa magnome fahasoava gny panetry tegna. 6 Noho izay manetre tegna eo ambanin'ny tagna-maherin'i Zagnahary ba hanandratany andrareo amin'izay fotoa izay. 7 Atobeo eo amigny fagnahindrareo aby, satria izy miahy andrareo. 8 Mahognona tegna, miambena. Gny fahavalondrareo, dra gny devoly, magnodidy manahaky gny liona mierona, mitalia izay olo ho arapany. 9 Magnohera anazy. mieregna amigny finoandrareo. Fatasindrareo fa izay fahoria izay dra mazo gny firaisan'ireo pino manera an'izao totolo izao avo koa. 10 Gny avy mizaly nandrisy gny fotoa boribory handrareo, gny Zagnahary gny fahasoava aby, izay nitoka andrareo hoa amigny voninahiny mandrakyzay ao amin'i kristy, dra hahatateraky andrareo, hananga andrareo, dra hapahery andrareo. 11 Ho izy anie gny fazaka mandrakizay mandrakizay. Amena. 12 Alako manahaky gny rahalahy matoky i Silasy, dra nanorasy zaka boribory ho angdrareo tamigny alalany zaho. Magnanasy andraeo zaho dra mizaka andrareo fa izay nisoratiko dra fahasoava marin'i Zagnahary. Mizoroa amin'izay. 13 Gny apela izay agny Babylina, izay voafily nindray tamindrareo, manao velo andrareo. dra koa i Marka, zanako lahy, manao velo andrareo. 14 Mifanova velo amigny fanoroa-pitiava. Ho amindrareo aby anie gny fiadagna izay ao amin'i kristy.