Toko faha 3

1 Amin'izay fomba izay, handrareo apela dra tokony hagneky gny valindrareo. Atovy na dre misy lelahy maro aza sy tia gny zaka, dra mety ho azo reo na sy misy aza gny zaka, amigny alalan'ny fitondra-tegnany valin'izy reo. 2 Fa izy reo dra hahita gny fitondra-tegna mendrikandrareo a-pagnaza. 3 Aoka izay ho tateraky sy mindray amin'ireo hengo: randram-bolo, firavaky vilamena, na akazo lamody. 4 Fa koa, aoka izay ho tateraky mindray amin'izy ao a-pony olo, vo gny hasoa maharisin'ny fagnahy soa vo simizaka, izay sarobidy eo agnatrehan'i Zagnahary. 5 Fa reo apela masy taloha g ny nandravaky gny vatan'izy reo manahaky izay. Nana fahatokia an'i Zagnahary izy reo dra nagneky gny valiny aby. 6 Manahaky izay fomba izay gny nitian'i Abrahama an'i Saraha vo nitokavany anazy ho topony. Handrareo dra zanany amizao gny manao izay soa vo sy matahosy olo handrareo. 7 Manahaky izay avo, handrareo lelahy dra tokony miay mindray amigny valindrareo araky gny fahazava-say, manahaky gny fanaky malemy kokoa, gny apela, Tokony amendrareo voninahisy izy reo manahaky gny piara-mandova izay ba sy ho voasaka gny vavakindrareo. 8 Farany, handrareo aby, aoka hindray say, hangoraky, hifakatia manahaky gny pirahalahy, ho so-po, dra hanetri-tegna. 9 Ka mamaly rasy gny sary na manevateva gny pagnavetaveta. Mifanohisy amin'izay aza, mitahia hatragny, fa noho izay gny nitokava andrareo, ba hahafahandrareo mandova gny fitahia. 10 "Gny raiky izay te hakafy gny fiegna vo te hahita andro soa dra tokony hagnasahasy gny lelany amigny rasy vo gny molony amigny fizaka fitaky. 11 Aoka izy hiala amigny atao hoe rasy dra hanao izay soa. Aoka izy hitalia fiadagna vo hitaky izay. 12 Gny mason'ny topo mahita gny marina, dra gny sofiny mahare reo fangatahan'izy reo. fa gny tavan'ny topo dra manohisy reo izay manao rasy.'' 13 Iza gny raiky izay hagnahy andrareo raha magniry gny hanao gny soa handrareo? 14 Nefa gny mizaly nohon'ny fahamarira handrareo, dra sambasy, Ka matahosy izay hatahoran'izy reo. Ka mangorohoro. 15 Fa koa, atokano manahaky gny masy ao apondrareo gny topo Kristy. mivono hatragny hamaly gny olo aby izay magnotany andrareo gny atony hatokindrareo an'i Zagnahary. Atovy amigny haleme-pagnahy vo fagnaza izay. 16 Mana feon'ny fierisereta malio ba gny olo izay manevateva gny fiaigna soandrareo ao amin'i Kristy dra mety megnasy satria mizaka manohisy andrareo izy reo manahaky gny ho panao rasy handrareo. 17 Soa kokoa, gny Zagnahary gny magniry, fa mizaly handrareo amigny fanova gny soa nohon'ny fanova gny rasy. 18 Fa nizaly nohon'ny fahota avo koa i Kristy. Izy zay marina dra nizaly ho asika, zay sy marina, ba handesany asika eo amin'i Zagnahary. Nivono tamigny nofo izy, fa nivelomin'ny fagnahy. 19 Tamigny alalan'ny fagnahy, dra nandeha izy dra nitory ho an'ireo fagnahy izay agny apigadra amizao. 20 Sy nakato izy reo gny nindray gny faharetan'i Zagnahary tamigny andron'i Noa, tamigny andron'ny fanangana sambofiara, dra Zagnahary namozy olo kelikeliky_ fagnahy valo_ tamigny rano. 21 Izay gny famatara gny batisa izay mamozy andrareo amizao_ sy manahaky gny fagnadiova gny loto amigny vatany, fa manahakay gny ason'ny feon'ny fierisereta ho amin'i Zagnahary_ tamigny alalan'ny fisangan'i Jesosy tamigny maty. 22 Kristy dra eo atagna akavian'i Zagnahary. Niakasy agny an-dagnisy izy. Ireo azely, reo mana-pahefana, dra gny hery sy maisy magneky anazy.