Toko faha 2

1 Noho zay ario gny rasy aby, gny fahadisoa-fanatenana aby, gny fihasara-velasihy, gny fagniria, dra gny fagnendrikendreha aby. 2 Manahaky gny raha vo teraky, magniry ronono ara-fagnahy malio, ba hahafahandrareo mitombo ao amigny famozena amigny alalan'ny, raha nahasapa handrareo fa soa fagnahy gny tompo. 4 Magnaton'anazy gny vato velo zay narian'olo, fa voafilin'i Zagnahary ho mana-laza aminazy. 5 nHandrareo avo koa dra manahaky reo vato velo zay voaory ho tragno ara-pagnahy, ba ho pisoro masy zay manolosy gny soro ara-pagnahy amizao amigny alalan'i Jesosy Kristy. 6 Gny sorasy masy dra ahita izao: ''Ingo, zaho mitoboky amigny ziona vato fehizoro, voafoly vo mana-laza. Izay aby mino amazy dra sy megnasy.'' 7 Gny vaninahisy noho izay dra ho anao izay mino. Kanefa, ''gny vato narian'ireo pagnori-tragno, zay dra avy lohan'ny fehizoro''- 8 Dra, vato mahatagatoy vo vatolapy mahalavo. Tafatoy ereo sy nakato gny zakany, izay voatoka ho anazy ereo koa. 9 Fa hanao dra olo-voafoly, pisoron'ny pazaka, ferenena masy, olo ho an'ny fanagnan'i Zagnahary, ba ho afaky hizaka gny hasoan'ireo asany ray izay nitoka anao avy tao amigny mezy hagnao amigny hazavany mahatalazo hanao. 10 Taloha hanao si olo, kanefa amizao hanao dra olon'i Zagnahary, Sy nandray famindram-po hanao, fa amizao hanao nandray famindram-po. 11 Ry malala, mitoka andrareo manahaky gny vahiny vo pirerirery zaho ba hifaly gny filan'ny nofo, zay mahavy aly manohisy gny fagnahindrareo. 12 Tokony gny mana fitondra-tegna soa handrareo eo am'ireo zetilisa, ba ho, raha mizaka momba amdrareo ho nanao reo asa rasy izy reo, dra tokony hahita reo asa soa ndrareo vo hakalaza an'i Zagnahary amigny andro zay hahaviany. 13 Akatoavo gny fahefan'ny olombelo aby noho gny amigny tompo. Akatovo manahaky gny agnabo indrindra gny pazaka, 14 Vo reo Goverinora avo koa, zay nalefa ba hagnasazy reo panao rasy vo hakalaza reo panao gny soa. 15 Fa zay gny sitrapon'i Zagnahary, amigny fanova gny soa andrareo dra mapigy gny zaka sy mahalala fomban'ny olo mola. 16 Manahaky gny maha-olon'afaky, aza apiasa ho manahaky gny fandombofa fahalemea gny fahafahanao , fa aoka hanamaky gny fahafahanao, fa aoka hanahaky gny panopon'i Zagnahary. 17 Omeo voninahisy gny olon'aby. Tiavo gny firahalahia. matahora an'i Zagnahary. Omeo voninahisy gny pazaka. 18 Ry panopo, meteza hagnagny hagneky gny topondrareo amigny fagnaza aby. Ka magneky ho ponopon'ny soa vo gny topo so fagnahy, fa ho an'ireo rasy toetra avo koa. 19 Satria mendri-piderana izay raha misy miarisy manaitay aby mizaly amigny sy rariny noho gny fanatenany an' zagnahary. 20 Fa hotrino gny vola raha manota hanao dra miarisy mandrisy gny fagnasazia anao lateo? fa gny nanao gny soa hanao dra miarisy mandrisy gny fagnasazia anao, dra memdri-piderana amin'i Zagnahary izay. 21 Fa noho itihiky gny nitokava anao, satria Kristy avo koa dra azely ho nao. Nagnenga ohasy ho nao izy ba hagnoroha ireo lalany. 22 Sy nanota izy, na hoe nisy fitaky teo am-bavany. 23 Gny nizaka rasy izy, dra sy ba namaly rasy. Gny nizaly izy, dra sy nandraho, fa nagnome gny vatany tamigny rai izay pisara apahamarina. 24 Izy vatany dra ninday reo fahotasika tao amigny vatany ho eo agnabo hazo, ba sy hana azara amigny fahota sasy sika, dra ba hiay ho an'ny fahamarina. Tamigny alalan'ny rasany gny nahasitrany andrareo. 25 Nirerirery manahaky gny agnondry levo handrareo aby, fa amizao handrareo nihery tamigny piamby agnondry gny fagnahindrareo.