Toko faha 4

1 Ry Malala, ka mino gny fanahy aby. Fa dra, misapa reo fagnahy ba hahita fa laha tamin'Agnahary ereo, Satria mpaminany sandoky maro gny fa niala tamin'izao totolo zao. 2 Amin'izay gny ahafatarandrareo gny Fanahin'Agnahary-gny fanahy iaby ze maneky f ai Jesosy Kristy ze avy nofo dra laha tamin'Agnahary, 3 dra gny fanahy aby ze sy maneky fa Jesosy dra sy laha tamin'Agnahary. Dra zay gny fanahin'gny atikristy, zay fa rendrareo fa ho avy, dra amizao gny fa eto an-tany. [ Fanamariha :misy dika-zaka taloha gn'ilany dra mivaky ho:''Dra gny fanahy aby ze sy maneky fa i Jesosy avy nofo dra sy avy amin'Agnahary. Zay dra fanahin'gny atikristy,ze fa rendrareo fa ho avy , dra amizao dra fa eto an-tany .] 4 Andrareo dra laha tamin'Agnahary, ry zanaka malala, dra fa nandresy anazy reo, satria gny raiky ze ao amindrareo dra lahibe mihoasy noho gny raiky ze eto amizao totolo zao. 5 Ereo dra laha tamin'izao totolo zao; noho zay ze zakan'ereo dra avy amizao totolo zao, dra zao totolo zao dra miteno an'ereo. 6 Laha tamin'Agnahary isika. Ze mahafatasy gny Topo dra mahare asika. Izy zay sy avy amin'Agnahary dra sy mahare asika. Amin'izay gny ahafatarasika gny fanahin'gny fahamarina vo gny fanahin'gny fahadisoa. 7 Ry malala, ao isika hifakatia, fa gny fitiava dra laha tamin'Agnahary, dra zay aby mitia dra nanterak'Agnahary vo mahafatasy an'Agnahary. 8 Gny olo ze sy mitia dra sy mahafatasy an'Agnahary, satria Zagnahary dra fitiava. 9 Noho zay gny fitiavan'Agnahary dra nambara tamisika , fa Zagnahary dra nandefa gny Zanany lahitoka ho an'izao totolo zao ba ho velo noho Izy isika. 10 Ao amin'izay fitiava zay , sy gny nitiavasika an'Agnahary, fa gny nitiavany asika, dra gny nandefasany gny Zanany lahy ho fagnavota reo fahotasika. 11 Ry malala,raha tia loasy asika Zagnahary , dra tokony hifakatia avo koa isika. 12 Sy bo nisy nahita an'Agnahary mipetraky ao amisika Zagnahary dra gny fitiavany dra tateraky ao amisika. 13 Amin'izay gny ahafatarasika fa mipetraky ao aminazy isika dra izy ao amisika, satria izy dra nagnome asika gn'ilany amin'gny Fanahiny. 14 Dra fa nahita isika vo fa misanga vavolombelo fa gny Ray dra fa nandefa gny Zanadahiny ho Mpamozy an'izao totolo zao. 15 Dre iza dre iza maneky fa Jesosy dra Zanadahin'Agnahary, dra mipetraky ao aminazy Zagnahary dra izy ao amin'Agnahary. 16 Isika avo koa dra nahafatasy dra nino gny fitiava ze fa nanagnan'Agnahary ho asika. Zagnahary dra fitiava,dra gny raiky dra mipetraky ao amin'Agnahary,dra Zagnahary dra mipetraky ao aminazy. 17 Noho zay,fitiava zay dra nitaterahy tamisika , ba hanagnasika fahatokisa amin'gny andron'gny fisara, satria manahaky anazy, dra manahaky anizay avo koa isika eto amin'itiho tany itiho. 18 Sy misy tahosy ao amin;gny fitiava. Fa dra, gny fitiava tateraky dra mangalaky gny tahosy, satria gny tahosy dra sy maisy miaraky amin'gny sazy. Fa gny raiky ze matahosy dra sy natao ho tateraky ao amin'gny fitiava. 19 Mitia isika satria Zagnahary nitia asika volohany. 20 Raha misy olo mizaka ho:''Tiako Zagnahary'' nefa malaiky gny rahalahiny , dra mpavandy izy. Fa gny raiky zesy mitia gny rahlahiny, ze hitany, dra sy afaky gny hitia an 'Agnahary,ze sy hitany. 21 Dra, zay avo koa gny didy ze anagnasika laha taminazy: Dre iza dre iza mitia an'Agnahary dra sy maisy mitia gny rahalahiny avo koa.