Toko faha 5

1 Dre iza dre iza mino fa i Jesosy gny Kristy dra naterak'Agnahary, dre iza dre iza tia gny Ray avo koa dra tia gny Zanaky naterany. 2 Noho zay gny ahafatarasika fa tiasika reo Zanak'Agnahary: gny fa tia an'Agnahary vo manatateraky reo didiny isika . 3 Satria zay gny fitiava ho an'Agnahary: dra gny hanataterahasika gny didiny . Dra reo didiny dra sy mavesasy. 4 Fa gny olo aby ze naterak 'Agnahary dra mandresy an'izao totolo zao. Dra zay dra fandrese ze fa nandresy an'izao totolo zao: gny finoasika . 5 Iza gny raiky ze mandresy an'izao totolo zao? Gny raiky ze mino fa i Jesosy dra Zanak'Agnahary. 6 Zay dra gny raiky avy tamin'gny rano vo lio: Jesosy Kristy . Izy dra avy sy tamin'gny rano avo,fa tamin'gny rano vo lio. 7 Fa misy telo ze misanga vavolombelo: 8 gny fanahy , gny rano, dra gny lio. Reo telo reo dra mifagnaraky . [Fanamariha : Gny diza-zaka taloha gn'ilany ze misanga manahaky anizao:''Fa misy telo ze misanga vavolombelo agny an-dagnisy: gny Ray, vo gny Zaka,dra gny Fanahy Masy;dra reo telo reo dra raiky. Dra misy telo ze misanga vavolombelo eto agn'abonin'gny tany :gny Fanahy, gny rano, dra gny lio; dra telo reo dra manahaky gny raiky.''Dre zay avo,dre dika-zaka soa indrindra dra sy mivaky manahaky anizay.] 9 Raha mandray gny fisangana vavolombelon'olo isika, dra ho lahibe tokoa gny fisangana vavolombelon'Agnahary. Fa gny fisangana vavolombelon'Agnahary dra zao: izy dra misanga vavolombelo mahakasiky gny Zanany. 10 Dre iza dre iza mino gny Zanak'Agnahary dra mana fisanga vavolombelo ao aminazy vatany.Zay sy mino an'Agnahary dra manao Anazy ho mpavandy, satria izy dra sy mino gny fisanga vavolombelo ze fa nimen'Agnahary mahakasika gny Zanany. 11 Dra gny fisangana vavolombelo dra zao: Zagnahary dra nagnome asika fiaigna mandrakizay, dra zay fiaigna zay dra ao amin'gny Zanany. 12 Gny raiky ze mana gny Zanaky dra mana gny fiaigna . Gny olo ze sy mana gny Zanak'Agnahary dra sy mana fiaigna. 13 Fa nanorasy tahoky raha tahoky ho andrareo zaho ba hahafatarandrareo fa mana gny fiaigna mandrakizay andrareo ho andrareo ze mino gny agnaran'gny Zanak'Agnahary. 14 Manahaky anizay avo koa, izao gny fifaneke ze anagnasika eo anatrehany, fa dre ino dre ino angatahisika araky gny strapony, dra mahare asika Izy. 15 Manahaky anizay avo koa , raha fatasika fa mahare asika Izy-dre ino dre ino angatahisika Aminazy dra fatasika fa azosika zay nangatahisika taminazy iaby. 16 Raha misy olo raiky mahita gny rahalahiny manao fahota ze sy miteraky fahafatesa , sy maisy mahavy fahafatesa , sy maisy mivavaky izy, dra Zagnahary dra hagnome fiaigna ho anazy. Zaho dra mampitaha reo ze mana fahota sy mahavy fahafatesa. Misy fahota ze mahay fahafatesa; sy mizaka zaho ho tokony hivavaky amin'izay izy. 17 Gny sy fahamarigna dra fahota iaby, nefa misy fahota sy mahavy fahafatesa. 18 Fatasika fa dre iza dre iza naterak 'Agnahary dra sy manota. Nefa gny raiky ze naterak'Agnahary dra miaro gny vatany, dra gny rasy dra sy afaky gny ahakasiky anazy. 19 Fatasika fa avy amin'Agnahary isika,dra zao totolo zao dra mipetraky ao amin'gny rasy. 20 Kanefa fatasika fa gny Zanak'Agnahary dra fa avy dra fa nagnome asika fahazava-say ba ahafatarasika gny raiky ze tena mary. Manahaky anizay avo koa,isika dra ao amy raiky ze mary, ao amin'i Jesosy kristy Zanany. Izy gny Zagnahary mary dra fiaigna mandrakizay. 21 Anaka, arovy amin'ireo sapy gny vatandrareo.