Toko faha 3

1 Indro tahaky gny ino gny fitiava nomen'gny Ray asika,ba hitokava asika ho Zanak'Agnahary, dra zay isika. Noho zay atony zay, zao totolo zao dra sy mahafatsy asika, satria sy mahafatasy anazy zay. [ Fanamariha : gny dika-zaka taloha dra sy magnisy ho:''Dra izay isika.''] 2 Ry malala, zanak'Agnahary isika amizao, dra zay dra bo sy nambara ho hanahaky gny ino isika . Isika dra mahafatasy fa gny miseho i Kristy,dra ho tahaky Anazy isika, satria hahita Anazy manahaky Anazy isika. 3 Gny ze mana anizay fahatokisa momba gny ho avy mifotosy aminazy zay dra magnalio gny vatany ba halio tahaky Anazy. 4 Zay manota iaby dra manao ze sy ara-dalana; fa gny fahota dra sy ara-dalana. 5 Andrareo dra mahafatasy fa i Kristy dra nambara ba hangalaky reo fahota, dra ao aminazy dra sy misy fahota. 6 Sy misy olo ze mitoesy ao aminazy dra bo manota nahita anazy dre nahafatasy anazy. 7 Ry zanaky malala, ka anga hisy olo hamitaky andrareo, gny raiky ze manao gny fahamarigna dra mary,tahaky gny mahamarigna an'i Kristy. 8 Gny raiky ze manota dra laha tamin'gny devoly,fa gny devoly dra nanota hatragny am-bolohany. Noho zay atony zay gny Zanak'Agnahary dra naseho, ba hahafahany mandrava reo asan'gny devoly. 9 Dre iza dre iza naterak'Agnahary dra sy hanohy gny fahota satria gny tegnany laha tamin'Agnahary dra mitoesy ao aminazy. Sy afaky manohy gny fahota izy satria naterak 'Agnahary. 10 Ao amin'izay gny hampiboahany reo zanak'Agnahary vo reo zanaky gny devoly. Dre iza dre iza sy manao gny mary dra sy laha tamin'Agnahary; dre gny raiky ze sy tia gny rahalahiny avo koa . 11 Fa zay gny hafasy ze fa rendrareo hatragny am-piboahany: fa isika dra tokony mifakatia, 12 fa sy manahaky an'i Kaina, ze laha tamin'gny rasy vo namono gny rahalahiny. Fa nanao akory izy gny namono anazy? Satria reo asany dra rasy , dra gny agny rahalahiny dra mary. 13 Ka gaga,ry rahalahiko,raha malaiky andrareo gny tany. 14 Fatasika fa niala tamin'gny fahafatesa magnagny ami fiaigna isika satria tia an'ereo rahalahiny isika. Zay sy tia dra mitoesy agny amy fahafatesa. 15 Ze malaiky gny rahalahiny dra mpamono olo. Fatasindrareo fa sy misy mpamono olo mana fiaigna mandrakizay mitoesy ao aminazy. 16 Amin'izay gny hahafatarasika gny fitiava, satria Kristy nanolosy gny ainy hi asika. Isika avo koa dra tokony manolosy gny aisika ho an'ireo rahalahy. 17 Fa dre iza dre iza mana gny hanagnan'izao totolo zao zao, dra mahita gny fahasahiragnan'gny rahalahiny, dra mandrindry gny fony fangorahany anazy, amin'gny fomba manao akory gny hipetraran'gny fitiavan'Agnahary ao aminazy? 18 Ry zanako malalako, ao isika sy hitia amin'gny zaka dre koa amy vava, fa amin'gny asa vo fahamarigna. 19 Avy amin'izay gny hahafatarasika fa avy amin'gny fahamarina isika, dra mampatoky gny fosika eo anatrehany isika. 20 Fa raha magnahy asika gny fosika, Zagnahary dra lahibe noho gny fosika,dra mahafatasy gny raha-iaby Izy. 21 Ry malala, raha sy magnahy asika gny fosika, dra mana fahatokisa amin'Agnahary isika. 22 Dre ino dre ino angatahisika dra ho azosika laha taminazy, satria isika mitandry reo didiny vo manao ze tiany eo anatrehany. 23 Zao gny didiny: tokony mino gny agnaran'gny Zanany Jesosy Kristy dra mifakatia isika, tahaky gny fa nagnomezany asika ze didy zay. 24 Gny raiky ze mita reo didin'Agnahary dra mitoesy ao aminazy, dra Zagnahary mitoesy ao aminazy. Amin'izay gny hahafatarasika fa izy dra mitoera ao amisika, amin'gny Fagnahy ze nomeny asika.