Toko faha 2

1 Anaka,manorasy anitahoky raha tahoky zaho ba sy hanoratandrareo. Kanefa raha misy manota,dra mana mpisolo vava isika miaraky amin'gny Ray,Jesosy Kristy, gny mary. 2 Izy gny fanavota an'ireo fahotasika, dra sy gny asika avo ,fa gny an'izao totolo zao iaby avo koa . 3 Amin'izay gny ahafatarasika fa mahafatasy Anazy isika : raha mitandina reo didiny isika. 4 Gny mizaka ho:''Mahafatasy an'Agnahary zaho'', fa sy mitandry reo didiny , dra mpavandy, dra gny mary dra sy ao aminazy. 5 Fa dre iza dre iza mitandry gny zakany, mary tokoa, dra ao amin'izay olo zay gny nagnatateraha gny fitiavan'Agnahary. Amin'izay gny ahafatarasika fa ao aminazy isika. 6 Gny raiky ze mizaka fa mitoesy ao amin'Agnahary dra tokony andeha avo koa izy tahaky gny nandehanan'i Jesosy Kristy. 7 Ry malala, sy manorasy didy vaovao ho andrareo zaho, fa didy taloha ze fa nanagnadrareo hatramin'gny fiandohany. Gny didy taliha dra gny zaka ze renandrareo. 8 Fa manorasy didy vaovao ho andrareo zaho, ze mary ao amin'i Kristy vo ao amindrareo, satria gny hezy dra mandalo , fa gny fahazava mary dra fa mamirasy . 9 Gny raiky ze mizaka fa ao amin'gny mazava izy dra malaiky gny rahalahiny dra ao agnaty hezy hatramin'izao. 10 Gny raiky ze mitia gny rahalahiny dra mitoesy ao amin'gny mazava dra sy hisy fotoa hanafitihina anazy . 11 Fa gny raiky ze malaiky gny rahalahiny ao amin'gny fahalotoa dra mandeha ao amy mezy; izy dra sy mahafatasy ze andehanany ,satria gny hezy dra fa nahapoaky gny masony. 12 Manorasy ho andrareo zaho,ry zanaka malala , satria reo fahotandrareo dra voavela noho gny agnarany. 13 manorasy ho andrareo zaho ,ry ray,satria fatasindrareo gny raiky laha tamin'gny fiandohana. Manorasy ho andrareo zaho,ry zatovo, satria niresahindrareo gny rasy. Fa nanorasy ho andrareo zaho, ry zaza maliniky , satria andrareo dra mahafatasy gny Ray. 14 Fa nanorasy ho andrareo zaho, ry ray, satria fatasindrareo ho avy amin'gny fiandohany . Fa nanorasy ho andrareo zaho, ry zatovo, satria fatrasy andrareo, dra gny zakan'Agnahary dra mitoesy ao amindrareo, dra andrareo dra fa nandresy gny rasy. 15 Ka mitia na ani'izao totolo zao na reo raha eo aminazy. Raha misy mitia ani'izao totolo zao,dra sy ao aminazy gny fitiavan'gny Ray. 16 Fa gny raha aby ze ao amin'izao totolo zao dra gny filan'gny nofo, gny filan'gny maso,dra gny fieboebon'gny fiagna-ze sy avy amin'gny Ray fa avy amin'izao totplo zao. 17 zao totolo zao vo gny fagniriany dra mandalo. Fa dre iza dre iza manao gny sitrapon'Agnahary dra hitoesy mandrakizay. 18 Ry mota, itiho lera farany. Manahaky gny fa rendrareo fa ho avy gny atikristy, amizao maro reo atikristy ze fa avy. Amin'izay gny ahafatarasika fa itiho gny lera farany. 19 Niala tamisika ereo, kanefa sy laha tamisika. Fa raha tamisika ereo dra nitoesy niaraky tamisika. Fa gny niala ereo,dra nampiboaky fa sy tamisika. 20 Fa mana fanosora laha tamy Raiky Masy andrareo, dra fatasindrareo aby gny mary. { Fanamariha: Misy dika-zaka hafa gn'ilany vaovao ze mivaky ho:''mana gny fahalala aby andrareo.''Gny dika-zaka gn'ilany taloha dra mivaky ho:''dra fatasindrareo gny raha aby.''] 21 Sy nanorasy ho andrareo zaho satria andrareo dra sy mahay gny mary, fa satria fatasindrareo zay dra sy misy vandy laha tamy mary. 22 Iza gny mpavandy fa sy gny raiky ze manda fa i Jesosy gny Kristy? Zay olo zay dra gny atikristy, gny fa manda gny Ra vo gny Zanaky izy. 23 Sy misy olo ze manda gny Zanaky dra hana gny Ra. Dre iza dre iza maneky gny Zanaky avo koa dra mana gny Ray. 24 Fa ho andrareo , ao ze rendrareo hatramin'gny fiandohana hitoesy ao amindrareo. Raha ze rendrareo hatramin'gny fiandoha gny mitoesy ao amindrareo, dra hitoesy ao amy Zanaky vo ao amin'gny Ray avo koa andrareo. 25 Zay gny fampanatena nomeny asika : dra gny fiaigna mandrakizay. 26 Fa nanorasy anizay raha zay ho andrareo zaho momban'ereo ze hinday andrareo amin'gny lala-diso. 27 Fa ho andrareo, gny hososy ze nirambesindrareo laha taminazy dra hitoesy ao amindrareo, dra andrareo dra sy mila olo mampianasy andrareo. Fa manahaky ze nampianarign'ny fagnosora andrareo gny raha aby dra mary dra sy vandy,dra manahaky ze fa nampianarin'izay andrareo, dra mitoera ao Aminazy. 28 Amizao,ry zanaky malala Izy,dra hana fahasahia isika dra sy ho megnasy eo anatrehany amin'gny fiaviany. 29 Raha fatasindrareo fa izy gny mary, fatasindrareo fa ze manao gny maty dra teraky taminazy aby.