Toko faha 9

1 Nampagneno ny trompetrany ny anjely faha dimy. Nahita kintagna avy lahatagny a dagnitra aho ijay lavo tegny amin'ny tany. Die igny kintagna igne no namena ny fagnalahidin'ny lavaka tsy hita fitaperana. 2 Nivohany ny lavaka tsy hita fitaperana,ary niakatra ny setroka nivôka avy tao amin'ny lavaka hôtran'ny setroka mivôka avy amin'ny lafôro lehibe. Niova ho maloka ny masoandro sy ny rivotra nohon'ny setroka nivôka tao an-davake. 3 Avy amin'ny setroka no nieven'ireo valala teto ambon'ny tany, ary namena hery hôtran'ny hala teto ambon'ny tany ijy ireo. 4 Nijakaina ijy ireo ba tsy hanimba ny ahitra teto ambon'ny tany na ireo java-maniry metso na hajo, fa ireo olo ijay tsy managna tombokasen'Andriamanitra irery mandy no ajon'ijy ireo ampijalena. 5 Tsy nahajo alalagna ny hamono ireo olo ireo ijy ireo, fa hampijaly anajy ireo mandritra ny dimy volagna mandy. Ny fahararen'ijy ireo die hôtran'ny kekitra hala laha efa mamele olo. 6 Amin'io andro io die handremby fahafatesana ny olo, fa tsy hahita an'ijany. Hagniry ny ho maty mafy die mafy ijy ireo, nefa hilefa anajy ireo ny fahafatesana. 7 Hôtran'ny sôvaly nomagnina tamin'ny ady ireo Apanga. Tamin'ny lohan'ijy ireo die nisy raha hôtran'ny satro-bolamena, ary ny vatagn'ijy ireo die hôtran'ny vatagn'olombelogna. 8 Nanagna volo hôtran'ny volom-biavy ijy ireo, ary ny nifin'ijy ireo die hôtran'ny nifin'ny Liogna. 9 Nanagna ferovan-tratra hôtran'ny ferovan-tratra vy ijy ireo , ary ny feon'ny elatr'ijy ireo die hôtran'ny feon'ny kalesa sy sôvaly rahabe mihajakajaka ho agny amin'ny ady. 10 Nanagna rambo nisy fanindrognana hôtran'ny hala ijy ireo; ao amin'ny rambogn'ijy ireo no misy ny hery hanimba ny olo nandritry ny dimy volagna. 11 Nanagna mpanjaka ijy ireo die le anjelin'ny lavaka tsy hita maso. Ny agnarany tamin'ny jaka Hebreo die Abadona, ary ny agnarany tamin'ny jaka Grika die i Apolyona. 12 Lasa ny loja vôlohany. ka, afaran'ijao die bola hisy loja rolahiteo ho avy. 13 Nampagneno ny trompetrany le anjely faha enina, arynaharegny ny feo ni ôke avy tamin'ny tandroky ny alitara volamena ijay efa nisy teo agnatrehan'Andriamanitra aho. 14 Ary nijaka tamin'ilay anjely fahe enina ny feo magnano hoe: ''Avotory ireo anjely efatra ijay mifehy agny amin'y renirano lehiben'ny Eofrata.'' 15 Ireo anjely efatra ijay efa nomagnina tamin'ijany lera ijany, ijany andro ijany, ijany volagna ijany ary ijany taogna ijany, die navosotra ba hamono ny ampahatelon'ny olombelogna. 16 Ny isan'nymiaramila nideba sôvaly die 200,000,000. Naharegny an'ireo isa ireo aho. 17 Hôtran'ny jany ny fomba nahitako ireo sôvaly tao amin'ny fahitako sy ireo je nideba teo amin'ijy ireo die mirehitra mena, manga antitra ary solifara mavo. Nitovy tamin'ny lohan'ireo liogna ny lohan'ireo sôvaly, ary ny nivôka avy tamin'ny vavan'ijy ireo die afo, setroka ary solifara. 18 Ary ny ampahatelon'ny olo die matin'ireo loja telo: ny afo, ny setroke ary ny solifara ijay nivôka avy tao ambavan'ijy ireo. 19 Fa ny herin'ireo sôvale die avy tao amin'ny vavan'ijy ireo sy tamin'ny rambombogna andro, fa ny rambogn'ijy ireo die hôtran'ny biby lava ary nanagna loha afaka mamôratra olo ijy ireo. 20 Ny ambin'ireo olo, ireo jay sisa tsy matin'ireo loja, die tsy nibebaka tamin'asa ijay vitandreo, na nijanogna nanompo ireo sampy sy demony volamena, volafotsy, varahigna, vato, ary hajo, ireo raha jay tsy hita maso, regny, na mandeha. 21 Ijy ireo die bola tsy nibebaka tamin'ny asa famonôna, ny famosaven'ijy ireo, ny fijangajangana ny ireo asa famosaven'ijy ireo