Toko faha 10

1 Aviteo aho die nahita anjely mahery hafa nidigna avy agny an-dagnitra. Tao agnaty rahogna ijy, ary nisy havagna teo ambon'ny lohany. y tarehiny die miendrika masoandro, ary ny hongony die tahaka ny andry afo. 2 Mitagna horognan-taratasy bitike mivelatra amin'ny tagnany ijy, ary mametraka ny hongony havanana amin'ny ranomasina sy ny hongony havia amin'ny tany. 3 Aviteo ijy die nihieke tamin'ny feo maharé hôtran'ny fierognerognan'ny Liogna. Laha efa nihieka ijy die nikotroka maharé tamin'ny feony ny kotroka fito, 4 Laha efa nikotroka ny kotroka fito,die teo andalam-panoratana aho, fa naharegny feo avy lahatagny andagnitra aho nijaka hoe: ''Tano ho tsembaratelo ijao nijakain'ny kotroka fito ijao. Aja soratana ijany.'' 5 Aviteo ny anjely hitako nijangagna teo ambony ranomasina sy teo amin'ny tany, nanandratra ny tagnany havanana tagny an-dagntre. 6 Ijy nianinana tamin'ny Ray ijay velogna mandrakijay doria, Ijy namorogna ny lagnitra sy je rehetra ao amin'ijany, ary ny ranomasina sy je rehetra ao agnatin'ny ijane, ary ny anjely nijaka hoe: ''Tsy hisy fembenana koa. 7 Fa amin'ny andro raike laha efa hampagneno ny trompetrany ny anjely fahafito, die ho tanteraka ny misiterin'Andriamanitra, hôtran'ny tamin'ny nagnambarany tamin'ny mpanompony.'' 8 Die ny feo regniko avy lahatagny a dagnitra nijaka taminahy indraika koa hoe: ''Mandihana, alay ny horognan-taratasy mivelatra ijay egny antagnan'ny anjely mitsangagna eo ambon'ny ranomasina sy ambon'ny tany'' 9 Aviteo die nenga tagny amin'ny anjely aho ary nijaka anajy ba hagnome anahy ny horogna-taratasy bitike. Hoy ijy taminahy: ''Reso ny horognan-taratasy ary hano. Hampafaika ny ao an-trokanao ijany, fa ao agnaty vavanao koja die ho mamy hôtran'ny tintely.'' 10 Nalaiko tami'ny tagnan'ny anjely ny horognan-taratasy bitike ary nihoaniko ijane. Mamy hôtran'ny tintely tao ambavako ijane, fa tafaran'ny nihinanako anajy, die nanjary nangidy ny tao an-trokako. 11 Aviteo nisy olo raike nijaka taminahy hoe: ''Tsy mentsy maminagny indraika anao makasika ireo olo rahabe, ireo firenena, ireo fijakana ary ireo mpanjaka.''