Toko faha 11

1 Namena folontara ba hampesaina tahaka ny tehigna aho. Nijakaina taminahy hoe: ''Mitsangana ary metary ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary ireo je nivavaka ao. 2 Fa aja metarina ny kianja eo ambohon'ny Tempoly, fa namena an'ireo Jentilisa ijany. Handidia ny tanàna masigna nandritry ny roa ambin'ny efapolo volagna ijy ireo. 3 Hameko an'ireo vavolombelogna roa ny fahefana haminagny mandritry ny 1,260 andro, nisikigna lamba fisôgnana.'' 4 Ireo vavolombelogna ireo die hojon'olova roa sy ny fitoeran-jiro roa ijay nitsangagna teo teo agnatrehan'ny Tompon'ny tany. 5 Laha misy olo misafidy ny handratra anajy ireo, die nivôka afo ny vavan'ijy ireo ka hihinagna ireo fahavalon'ijy ireo. Na ija na ija magniry ny handratra anajy ireo die tsy mentsy hivonina amin'ijany fomba ijany. 6 Ireo vavolombelogna ireo die managna fahefana hagnidy ny lagnitra ba tsy hilatsahan'ny erika mandritry ny andro haminagnen'ijy ireo. Manam-pahefana ijy ireo hagnova ny rano ho rà sy hamely ny tany amin'ny karajagna loja manontolo na ovena na ovena irin'ijy ireo. 7 Laha efa ho vita ny fijorôn'ijy ireo vavolombelogna, die miakatra avy agny agnaty lavaka tsy hita fitaperana ny bibidia hiady hanohitra anajy ireo. Handresy anajy ireo Ijy ary hamono anajy ireo. 8 Hiampatra egny amin'ny lalagnan'ny tanàn-dehibe ny fatin'ijy ijy ireo (ijay antsoina koa hoe Sodoma sy Egypta) ijay namantsihana ny Tompon'ijy ireo. 9 Hijery fatin'ijy ireo mandritra ny telo andro sy tapagny ny olo, ny foko, fijakana, ary ny firenena manontolo. Tsy havelan'ijy ireo apetraka ao am-pasagna areo. 10 Ireo ijay miaigna ambon'ny tany die hifaly amin'ijy ireo ary hankalaja. Hifandefa fagnomejana mihitsy aja ijy ireo satria nampijaly ireo jay miaigna ambon'ny tany ireo mpaminagny roa ireo. 11 Fa afaka telo andro sy tapagny die hiditra ao amin'dreo ny fofon'aigna avy amin'Andriamanitra, ary nijoro amin'ny tongony areo. Hilatsaka amin'ny ijay mahita ny tahotra lehibe. 12 Aviteo die haharegny feo avy agny andagnitra ijy ireo mijaka anajy hoe: ''Mekara teo!'' Aviteo die hiakatra ho agny andagnitra ao agnaty rahogna ijy ireo, laha bola mijery tagny ireo fahavalon'ijy ireo. 13 Amin'ny ijany lera ijany die hisy horohoron-tany maharé, ary hirodagna ny ampahafolon'ny tanàna. Fito arivo ny olo ho maty amin'ny horohorontany, ary ho rekitahotra ireo olo sisa tsy maty ary hagnome voninahitra an'Andriamanitry ny lagnitra. 14 Lasa ny loja faharoa. Ka, avy malaky ny loja fahatelo. 15 Aviteo die nampagneno ny trompetrany ny anjely fahafito, ary nisy feo maharé nijaka tagny andagnitra magnano hoe: ''Hanary fa jakan'ny Tompotsena sy ny Kristine ny fanjakan'ijao tontolo ijao. Ijy no hanjaka mandrakijay doria.'' 16 Aviteo ireo loholona efatra ambin'ny rôpolo ijay nitoboka tamin'ny seja fiendriagnan'ijy ireo teo agnatrehan'Andriamanitra die nampekohoka ny tegnan'ijy ireo. Nankalaja an'Andriamanitra ijy ireo. 17 Hoy areo: ''Magnome fisôrana ho anao ahay, ry Tompo, Andriamanitra Tsitoha, ilay ankehitriny sy taloha, satria nangala ny herinao lebibe anao ary nanomboka nanjaka. (Fagnamarihana: Ny saragny amin'ireo dika teny taloha die mivaky hoe: ny mpanapaka ny manontolo, ny ankehitriny sy taloha, ary ny ho avy, fa ny dika teny amin'ijao fotôgna ijao tsy hôtran'ny jany 18 Vignitra be ireo firenena, k'anefa avy ny fahavigniranao. Avy ireo fotôgna hitsarana ny maty sy hamalenao soa ireo mpaminagny mpanomponao, na ny tsy manan-danja na ny mahery. Avy ny fotôgna ijay handringananao ireo je manimba ny tany.'' 19 Aviteo die nivoha ny tempolin'Andriamanitra tagny an-dagnitre ary hita ny fiaran'ny fagnekena tao agnatin'ny tempoliny. Nisy tsela-pahajavana, kotroka, kotrok'erika, horohoron-tany, havandra angeja tao.