Toko faha 12

1 Famantarana lehibe no hita tagny an-dagnitre: viavy nitafy ny masoandro, ary ny volagna teo ambanin'ny tongony, ary satro-boninahitre vita tamin'ny kitagna roa ambin'ny folo no teo amin'ny lohany. 2 Betroke ijy, ary nihiaka mahare fa efa ho teraka, ao anatin'ny fihetsehan-jaja. 3 Avy eo nisy famantarana hafa nibôke tagny an-dagnitre: Indro! nisy dragona mena angejabe ijay nanagna loha fito teo amin'ireo lohany. 4 Ny rambony die nifaoke ny ampahatelon'ny kintagna tagny an-dagnitre sady nanipy an-dreo tegny amin'ny tany. Ilay dragona nitsangagna teo alohan'ilay viavy ijay efa ho terake, ka laha terake ijy, die afake handrapaka ny janany ijy. 5 Niterake jajalahy ijy, ijay hanapake ny firenena abiaby miarake amin'ny tehim-by. Ny janany die nalaina an-kerine ho agny amin'Andriamanitra sy ho eo amin'ny seja fiandriagnany, 6 ary ilay viavy die nilefa nenga agny agn'efitre, ijay nisy toerana efa nomanin'Andriamanitra ho an'ajy, koa die ho vôkarakara mandritry ny 1260 andro ijy. 7 Ary nisy ady tagny an-dagnitre. Mikaela sy ireo anjeliny die niady tamin'ilay dragogna; ary ilay dragogna sy ny anjeliny die namaly ady. 8 Fa tsy die natanjake ilay dragogna ka tsy naharese. Koa tsy nisy toerana ho an'ajy sy ireo anjeliny koa tagny an-dagnitre. 9 Ilay dragogna lehibe - ijay menaragna ela nantsoina hoe devoly na Satana, ilay namitake an'ijao tontolo ijao-die natsipy tegny ambonin'ny tany, ary ireo anjeliny die natsipy niaraka tamin'ajy. 10 Avy eo naharegne feo mahare avy agny an-dagnitre Iaho:" Ankehitriny die tonga ny famonjena, ny hery, ny fanjakan'Andriamanintsena ary ny fahefan'i Kristy. Fa ny mpiampanga ny rahalahintsena die natsipy tagny ambany, ilay raike ijay miampanga an-dreo andro aman'aligna eo ankatrehan'Andriamanintsena. 11 Areo die naharese an'ajy tamin'ny ràn'ny Janak'ondry sy tamin'ny jaka fijoron-dreo vavolombelogna, fa tsy nankamamy ny fiainany koa areo na die ho faty aja. 12 Noho ijany, mifalia, anareo ry lagnitre, sy ijay abiaby monigna ao amin'ajy. Fa mitandrema ny amin'ny tany sy ny ranomasina satria ny devoly die nijotso tegny aminareo. Feno havignirana ijy, satria fantany fa fotôgna fohy sisa no hanagnany. 13 Laha nahafantatre ilay dragona fa nadaboke tamin'ny tany ijy, die nagnejike ilay viavy niterake jajalelahy ijy. 14 Fa ilay viavy die nomena elatre roan'ny voromahere lehibe, ka die afake nagnembogna nenga agny amin'ilay toerana nokarakaraina ho an'ajy tagny agn'efitre.Io ilay toerana hitsinjovana an'ajy, mandritry ny telo taogna sy tapany- mba tsy ho hitan'ilay menaragna. 15 Namôke rano hôtran'ny ranobe tamin'ny vavany ilay menaragna, ijay hifaoke an-draviavy. 16 Fa ny tany nagnampy an-draviavy. Nosokafan'ny tany ny vavany ary die nateligny ny riake ijay navoakan'ny vavan'ilay dragona. 17 Ary vignitre tamin-draviavy ilay dragogna ka niala ary nandrembe ady tamin'ny ambin'ireo taranagny, ijay mankàto ny didin'Andriamanitra ary mitagna ny fijoroana vavolombelogna momba an'i Jesôsy. 18 Avy eo nitsangagna teo ambonin'ny fasiky ny ranomasigna ilay dragogna.