Toko faha 13

1 Ary nahita bibi-dia iaho niakatre avy tamin'ny ranomasina. Nanagna tandroke folo ijany ary loha fito. Teo amin'ny tandrony die nisy diadema folo, ary teo amin'ny lohany die nisy agnarana fijakan-dratsy aby. 2 Ilay bibi-dia ijay hitako die hôtran'ny leoparda. Ny tongony die hôtran'ny tongotra bera, ary ny vavany die hôtrin'ny vavan'ny liogna. Ilay dragogna nagnome an'ajy ny heriny, ny seja fiandrianagny, ary ny fahefany lehibe hanapaka. 3 Ny lohan'ny bibi-dia die raike hôtran'ny efa maty, kanefa sitragna ilay bay fery seky nahafaty an'ajy. Ary gaga ny tany abiaby ka nagnaraka ilay bibi-dia. 4 Ary die niankohoka teo amin'ilay dragogna areo, satria ijy no nagnome ny fahefany ho an'ny bibi-dia. Niankohoke teo amin'ilay bibi.-dia, koa, areo, ary nijaka hoe: '' Ija no hôtrin'ny bibi-dia?'' ary '' Ija no afake miady amin'ajy?'' 5 Nomena vava ijay afake mijaka fireharehana sy fijakan-dratsy ilay bibi-dia. Nomena alalana ijy mba hampihatra fahefana mandritran' ny efatra ambi-efapolo volana. 6 Ary nanokatre ny vavany hijaka ratsy an'Andriamanitra ilay bibi-dia: nijaka ratsy ny agnarany, ny toerany ijay honegnany ary ireo ijay midoboke ao an -dagnitre. 7 Navela hiady tamin'ireo mpino ary handrese andreo ilay bibi-dia. Ary koa, ny fahefana die nomena an' ajy magnerana ny foko, ny olo, ny fijakana, ary ny firenena abiaby. 8 Hiankohoke eo amin'ajy ireo abiaby ijay monigna ambonin'ny tany, ireo ijay vôsoratre agnarana, nandritran'ny famorognana ijao tontolo ijao, ao amin'ny Bokin'ny Fiagnana,ijay an'ny Zanak'ondry, ijay efa novonoina. 9 Laha misy manan-tsofigna, ôka ijy hiteno. 10 Laha misy nalaina babo, die handeha amin'ny fahababoana ijy. Laha misy novonoina tamin'ny sabatre, amin'ny sabatre no hamonoana an'ajy. Ity no antso ho an'ny faharetana ary finoana ho an'ireo ijay masina 11 Ary nahita bibi-dia hafa iaho niakatre avy tamin'ny tany. Ijany die nanagna tandroke roe hôtrin'ny janak'ondry, ary nijaka hôtrin'ny dragogna. 12 Nampihariny abikoa ny fahefana abiaby an'ilay bibi-dia vôlohany eo anatrehany, ary ny tany sy ireo ijay monigna eo amin'ajy die asainy miankohoke eo amin'ilay bibi-dia vôlohany- ilay iray ijay sitragna tamin'ny fery seky nahafaty an'ajy. 13 Nagnano fahajedagnana rahabe lehibe ijy. Nampijotso afo avy any an-dagnitra ho amin'ny tany teo alohan'ny olo. 14 Tamin'ny alalan'ny famantarana die nomena alalagna hagnano ijany, namitake an'ireo ijay monigna ambonin'ny tany ijany. Nijaka tamin-dreo ijany mba hagnambotre sary ho voninahitry ny bibi-dia ijay voaferin'ny sabatre nefa velogna 15 Navela asiana aigna ny sarin'ny bibi-dia mba ahafahan'ilay sary mijaka ary ijay abiaby tsy magneky miankohoke amin'ilay bibi-dia die novonoina. 16 Nanery ny kiraidraike mandy koa ijany, na ny bitike na ny lehibe, na ny manankarena na ny mahantra, na ny tsy andevo na ny andevo, die mandray marike eo amin'ny tagnana ankavanana na eo amin'ny handrigna. 17 Tsy hisy olo mahajo mividy na mivarotre mandra-pahajony ny mariky ny bibi-dia, ijany die ny isan'ny fanehoana ny agnarany. 18 Ijany die mitaky fahendrena. Laha misy olo manan-tsaigna, ôka ijy hagnisa ny isan'ny bibi-dia. Fa ijany die isan'ny olo. ijany isa ijany die 666