Toko faha 14

1 Nijery aho ary nahita ny Janak'ondry nitsangagna teo amin'ny tendrombohitry Ziona. Niaraka tamin'ireo 144.000 ijay nanagna ny agnarany sy ny agnaran'ny Rainy vôsoratra eo amin'ny handrign'ijy ireo. 2 Naharegny feo avy agny andagnitra hôtran'ny fihorohoron'ny rano rahabe sy kotroka maharé aho. Ny feo regniko mandy koa die hôtran'ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany. 3 Nihira hira vôvao teo alohan'ny seja fiendriagnana sy teo alohan'ireo raha managnaigna efatra sy ireo loholona ijy ireo. Tsy nisy na ija na ija afaka nianatra ny hira afa tsy ireo 144.000 ijay nividina avy teto an-tany mandy. 4 Ireo die olo ijay tsy nandoto ny tegnan'ijy ireo tam-biavy, fa nitagna ny tegnany madio tamin'ny nofo ijy ireo. Ijany die ijay nagnaraka ny janak'ondry na aja na aja nandihanany. Ijy ireo die efa nividina avy tamin'ny olombelogna hôtran'ny vôloham-bokatra hôn'Andriamanitra sy hôn'ny janak'ondry. 5 Tsy nisy vandy hita teo amin'ny molotr'ijy ireo, tsy manan-tsigny ijy ireo. 6 Nahita anjely hafa nagnembogna ambony aho, ijay nanagna ny hafatra mandrakijain'ny vôvao mahafaly hilajaina amin'ireo ijay miaigna ambon'ny tany, amin'ny firenena, foko, fijakana, ary ny olo manontolo. 7 Nangaika tamin'ny feo maharé ijy hoe: ''Matahora an'Andriamanitra ary magnomejà voninahitra Anajy. Fa avy ny leran'ny fitsarany. Mivavaha Aminajy, ny iray ijay nagnano ny lagnitra, ny tany, ny ranoasina, ary ny loharano.'' 8 Nisy anjely hafa, ny anjely faharoa, nagnaraka nijaka hoe: ''Lavo, lavo Babylôna lehibe, ijay nandresy lahatra ny firenena manontolo ba hinogna ny divain'ny fito-drategna malotony.'' 9 Nisy anjely hafa, anjely faha telo, nagnaraka anajy ireo, nijaka tamin'ny feo maharé hoe: ''Laha misy mivavaka amin'ny bibidia sy ny sariny, ary mandray ny marika eo amin'ny handrigny sy ny tagnany, 10 die hinogna ny sasagny amin'ny divain'ny fahavigniran'Andriamanitra mandy koa ijy, divay tsy niharo ijay narotsaka tao agnaty kapôkan'ny fahavignirany. Ny olo je minogna anijany die hampijalena amin'ny afo sy solifara eo alohan'ireo anjely masin'Andriamanitra sy eo alohan'ny Janak'ondry. 11 Ny setroka avy amin'ny fijalen'iny ireo die hiakatra mandrakijay doria, ary tsy manam-pijanognana andro sy aligna ijy ireo, ireo mpanompon'ny bibidia sy ny sariny, ary ny olo manontolo ijay mandray ny mariky ny agnarany. 12 Itoy die haike hôn'ny faharetana maharitr'ireo je masigna, ireo je mankatò ny didin'Andriamanitra ary mino an'i Jesosy.'' 13 Naharegny feo avy agny andagnitra aho nijaka hoe: Soraty ijao: Tratrika ny maty, ijay maty ao amin'ny Tompo.'' ''Eka, hoy ny fagnahy,'' ba hahafahan'ijy ireo hiala vijaka amin'ny asan'ijy ireo, fa ny vitan'ijy ijy ireo die hagnaraka andreo.'' 14 Nijaha aho, ary nisy rahogna fotsy. Nipetraka teo amin'ny rahogna ny raike hôtran'ny Janak'olo. Nanagna satro-boninahitra volamena teo amin'ny lohany sy fambilejana marangitra egny antagnany ijy. 15 Die nisy anjely hafa nivôka ny tempoly ary nangaika tamin'ny feo maharé an'le nipetraka teo amin'ny rahogna nagnano hoe: ''Reso ny fambilejana ka manomboha mambely. Fa avy ny fotôgna hambilejana, satria masaka ny vokatry ny tany.'' 16 Ary ny raike jay nipetraka teo amin'ny rahogna nampandroso ny fambilejany teto an-tany, ka nambilejina ny tany. 17 Nisy anjely hafa nivôka tao an-tempoly tagny andagnitra; nanagna fambilejana marangitra hiany koa ijy. 18 Bola nisy anjely hafa mandy koa nivôka avy tao amin'ny alitara fagnorôna ditin-kajo magnitra, ijay nanagna fahefana amin'ny afo. Nangaika tami'ny feo maharé an'ireo je nanagna fambilejana marangitra ijy Joe: ''Reso ny fambilejana marangitra anareo ary avorovoroy ireo rantsagna vôloboka avy amin'ny vôloboky ny tany, fa ireo vôloboka die efa masaka ijao.'' 19 Nampandroso ny fambilejany tamin'ny tany ny anjely ary namory ny vokatra ny vôloboky ny tany. Natsipiny tao agnatin'ny famiajam-bôloboka lehiben'ny fahavigniran'Andriamanitra ijany. 20 Ny famiajam-bôloboka die nididiana tagny ambohon'ny tanàna, ary ny rà die nilatsaka avy ao ami'nijany ka avy ao amin'ijany ka tonga hatregny amin'ny haambon'ny lamboridin-tsôvaly, ijay 1.600 stadio.