Toko faha 15

1 Avy teo die nahita famantarana hafa tegny amin'ny lagnitra iaho, lehibe sy mahajendagna: Nisy anjely fito miaraka amin'ny loja, ijay loja farany indrindra, fa amin'dreo no hahatanteraka ny havigniran'Andriamanitra. 2 Nahita ijay niseho tamin'ny ranomasina fitaratra namperahina tamin'ny afo iaho. Nitsangagna teo akekin'ny ranomasina ireo ijay nandresy an'ilay bibidia sy ny sarine, sy ny isa maneho ny agnarane. Areo die nitajogna harpa nomen'Andriamanitra an'dreo. 3 Areo nihira ny hiran'i Mosesy, ilay mpanompon'Andriamanitra, ny hiran'ny Janak'ondry hoe: "Lehibe sy mahajendagna ny asanao, Tompo Andriamanitra, ilay Avo indrindra. Marina sy mahitsy ny lalagnao, ry Mpanjakan'ny firenena. 4 Ija no tsy hahatahotra Anao, ry Tompo, sy hagnome voninahitra ny anaranao? Fa Anao rery no masina. Ny firenena rehetra ho avy sy hivavake eo agnatrehanao satria ny asanao marina die efa nambara." 5 Tafaran'io javatra io iaho die nijaha, ary nisokatra tegny amin'ny lagnitra ny fengonana ijay managna lain'ny fijoroana vavolombelogna. 6 Nivôka avy tao amin'ilay toerana masina indrindra ireo anjely fito mitajogna ny loja fito. Areo die mekanjo madio, lamba rongony mamiratre sy misy fehin-kibo volamena magnodidigna ny tratran'dreo. 7 Raike tamin'io java-manan'aigna efatra magnome an'io anjely fito lovia volamena fito feno ny fahavigniran'Andriamanitre, ny velogna mandrakijay doria. 8 Feno setroka avy amin'ny voninahitr'Andriamanitra sy avy amin'ny heriny ny fengonana.Tsy misy na ija na ija afaka miditra ao mandra-pahatanteraky ny loja fiton'ny anjely fito.