Toko faha 16

1 Naharegny feo mahare nagnatso laha tao an-tempoly iaho die nijaka tamin'ny anjely fito hoe: ''Mandihana die araraho amin'ny tant ireo lovia fito feno ny havigniran'Andriamanitre.'' 2 Lasa ny anjely vôlohany die nandrarake ny tao an-doviany tamin'ny tany; ratra ratsy sy maharary no tonga tamin'olo ijay lanagna ny mariky ny bibi-dia, ijay nankalaza ny sariny. 3 Ny anjely faharoa nandrarake ny tao an-doviany tamin'ny ranomasin. Lasa rà ijany, hôtra ny ràn'olo maty, die maty ny raha-mana'aina aby tao an-dranomasina. 4 Ny anjely fahatelo nandrarake ny tao an-doviany tamin'ny ont sy loharano, die lasa rà Areo. 5 Regniko ny anjelin'ny rano manao hoe: ''Marina Anao _ ny ankehitriny sy taloha, ny raike Masina_satria efa nitsara ny raha reo Anao.(Fagnamarihana: Ny antontan-taratasy saragny taloha die mamaky hoe: ''Marina Anao, Tompo_ny ankehitriny sy taloha ary ho avy, satria efa nitsara ny raha reo Anao.'') 6 Satria ny ràn'ny mpino sy mpaminany no nalatsakan'dreo, die nomenao rà ho nomina an-dreo; ijany no mendrika an-dreo.'' 7 Regniko ny alitara namaly hoe: ''Ieka, Tompo Andriamanitra lehibe, ny fitsaranao die marina sy mahitsy.'' 8 Ny anjely fahefatre nandrarake ny tao an-doviany tamin'ny masoandro, die nahazo alalana handoro ny olo amin'ny afo ijany. 9 Main'ny hafanana be an-dreo, die nijaka ratsy ny anara'Andriamaintra, ijay manana ny fahefana amin'reo loza ireo. Tsy nibebake an-dreo na'nagnome voninahitre Anajy. 10 Avy eo ny anjely fahadimy nandrarake ny tao an-doviany tamin'ny seza fiandrianan'ny bibi-dia, die nandrakotre ny fanjakany ny hezigna. Nitsako ny lelany an-dreo nohon'ny fahoriana. 11 Nijaka ratsy ny Andriamanitry ny lagnitre an-dreo nohon'ny fahoriana sy ratran'dreo, die mbola nandà ny hibebake amin'ijay vitan'dreo mandy an-dreo 12 Ny anjely faha-enina nandrarake ny tao an-doviany tamin'ny ony angeza, ny Eofrata.Noritina ijany mba hagnomagnana ny lalana ho an'ny mpanjaka ijay ho tonga avy any antsinana. 13 Nahita fanahy maloto telo iaho ijay niendrika babaka mivôka avy agny am-bavan'ny dragona , avy agny am-bavan'ny biby-dia, die avy amin'ny vavan'ny mpaminany sandoka. 14 Fa fanahin'ny devoly manao famantarana mahajendagna an'dreo. Nankany amin'ireo mpanjakan'ijao tontolo ijao an-dreo mba hanangona an-dreo ho an'ny adin'ny andro lehiben'Andriamanitra Avo indrindra 15 (''Indro! Avy hôtra ny mpangalatre Iaho! Sambatre ijay miambigna, miarony fitafeny mba tsy hivôke mitanjaka ijy die hitan'dreo hegnatrany.'') 16 Nindaon-dreo niarake tagny amin'ny toerana antsoina hoe Hara-magedona amin'ny Hebreo an-dreo. 17 Avy eo ny anjely fahafito nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny rivotre. Die nisy feo mahare novôke laha tao an-tempoly sy laha tamin'ny seza fiandrianana Magnano hoe: '''Vita ijany!'' 18 Nisy tselatre, kotroke, kotro-baratre, die horohoron-tany mahare _ horohoron-tany angeza noho ijay efa nitranga hatramin'ijay nisian'olo teto an-tany, ka die mafy ijany horohoron-tany ijany. 19 Vaky ho fizarana telo ny tanàna angeza, die rava ny tanànan'ireo firenana. Avy eo Andriamanitre nagnatso mba hahatsiaro an'i Babylona angeza, die nomene ijany tanàna ijany ny kapôke feno divay vita laha tamin'ny firehetan'ny favignirany. 20 Nanjavogna ny nosy aby die tsy hita koa ny tendrombohitre. 21 Nisy havandra angeza, milanja eo amin'ny talenta raike eo, nidigna laha tagny an-dagnitre ho amin'ny olo. Nagnojogna an'Andriamanitre an-dreo nohon'ny loza laha tamin'ny havandra satria tena mafy lôtre ijany loza ijany.