Toko faha 17

1 Ny raika tamin'ireo anjely fito ijay nitagna ireo lovia volamena fitonagnantogna sy nijaka taminahy hoe: ''Malaky, hatoroko anao ny sajin'ny mpijangajanga lehibe ijay mipetraka ambony rano rahabe. 2 Niaraka taminaje no nampijangajanga an'ireo mpanjakan'ny tany. Ny divain'ny fijangajangany no nahamamo ireo mponignan'ny tany.'' 3 Aviteo ny anjely nitondra anahy tamin'ny fagnahy tagny amin' ny tany maigna, ary nahita viavy nitoboka teo ambony bibidia mena ijay feno agnarana jaka ratsy aho. Ny bibidia die managna loha fito sy tandroka folo. 4 Ary ny viavy teo die nekanjo voloparasy sy mena ary nivakagna volamena, vato sarobidy, ary vatosoa. Ijy die nitagna tamin'ny tagnany kapôka volamena feno ireo raha mampadikidiky sy ireo tsy fahadiovan'ny fijangajangany. 5 Teo amin'ny handrigny no nisy agnarana managna dikany miafigna vôsoratra hoe: ''Babilona lehibe, die ny iendrin'ny mpijangajanga sy ny raha mampadikidikin'ny tany.'' 6 Nahita aho fa le viavy die mamon'ny ràn'ny mpino sy ny ràn'ireo martiry hôn'i Jesosy. Laha efa nahita anajy aho die tena nalahelo. 7 Fa ny anjely nijaka taminahy hoe: Magnino no malahelo anao? Hajavaiko aminao ny dikan'ny viavy sy ny bibidia ijay mitondra anajy, ny bibidy jay managna loha fito sy tandroka folo. 8 Ny bibidy je hitanao die misy fa tsy misy ankehitriny, fa andala-pekarana avy agny amin'ny farany amban'ny lavaka tsy hita fitaperany. Aviteo die ho agny amin'ny fahasimbana ijany. Ireo je miaigna ambon'ny tany, ireo je tsy vôsoratra ao amin'ny boky ny fiegnana hatramin'ny ranomasina an'ijao tontolo ijao ny agnarany, ho gaga ijy ireo raha efa hahita fa ny bibidia die misy, fa tsy misy intsony ankehitriny, fa andalam-pihavena. 9 Mangaika saigna je manampahendrena ijany. Ireo loha fito die vohitra fito ijay hipitrahan'ny viavy. 10 Ijy ireo hiany koa die mpanjaka fito. Mpanjaka dimy no lavo, raika no misy, ary ny hafa die bola tsy avy; laha efa avy ijy, die fepotôgna kely mandy no hitoerana. 11 Ny bibidy je misy, fa tsy misy ankehitriny, mpajanka faha valo ijy, ary ho agny amin'ny fahasimbana. 12 Ireo tandroka folo jay hitanao die mpanjaka folo ijay bola tsy nandray fanjakana, fa hahajo fahefana tahakan'ny mpanjaka miaraka amin'le bibidia mandritry ny adiny raike ijy ireo. 13 Firesan-saigna ijany, ary ijy ireo die hagnome hery sy ny fahefan'ijy ireo an'le bibidy. 14 Hanangagna ady hanohitra ny janak'ondry ijy ireo. Fa ny janak'ondry no mandresy anajy ireo satria Ijy no Tompon'ny ny tompo, ary mpanjakan'ny mpanjaka ary miaraka amin'ireo vôantso, ireo vôfidy, ary ireo manam-pinôna.'' 15 Hoy ny anjely taminahy: ''Ireo rano je hitanao, teo amin'le nipetrahan'ile mpijangajanga, no olo, vondron'olo, firenena ary fijakana 16 Ireo tandroka folo jay hitanao, ijy ireo sy le bibidia die hankahala ireo mpijangajanga. Hataondreo ho etsaka sy milongalonga ijy, handrota ny nofony ijy ireo, ary hagnoro anajy tanterake agnaty afo. 17 Fa Andriamanitra die efa nagnabela ijany tao agnatin'ijy ireo ba nagnatanteraka ny fikasany amin'ny fagneken'ijy ireo hagnome ny herin'ijy ireo hagnome ny herin'ijy ireo hito drana ilay bibidia mandrapahatanteraky ny jakan'Andriamanitra. 18 Ary raviavy, le hitanao no tanàna lehibe ijay manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany.''