Toko faha 18

1 Tafaran'ny raha io die nahita anjely hafa jay nijotso laha tagny an-dagnitre iaho. Nanagna fahefana lehibe ijy, die namirapiratre nohon'ny voninahiny ny tany. 2 Nikoke tamin'ny feo mahare ijy,nijaka hoe: ''Lavo, lovo ny Babylona angezabe! Lasa tonga toeram-ponenan'ny demony,fialofana ho an'ny fanahy'maloto, die felofana ho an'ny reo vorogna maloto sy marikoriko aby. 3 Fa ny firenena aby die ninogna ny dovain'ny fitondran-tegna malotony.Ireo mpivarotra ny tany die tonga mpanan-karena tamin'alalan'ny fomba fiainany amin'ny nofo.'' 4 Avy teo die naharegny feo hafa laha tagny an-dagnitre iaho, mijaka hoe: ''Mialà aminy, ry oloko, mba tsy hijarany ny fahotany ao aminareo, die mba tsy hahajahoanareo ny lojany. 5 Efa nivory hôtra ny hahambon'ny lagnitre ny fahotany, die Andriamanitre mahatsiarony asa ratsiny. 6 Mamalia anajy hôtranny namalian'ny hafa, die valio avy roa heny ijay efa vitany;tao amin'ny kapôke ijay efa nofenoiny, die fenoy avy roa heny ho anajy. 7 Hôtra anajy nagnome voninahitre ny tegnany sy niaigna tamin'ny tsy fiafiana, omeo anajy ny fampijaliana sy ny alahelo antognina anajy. Fa ijy nijaka tao am-pony nagnano hoe: 'Nipetrake hôtra ny mpanjaka vavy iaho. Tsy maty vady iaho, die tsy hisaogna mandrakijay.' 8 Noho ijany die ho tonga amin'ny andro raike ny aretigna mandripakany: ny fahafatesana, ny fisaonana, die ny mosary. Horoan'ny afo ijy, fa ny Tompo Andriamanitra die mahery, die ijy no mpitsara anajy.'' 9 Ny mpanjakan'ny tany jay nijangajanga sy nandeha tsy am-pieritreretana niarake taminajy die hitagny die henkohoke eo agnatrehany rehefa hahita ny setroky ny fahamaizany ijy reo. 10 Hijoro lavitre areo, hangoaigna ny fijaliany, hijaka hoe: ''Loza, loza ho an'ny tanàna be ,Babylona, ny tanàna mahery, fa amin'ny lera raike die ho tonga ny sazinareo.'' 11 Ny mpivarotre ny tany die mitagny sy misaona ho anajy, satria tsy nisy olo niady varotre ho anajy koa- 12 varotre volamena, volafotsy, vato sarobidy, firavaka, lamban-drongony tena tsara, volomparasy, landy, mena, ny karazana hazo ala, ny fanake ivoara, ny fanake manontolo vita laha tamin'ny hazo sarobidy, varahigna, vy, marbra, 13 kanelina, raha-magnitre, ditin-kazo, miora, hagnitre, divay, menake, koba tsara toto, vary, biby fiompy die ondry, sôvaly sy kalesa, ireo andevo sy fanahin'olo. 14 Ny vokatre ijay tinao tamin'ny herinao manontolo die hiala aminao. ny entanao lafo vidy sy ny namirapiratre die nanjavogna, die tsy ho hita koa mandrakizay. 15 Ny mpivarotre ny entana jay tonga mpanan-karena noho ijy die hiala aminy lavitre nohon'ny fahangoaignana ny fijaliany, hitomany sy hisaona mafy. 16 Hijaka areo hoe: ''Loza, loza ho an'ny tanàna angezabe ijay nikanjo tamin'ny lamban-drongony tena tsara, volomparasy, sy mena, ary noravahana tamin'ny volamena, firavaka sarobidy, ary vatosoa! 17 Agnatin'ny lera raile die ho fôgna ijany harena manontolo ijany. ''Ny kapitenin-tsambo manontolo, ny mandeha egny ambonin'ny ranomasina manontolo, tantsambo, sy ijay abiaby monina an-dranomasina, die hijoro alavitre. 18 Nikoke areo raha vô nahita an'ny setrokin'ny fahamaizany. Nijaka areo hoe: ''Tanàna ino no hôtra ny tanàna angezabe?'' 19 Nanipy vovoke teny an'dohany ijy, die nikoke mahare, nitagny, sy nisaona, nanao hoe: ''Loza, loza ho an'ny tanàna angezabe ijay nisy an'reo abiaby nanagna ny sambo an-dranomasina no tonga mpanan-karena laha tamin'ny harenany. Fa tao anaty lera raike die simba ijany.'' 20 ''Mifalia aminy, ry lagnitre, anareo mpino, apostoly, die mpaminany, fa Andriamanitra nitondra ny fitsaranareo taminajy!'' 21 Anjely mahery raike nangala vato hôtra ny vato angezabe die nanipy ijany tagny an-dranomasina, die nijaka hoe: ''amin'ijany fomba ijany, Babylona, ny tanàna angezaba, harodagna arahina herisetra, die tsy ho hita koa. 22 Ny feo nataon'reo lokanga, mpitendry mozika, mpitsoka sodina, sy trompetra die tsy ho regny ao aminao koa. Ny mpagnano asa-tanana iasan-karazany die tsy hita ao aminao koa. Tsy hisy feon'ny vato fikosoham-bary ho regny koa eo aminao. 23 Ny fahazavan'ny jiro, die tsy hamirapiratra ao aminao koa. Ny feon'ny mpampiakatre sy ny ampekarina die tsy ho regny ao aminao koa, fa ny mpivarotrareo no andrian'ny tany, die ny firenena die vôfitake tamin'ny fagnosavianareo. 24 Tao aminajy no nahitana ny ràn'ny mpaminany, sy ny mpino, die ny ràn'ny abiaby ijay vôvono teto an-tany.''