Toko faha 19

1 Tafaran'ny raha reo die naharegny ijay hôtra ny feo mafin'ny vahôke rahabe isa tagny an-danitre iaho nandao hoe: ''Aleloia. Ny famonjena, ny voninahitra, die ny hery die an'Andriamanitre. 2 Ireo fitsarane die marina sy mahitsy, fa nitsara ny mpivaro-tegna lehibe ijay nagnaratsy ny tany tamin'ny fijangajangane ijy. Namaly faty ny ràn'ireo mpanompony, ijay nalatsagne ijy.'' 3 Nijaka fagnindroane ijy ireo hoe: ''Aleloia! Ny setroke die miakatre avy aminajy mandrakizay doria.'' 4 Ireo loholona efatre amby roapolo sy raha-manan'aigna efatre die nenkohoke die nanompo an'Andriamanitre ijay nitoboke teo amin'ny seza fiandrianana. Hoy ijy ireo: ''Amena. Aleloia!'' 5 Die nisy feo nivôke avy tao amin'ny seza fiandrianana, nagnano hoe: ''Derao Andriamanitra tena, anareo aby mpanompony, anareo ijay mangoaigna Anajy, na ny tsy manan-danja na ny mahery.'' 7 Ôka antsena hifaly sy ho kevoke die hognome voninahitre Anajy satria tonga ny fampankaram-badin'ny Zanak'ondry, die ny ampakarina efa niomagna. 8 Nomena alalagna hekanjo lamba rongony mamiratre sy madio ijy''(fa ny lamba rongony die ireo asa marin'ireo olo-masina). 9 Ny anjely nijaka taminahy hoe: ''Soraty ijao: Tretrike ireo ijay nasaina tamin'ny fety fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Nijaka taminahy koa ijy hoe: ''Ireo die jaka marin'Andriamanitre.'' 10 Nenkohoke teo amin'ny tongotrane mba hanompo anajy iaho, fa hoy ijy taminahy: ''Aja manao an'ijao! Iaho die mpiara manompo aminao sy ireo rahalahinao ijay mitagna ny fijoroana vavolombelogna makasika an'i Jesôsy. Manompoa an'Andriamanitre, fa ny fijoroana vavolombelogna momba an'i Jesôsy die ny fanahin'ny faminaniana.'' 11 Die nahita ny lagnitre nisokatre iaho die nijery ka nisy sôvaly fotsy. Ny mpideba ijay die nangihina hoe mahatoky sy marina. Amin'ny fahamarinana no hitsarany sy hiadiane. 12 Ireo masone die hôtra ny lelan'afo afo, eo amin'ny lohane misy satro-boninahitre rahabe. Managna agnarana vôsoratre eo aminajy ijay tsy misy mahafantatre afa-tsy ijy mandy ijy. 13 Menkanjo ankanjo lava ijay najoboke tao amin'ny rà ijy, die ny agnarany die nangihina hoe ny Jakan'Andriamanitre. 14 Ireo tafikan'ny lanitra die nagnarake anajy tamin'ny sôvaly fotsy, menkanjo lamba rongony, fotsy sy madio. 15 Avy ao amin'ny vavane no mivôke ny sabatre marangitre ijay amin'ijany no handrahany ireo firenena, die hanapake an'dreo amin'ny fioke vy ijy. Magnitsake ao amin'ny famiazan'ny fahavigniran'ny havigniran'Andriamanitre Tsitoha ijy. 16 Managna agnarana vôsoratre eo amin'ny akanjo lavany eo amin'ny fene ijy hoe: ''Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo.'' 17 Nahita anjely nitsangagna teo amin'ny masoandro iaho. Nagnatso tamin'ny feo mahare ireo vorogna magnidigna ambony aby ijy hoe: ''Avia, mivoria ho an'ny fety ben'Andrimanitre. 18 Malaky hihinagna ny nofon'ireo mpitari-tafika, ny nofon'ireo lelahy mahery, ny nofon'ireo sôvaly sy ireo mpideba ijany, die ny nofon'ny lelahy manontolo, ny afaka sy ny andevo, ny tsy manan-danja sy ny mahery.'' 19 Nahita ny bibi-dia sy ireo mpanjakan'ny tany niarake tamin'ny tafikan'dreo iaho. Nivory an'dreo mba hiady amin'ny raike ijay nideba sy amin'ny tafiny. 20 Vôsambotre ny bibi-dia die niarake taminajy ny mpaminany sandoke ijay nanao ny famantarana teo anatrehany. Tamin'ny famantarana ireo no namitahane ireo ijay nandray ny marikan'ny bibi-dia sy ireo ijay nanompo ny sarine. Ijy roa ireo die natily velogna tao agnaty farihin'afo mirehitre solifara. 21 Ny ambin'ijy ireo die novonoina tamin'ny sabatre ijay nivôke ny vavan'ny raike ijay nideba ny sôvaly. Ny vorogna abiaby nihinagna ny nofo mangatsekan'ijy ireo.