Toko faha 8

1 Laha efa notatahan'ny Janak'ondry ny tombo-kase fahafito, die fahanginana tagny an-dagnitra teo amin'ny asasak'adiny teo. 2 Avy teo die hitako ny anjely fito ijay nitsangagna teo alohan'Andriamanitra, ary namena trompetra fito areo. 3 Nisy anjely hafa tonga, nitajogna lovia volamena fandorôna dintin-kajo matnitra, nitsangagna teo ambonin'ny alitara. Ditin-kajo magnitra maro no namena anajy mba hanolorane ijany miaraka amin'ny vavakin'ny mpino manontolo eo ambonin'ny alitara volamena fandorôna ditin-kajo magnitra eo alohan'ny sejam-boninahitra. 4 Ny setrokin'ny ditin-kajo magnitra, miaraka amin'ny vavakin'ny mpino, die niakatra teo alohan'Andriamanitra avy amin'ny tagnan'ny anjely. 5 Nangala ny lovia fandorôna ditin-kajo magnitra ny anjely ary nameno ijany tamin'ny afo avy teo amin'ny alitara. Avy teo natsipiny tamin'ny tany ijany, ary nisy kotro-baratre, kotroka, tselatra, ary horohon-tany. 6 Ny anjely fito ijay nanagna ny trompetra fito die niomagna hitsoka ijany. 7 Nitsoka ny trompetrane ny anjely vôlohane, ary nisy havandra sy afo mifangaro rà. Natsipy tety an-tany ijany mba ho may ny ampahatelon'ijany, may ny ampahatelon'ny hajo, ary may aby ny ahi-metso. (Fagnamarihana: Ny saragny amin'ny dikan-teny taloha die mangala ny hoe: "mba ho may ny ampahatelon'ijany.") 8 Nitsoka ny trompetrane ny anjely faharoa, ary nisy raha hôtrany tendrombohitra angejabe nirehitr'afo natsipy tagny an-dranomasina. Lasa rà ny ampahatelon'ny javamanan'aigna tao an-dranomasina, 9 maty ny ampahatelon'ny java-mana'aigna tao an-dranomasina, ary rava ny ampahatelon'ny sambo. 10 Nitsoka ny trompetra ny anjely fahatelo, ary nisy kintagna lehibe nilatsaka avy agny an-dagnitra, mirehitra hôtran'ny fanilo, tamin'ny ampahatelon'ny ony sy loharano. 11 Java-mangidy no agnaran'ny kitagna. Lasa nangidy ny ampahatelon'ny rano, ary olo be no maty tamin'ny rano ijay lasa nangidy. 12 Nitsoka ny trompetrany ny anjely faha-efatra, ary niova ny ampahatelon'ny masoandro, hôtrany ampahatelon'ny volagna sy ny ampahatelon'ny kintagna. Noho ijany die lasa menty ny ampahatelone; tsy nisy hajavana ny ampahatelon'ny andro sy ny ampahatelon'ny aligna. 13 Nijaha iaho, ary naharegny voro-mahary ijay nagnembogna tegny agnivon'ny lagnitra, nangaike tamin'ny feo mahare hoe: '"Loja, Loja, ho an'ireo ijay monigna egny amin'ny tany, nohon'ny feona trompetra sisa ijay efa tsofin'ny anjely telo."