Toko faha 7

1 Tafaran'ijany die nahita anjely efatre nitsangagna teo amin'ny joro tany efatre iaho, nanohitra mafy ny rivotra efatry ny tane, mba tsy hisy rivotra hitsoka amin'ny tany, amin'ny ranomasina, na hifanohitre amin'ny hajo rehetre. 2 Nahita anjely hafa iaho niakatre avy tagny antsignanana, ijay nanagna ny tombo-kasen'Andriamanitra velogna. Nihieka tamin'ny feo mahare tamin'ny anjely efatra ijay nahajo alalagna hanimba ny tany sy ny ranopasina ijy hoe: 3 "Aja simbaina ny tany, ny ranomasina, na ny hajo mandra-pagnisiantsena ny tombo-kase eo amin'ny handrin'ireo mpanompon'Andriamanitsena." 4 Naharegny ny isan'ny ijay vôtombo-kase iaho: 144,000, no vôtombo-kase avy tamin'ny fokon'ny olon'israely rehetre: 5 Roa arivo sy iray aligna no vôtombo-kase avy tamin'ny fokon'i Joda, roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Robena, roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Gada, 6 roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Asera, roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Manase. 7 Roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Simeona, roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Levy, roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Isakara, 8 roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Zebolona, roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Josefa, ary roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Benjamina no vôtombo-kase. 9 Tafaran'ny javatre io die nijaha iaho, ary nisy olo maro be ijay tsy tambo isaina---avy tamin’ny firenena, foko, olo, ary fijaka rehetre---- nitsangagna teo alohan'ny seja fiandrianana sy teo alohan'ny Janak'ondry. Nagnano ankanjo lava fotsy sy mitagna sampan-drofia tegny amin'ny tagnan'dreo, 10 ary nangaika mahare tamin'ny feo mahere areo nagnano hoe: "Ny famonjena die an'Andriamanitsena ijay mipetrake eo ambonin'ny seja fiandrianana, sy an'ny Janak'ondry!" 11 Ny anjely rehetre nitsangagna magnodidigna ny seja fiandrianana sy magnodidina ny loholona sy ny java-manan-aina efatra, ary areo die nampenkohoka ny tavan'dreo teo alohan'ny seja fiandrianana. Nivavaka tamin'Andriamanitra areo 12 nagnano hoe: "Amena! Dera, voninahitra, fahendrena, fisôrana, fahefana, ary hery anie ho an'Andriamanitsena mandrakijay doria! Amen!" 13 Avy teo ny raike tamin'ny loholona nagnotany anahy hoe: "Ija ny, mitafy akanjolava fotsy, ary avy aja areo?" 14 Hoy iaho taminaje: "Tompoko, Anao mahafantatre, " ary hoy ijy taminahe: Io no hivôka avy amin'ny Fahoriana Lehibe. Nisasan'dreo ny akanjolavane ary nifotsena tamin'ny ràn'ny Janak'ondry. 15 Noho ijany antony ijany, die eo alohan'ny seja fiandriananan'Andriamanitra areo, sy mivavaka aminaje andro aman'aligna ao amin'ny fengonane. Ny raike ijay nipetraka teo amin'ny seja fiandrianana die hamelatra ny laine amin'dreo. 16 Tsy ho mosaregna koa areo, na hangetaheta koa. Tsy hamely anajy ny masoandro, na ny hafanana mandoro. 17 Fa ny Janak'ondry eo agnivon'ny seja fiandrianana no ho mpiandry an'dreo sy hitari-dalana an'dreo agny amin'ny loharanon'ny rano velogna, ary hifafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetre amin'ny mason'dreo."