Toko faha 6

1 Laha efa nanokatre ny raike tamin'ny tombo-kase fito ny Janak'ondry die nijaha aho, ary naharrgne ny raike tamin'ny java-mananan'aigna efatre tamin'ny feo hôtra ny kotroka iaho nijaka hoe: "Malaky! 2 Nijaha iaho ary nisy sôvaly fotsy teo. Ny ny mideba ijany die nitajogna tsìka, ary namena satro-boninahitra ijy. Nivôka hôtran'ny mpandresy ijy mba handresy. 3 Laha efa nanokatre ny tombo-kase faharoa ny Janak'ondry, die naharegne ny java-manan'aigna faharoa iaho nijaka hoe: "Malaky!" 4 Die nisy sôvaly hafa nivôka-mirehitra mena. Ny mpideba ijany no namena alalagna hangala ny fiedagnana amin'ny tany, mba hifamono ny olone. Io mpideba io die namena sabatra lehibe. 5 Laha efa nanokatre ny tombo-kase fahatelo ny Janak'ondry, die naharegne ny java-manan'aigna fahatelo iaho nijaka hoe:"Malaky!" Nahita sôvaly menty iaho, ary ny mpideba ijany die nitàgna mijàna tegny an-tagnany. 6 Naharegne hôtrany feo tamin'ny java-manan'aigna efatra iaho nijaka hoe: "Ny vary eran'ny fatram-bary ho an'ny denaria raike, ary ny hordea in-telon'ny fatram-bary ho an'ny denaria raike. Fa aja manimba ny menaka sy ny divay." 7 Laha efa nanokatra ny tombo-kase fahaefatra ny Janak'ondry, die naharegne ny feon'ny java-manan'aigna fahefatra iaho nijaka hoe: "Malaky! 8 Die nahita sôvaly hatsatre iaho. Ny mpideba ijany die angehina hoe Fahafatesana, ary ny Fasagna die nagnaraka anajy. Namena fahefana amin'ny ampaha-efatry ny tany areo, mba hamono amin'ny sabatra, mosary sy aretigna, ary amin'ny bibidian'ny tany. 9 Laha efa nanokatra ny tombo-kase fahadimy ny Janak'ondry, die hitako tao ambany alitara ny fagnahin'ireo ijany novonoina noho ny tenin'Andriamanitra sy ny fijoroana vavolombelogna ijay notànan'dreo. 10 Nikoaike tamin'ny feo mahare areo hoe: "Mandra-pahoviena, ry marina, no hitsaranao ireo ijay miaigna eto an-tany, sy hamalenao faty ny rànay? 11 Die namena akanjolava ny tsiraidraike tamin'dreo, ary nijakaina areo fa tokony hiandry kelikely mandra-pajahôna ny isa fenon'ny mpiara-manompon'dreo sy ny rahalahy sy anabavin'dreo ijay tokony hivinina areo, hôtran'ny namonôna an'dreo. 12 Laha efa nanokatra ny tombo-kase faha enina ny Janak'ondry, die nijaha iaho ary nisy horohoron-tany lehibe. Lasa menty hôtrany lamba fisaognana ny masoandro, ary ny volagna fenomanagna die lasa hôtrany rà. 13 Ny kitagna tegny amin'ny lagnitra die latsaka tety an-tany, hôtrany aviavy magnitsagna ny vôny manta laha efa ahetsiky ny rivotra mahere. 14 Ny lagnitra die nanjavogna hôtran'ny horonan-taratasy ijay nahorongorogna. Ny tendrombohitra sy ny nosy manontolo die nalaina tamin'ny toerane. 15 Avy teo ny mpanjakan'ny tany sy ny olo manan-danja, sy ny jeneraly, ny mpanan-karena, ny mahery, ary ny hafa aby daholo, andevo sy afaka, nisitrika tao agnatin'ny lava-bato sy tamin'ny vatolampin'ny tendrombohitra. 16 Nijaka tamin'ny tendrombohitra sy tamin'ny vatolampy areo: "Milavoa aminay! Asitriho amin'ny tavan'ny ijay mipetraka eo amin'ny seja fiandrianana sy amin'ny fahavigniran'ny Janak'ondry ahay. 17 Fa Tonga ny andro lehiben'ny fahavigniran'dreo. Ija no hahavita hiaritre?"