Toko faha 5

1 Fa ny mpisoronabe, vôfidy laha tamin'ny olo, die notendrana mba hiasa amin'ny agnaran'ny olo anin'ny raha mikakasike an,Andriamanitre, ka mba hanolorana fagnomejana sy fagnatitre ho an'ny ota. 2 Ijy die afake mifagnarake mora amin'ny tsy mahalala sy ny mivilivily satria ijy tegnane mandy koa die vôdiganan'ny fahalemena. 3 Noho ijany, ijy mandy koa die natokisana hanolotre sorona ho an'ny otane manokan, hôtra ny namboariny ho an'ny otan'olo. 4 Tsy ho an'ny tegnane no handresen'olo ijany voninahitre ijany. Fa koja, ijy die nangihin'Andriamanitre, hôtra an'i Arona. 5 Die hôtra anijay,Kristy tsy mba nagnome haja ny tegnany mihintsy tamin'ny tamin'ny fanôvane ny tegnane ho mpisoronabe. Fa koja, ny raike ijay nivoria taminajy nijaka hoe: ''Zanako Anao; androany die tongo Iabanao Iah.'' 6 Hôtra anijany mandy koa no nolazainy tagny amin'ny toeran-kafa hoe: ''Anao die mpisorona mandrakizay arake ny fomban'i Melkizedeka.'' 7 Nandritr'ireo andron'ny nofony, Kristy nanolotre vavake sy fangatahana niarake tamin'ny hiake mahare sy ranomaso an'Andriamanitre, ny raike ijay afake mamonjy Anajy amin'ny fahafatesana. Re Ijy nohon'ny fangorahane. 8 Ndre die janake Ijy, die nianatre fankatoavanatamin'ny raha ijay neratane. 9 Natao ho tonga lafatre Ijy ka tonga, ho an'ny olo abiaby ijay mankato Anajy, ny loharanon'ny famonjena mandrakizay. 10 Die notendren'Andriamanitre hôtra ny mpisorona be Ijy araka ny fomban'i Melkizedeka. 11 Manan-kolajaina rahabe momban'i Jesôsy ahay, fa sarotre ny magnajava ijany hatamin'ny napa-regnidregnina ny tadigninareo. 12 Fa amin'ijao fotôgna ijao die tokone ho mpampianatre anareo, anareo die mbola mila olo hampianatre anareo ny fitsipike fototry ny hafatran'Andriamaintra. Ronono no ilainareo, fa tsy venti-kanina ! 13 Fa ny olo ijay minogna ronono fotsiny die tsy ampy traikefa amin'ny fahamarinana, satria ijy die mbola kely. 14 Fa ny ventin-kanina die ho an'ny lehibe. Ireo die ijay vôhofana tamin'ny fagnavahana ny tsara amin'ny ratsy ny fahatakarany nohon'ny fahamatoran-dreo.