Toko faha 4

1 Noho ijane, ôka hitandrigna tsara antsena mba tsy hisy aminareo ny tsy afake hahatratra ny jaka fampagnantenana navela hônareo mba hidiranareo ao amin'ny fitsaharan'Andriamanitra. 2 Fa antsena die nagnatorôna ny vaovao mahafaly hôtran-dreo. Fa ijane hafatra ijane die tsy nisy tombone hôn'ireo ijay tsy nitambatra tao amin'ny finôna niaraka tamin'ireo ijay nankatò. (Fagnamarihana: ny dikanteny saragne die mivaky hôtran'ijao: "Fa ijane hafatra ijane die tsy nisy tombone hôn'ireo ijay naharegny an'aje tamin'ny tsy finôna.") 3 Fa antsena ijay nino die ireo hiditra amin'ijane fitsaharana ijane, araka ijay efa nivorinine hoe: "Hôtran'ny nifantako tamin'ny fahavignirako, die tsy hiditra mihitsy ao amin'ny fitsaharako areo." Fa na ijane koa aja, ny asa famorognane die vita tamin'ny fagnamboarana ijao tontolo ijao. 4 Fa ijy nijaka tagny ho agne mahakasika ny andro faha-fito hoe: "Andriamanitra nitsahatre tamin'ny andro faha-fito tamin'ny asane abiaby." 5 Ary mbola nijaka indraike ijy hoe: "Areo die tsy hiditra mihitsy ao amin'ny fitsaharako." 6 Noho ijane, satria mbola vôtokagna hôn'ny saragne ny fidirana ao amin'ny fitsaharane, ary satria be ireo Israelita naharegny ny vaovao mahafaly tsy niditra tao nohon'ny tsy fankasitrahana, 7 die nagnavela andro raike indraike nangihina hoe: "Niany" Andriamanitra. Tafaran'ny andro maro, die nivoria tamin'ny alalan'i Davida Ijy, hôtran'ijay vôlaja meloha hoe: "Niany laha maharegny ny feone anareo, die aja magnamafy ny fonareo." 8 Fa laha Josoa no nagnome fitsaharana an-dreo, die tsy nivoria mahakasika ny andro raike hafa Andriamanitra. 9 Noho ijane die mbola misy sabata fitsaharana vôtokagna hôn'ny fokon'olon'Andriamanitra. 10 Fa ijay miditra ao amin'ny fitsaharan'Andriamanitra die nitsahatra tamin'ny asane mandy koa, hôtran'ny namboarin'Andriamanitra tamin'ny nen'Aje. 11 Noho ijane ôka antsena hajoto hiditra amin'ijane, mba tsy hisy na raike aja ho tafalatsaka amin'ny karajana tsy fankasitrahana ijay namboarin-dreo. 12 Fa ny jakan'Andriamanitra die velogna sy mandaitre ary marangitra loholoho ny sabatra roa lela. Ijane die manindrogna hatramin'ny fagnasarahana ny aigna amin'ny fagnahy, sy ny tognona amin'ny tsoka mihitsy aja. Ka afake fantarina ny eritreritry ny fo sy ireo fikasana. 13 Tsy nisy famorognana nivony teo agnatrehan'Andriamanitra. Fa koja, ny raha abiaby die mibaribary sy mivoha eo amason'ilay raike ijay tsy mentsy hampamoahintsena. 14 Noho ijane, satria antsena die managna mpisoronabe makadiry ijay nienga namaky ny lagnitre, Jesôsy Janak'Andriamanitra, die andao antsena hifikitre mahare amin'ny finoantsena. 15 Fa antsena die tsy managna mpisoronabe ijay tsy mahatsapa falahelovana amin'ny fahalementsena. Fa koja, antsena die managna olo raike ijay efa nalaim-pagnahy tamin'ny fomba abiaby hôtrantsena, nefa Ijy tsy misy ota. 16 Ôka ary antsena andeha amin'ny fahatokiana ho agne amin'ny seja fendrianan'ny fahasoavana, mba handresantsena ny famindram-po sy hahita fahasoavana hagnampe amin'ny fotôgna ilàna ijane.