Toko faha 3

1 Noho ijany, ry rahalahy masina, nijara ny antson'ny lagnitra anareo. Saino ny momban'i Jesôsy, ny apôstôly sy ny mpisorogna be ijay ekentsena. 2 Ijy die natoky an'Andriamanitra ijay nanendry an'aje, hôtran'i Mosesy ijay natoky tao an-dragnon'Andriamanitra mandy koa. 3 Fa jesôsy die efa niresina mendrika ny voninahitra lehibe nohon'i Mosesy, satria ijay mambôtra ny tragno no manan-kaja bebe kokoa nohon'ilay tragno. 4 Fa ny tragno rehetra die nisy olo nambôtre, fa ny raike ijay nambôtre ny raha rehetra die Andriamanitra. 5 Amin'ny lafiny raike, Mosesy die natokisana hôtran'ny mpanompo tao an-dragnon'Andriamanitra iray manontolo. Ijy no vavolombelogna momba an'ireo raha ijay tokony efa nilajaina amin'ny ho avy. 6 Fa Kristy no Janaka mendrekitra ny tragnon-Andriamanitra. Atsena no tragnony laha ohatra ka mitagna mafy ny herim-po sy ny fahatokisan-tsena atsena. 7 Noho ijane, ijany die hôtran'ny lajain'ny Fagnahy masina hoe: " Niany, laha maharegny ny feony anareo 8 die aja magnamafy ny fonareo hôtran'ny amin'ny fikomena, amin'ny fotôgnan'ny fitsapana agny agn'efitra. 9 Toy ijany ny rajambenareo laha efa nikomy tamin'ny alalan'ny fitsapana an'Ahe, ary laha efa, nandritry ny efa-polo taogna, die hitan-dreo ny asako. 10 Noho ijany die tsy faly Aho amin'io taranaka io. 11 Hoy aho hoe: 'Ija ireo die vôtarika mandrakariva agny amin'ny lalan-diso ao am-pone. Tsy nahafantatra ny lalako areo. Tahak'ijany no niaignako tamin'ny nivignirako hoe: "Tsy hiditra ao amin'ny fivilako velively areo."' 12 Mitandrema, ry rahalahy, ba tsy hisy ndre raika aminareo aja no hanagna fo ratsin'ny tsy finôna, fo ijay miala amin'Andriamanitra velogna. 13 Fa koja, mifampahereja isan'andro, laha bola misy ny angihina hoe: " Niany", ba tsy hisy aminareo ho mahery fo amin'ny alalan'ny fitaky ny fahotana. 14 Fa atsena die lasa mpiara-miasa amin'i Kristy laha ohatra ka mitagna mafy ny fahatokisantsena an'Ajy hatramin'ny vôlohany ka hatramin'ny fiafarane. 15 Fa ny momba ijany die efa vôlaja hoe: " Niany, laha maharegne ny feony anareo, die aja magnamafy ny fonareo, hôtra ny amin'ny fikomena." 16 Ija ijy ijay efa naharegne an'Andriamanitra ka nikome? Fa tsy ireo abiaby ijay nivôka avy tagny Egypta tamin'ny alalan'i Mosesy ve ijane? 17 Ija no nahavignitra an'aje nandritray ny efa-polo taogna? Tsy ireo ijay nanota vé, ijay lavo tagny agn'efitra ny fatin-dreo? 18 Hôn'ija no nianiagnany fa tsy hiditra ao amin'ny fitsaharan-dreo, laha tsy ho an'ireo ijay tsy nankatò an'Ajy? 19 Hitantsena fa tsy afaka niditra tao amin'ny fitsaharany areo nohon'ny tsy finôna.