Toko faha 6

1 Noho izany, handeha abelantsena ny fetombohan'ny hafatry Kristy ka handroso amin'ny fahamatorana. Andeha antsena tsy hamela indraike ny fototry ny fibebahana noho ny asan'ny maty sy ny finôana an'Andriamanitra, 2 na ny fototry ny fampenarana momba ny batisa, ny fametrahana tagnana, ny fitsanganan'ny olo-maty, die ny fitsarana maandrakizay, 3 hagnano an'izany mandy koa antsena laha aken'Andriamanitra. 4 Fa tsy hay atao an'ireo izay efa nazavaina indraika mandeha izane, izay nagnandragna ny fagnomezana avy any andanitra ny Fagnahy Masina, 5 die izay nagnandragna ny zaka tsara an'Andriamanitra sy ny herin'ny vanim-potoana hoavy. 6 Nefane avy teo die lavo tsy hay atao ny mamerigna anazy io amin'ny fibebahana indraike izany die satria nombohandreo ho an'ny tegnandreo koa ny zanak'Andriamanitra, nalaina baraka amason'olo. 7 Fa ny tany izay mitroka ny erika matetika avy amin'izany sy izay mamotraka ny raha maniry ilain'olo izay nesana ny tane. Io ny tany izay mandray fitahiana avy amin'Andriamanitra. 8 Fa laha mamokatra izany, die tsy misy ilana anazy die ef marivo ny fagnozognana. Ny fefaran'izany die amin'ny faharetana. 9 Fa ahay die resy lahatre amin'ny raha tsara loholoho momba anareo, ry malala, raha izay mikasika ny famonjena, die mizaka hôtran'izany aza ahay. 10 Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hagnadigno ny asanareo sy ny mbola manompo andreo fezay. 11 Magniry mafy ahay mba haregny fahazotoana hôtran'izany hatramin'ny farany ny tsiraidraike aminareo ho amin'ny antoky ny fahatokena feno. 12 Izany die mba tsy ho lasa kamo anareo, fa ho mpangala tahaka andreo izay mandova ny fampagnategnana amin'ny finôna sy faharetana. 13 Fa tamin'Andriamanitra nagnano ny fampategnany tamin'ny Ambrahama, die nianiagna tamin'ny tegnany Izy, laha tsy afaka nianiagna tamin'ny olo lehibe loholoho. 14 Hoy izy hoe: "Izaho due hitahy anao tokôtre, ary tena hahamaro. 15 Tamin'izany fomba izany die mahazo ze nampagnantegnaina tafaran'ny nandiasane tamin-paharetana Abrahama. 16 Fa ny olo die miniana amin'ny olo je lehibe loholoho noho ny tegnandreo sahin'ny tapitre ny fifamehezandreo, die misy voady iray natao ho fagnamafisana. 17 Laha nanapa-kevitra ny fampisehoana mazava loholoho tamindreo mpandova ny fampagnantegnana ny tsy fiovan'ny kalitaon'ny tanjognany Andriamanitra, die nomeny antoke tamin'ny voady izane. 18 Namboarin'izany mba ho amin'ny alalan'ny raha tsy azo azavaina roy lahateo. Izay tsy hain'Andriamanitra ny mivandy amin'izany die hanagna fampaherezana matanjaka mba hihazognana mafy ny fahatokena je toky izane antsena. 19 ho aro sy vatofantsika azo hiankinana fagnahitsena, fahatokena je miditra ao amin'ny fitobohana agnatiny ao ambadike ny lamba. 20 Jesôsy niditra tao amin'izany fitobohana izany hôtrany mpeloha lalagna ho antsena, ka avy mpisorognabe mandrakizay magnaraka ny fomban'i Melkizedeka.