Toko faha 4

1 Ry malala kaja mino ny fagnahy abiaby. Fa koja, nitsapa ny fanahy mba hahita fa laha tamin'Andriamanitre ijy ireo , satria mpaminany sandoke rahabe no efa nenga tamin'ijao tontolo ijao. 2 Amin'ijany no ahafataranareo ny Fanahin'Andriamanitre ny fanahy abiaby jay tsy magneky fa i Jesôsy Kristy ijay tonga nofotre die laha tamin'Andriamanitre, 3 die ny fanahy abiaby ijay tsy magneky fa Jesôsy die tsy laha tamin'Andriamanitre. Die ijany ny fanahin'ny mponohitran'Kristy, ijay efa regninareo fa ho tonga, die ankehitriny die efa eto an-tany [Fanamarihana: misy dikan-teny taloha sasane die mivaky hoe: ''Die ny fanahy abiaby jay tsy magneky fa i Jesôsy tonga nofo die tst laha tamin'Andriamanitre. Ijany die fanahin'ny mpanohitran'Kristy ijay regninareo fa ho tonga, die ankehitriny die efa eto an-tany.] 4 Anareo die laha tamin'Andriamanitre, ry janaka malala, die efa nandresy an-dreo, satria ny raike ijay ao aminareo die angeza mihôtre no ny raike ijay eto amin'ijao tontolo ijao. 5 An-dreo die laha tamin'ijao tantolo ijao; noho ijany ijay rehetra lazain'ijy ireo die laha tamin'ijao tantolo ijao , die ijao tantolo ijao die miheno an'ijy ireo. 6 Laha tamin'Andriamanitre antsena. Ijay mahafantatre ny tompo die maheregny antsena. Ijy ijay tsy laha tamin'Andriamanitre die tsy haregny antsena. Amin'ijany no ahafatarantsena ny fanahin'ny fahamarinana sy ny fanahin'ny fahadisoana. 7 Ry malala, ôka atsena hifankatia, fa ny fitiavana die laha tamin'Andriamanitre, die ijay abiaby mitia die naterak'Andriamanitra sy mahafantatre an'Andriamanitre. 8 Ny olo ijay tsy mitia die tsy mahafantatre an'Andriamanitre, satria Andriamanitre die fitiavana. 9 Noho ijany ny fitiavan'Andriamanitre die nambara tamintsena,fa Andriamanitre die nandefa ny Zanagny lahitokana ho an'ijao tantolo ijao mba ho velogna noho Ijy atsena. 10 Ao amin'ijany fitiavana ijany, tsy ny tiavantsena an'Andriamanitre, fa ny nitiavane antsena, die nandefasane ny Zanagny lahy ho fagnavotana ny fahotantsena. 11 Ry malala, raha tia lôtre antsena Andriamanitre, die tokony hifankatia mandy koa atsena. 12 Tsy mbola nisy nahita an'Andriamanitre. Fa laha mifankatia atsena, die mitoetra ao amintsena Andriamanitre die ny fitiavane die tanterake ao amintsena. 13 Amin'ijany no ahafatarantsena fa mitoetra ao aminajy atsena dia ijy ao amintsena, satria ijy die nagnome atsena ny saragne amin'ny fagnahine. 14 Ndre mandy koa, efa nahita atsena sy efa mijoro vavolombelogna fa Baba die efa nandefa ny Zanagny lahy ho Mpamonjy an'ijao tontolo ijao. 15 Na ija na ija magneky fa Jesôsy die Zanaka lahin'Andriamanitre, die mitoetre ao aminajy Andriamanitre die ijy ao amin'Andriamanitr. 16 Atsena mandy koa die nahafantatre die nino ny fitiavana ijay efa nagnanan'Andriamanitre ho antsena. 17 Noho ijany, fitiavana ijany die nontanterahina tamintsena, mba hagnanatsena fahatokisana amin'ny androny'ny fitsarasana, satria toa Aja, die hôtra ijany mandy koa antsena eto amin'ity tany ity. 18 Tsy misy tahotre ao amin'ny fitiavavana. Fa koja, ny fitiavana tanterake die mangala ny fahangoaignana, satria ny fahangoaignana die tsy mentsy miarake amin'ny sazy. Fa ny raike ijay mangoaigna die tsy natao ho tanterake ao amin'ny fitiavana. 19 Mitia antsena satria Andriamanitre nitia antsena vôlohany. 20 Laha misy olo mijaka hoe: ''Tieko Andriamanitre'' fany mankahala ny rahalahine, die mpivandy ijy. Fa ny raike ijay tsy mitia ny rahalahine, ijay hitane, die tsy afake ny hitia an'Andriamanitre, ijay tsy hitane. 21 Die, ijany mandy koa no didy ijay agnantsena laha taminaje: N'ija n'ija mitia an'Andriamanitre die tsy mentsy mitia ny rahalahine mandy koa.