Toko faha 5

1 N'iza n'iza mino fa i Jesôsy no Kristy die naterak'Andriamanitra, ary n'iza n'iza tia an'ny Ray mandy koa die tia ny zanaka nateragane. 2 Noho izany no hafantarantsena fa tiantsena ny zanak'Andriamanitra: Laha tia an'Andriamanitra sy magnatanteraka ny didy antsena. 3 Satria izay no fitiavana ho an'Andriamanitra die ny hagnatanterahantsena ny didine. Ary ny didine die mavesatra. 4 Fa ny olo manontolo izay naterak'Andriamanitra die mandresy an'izao tontolo izao. Ary izany die fandresena izay efa nadresy izao tontolo izao: Ny finôntsena. 5 Iza ny iraike izay mandresy an'izao tontolo izao? Ny iraike izay mino fa Jesôsy die zanak'Andriamanitra. 6 Izany die ny raike izay avy tamin'ny rano sy rà: Jesôsy kristy Izy die avy tsy tamin'ny rano sy rà. 7 Fa misy telo izay vavolombelona: 8 Ny fagnahy, ny rano ary ny rà. Io teo io die nifagnaraka. [Fagnamarihana: ny dikan-teny taloha saragny die mivaky hôtran'izao:" Fa misy telo izay mijoro vavolombelona agny andanitra: ny Ray sy ny Teny ary ny Fanahy Masina; die io telo io die raike. Ary misy telo ieay mijoro vavolombelogna eto ambonin'ny tany: ny Fagnahy, ny rano, ary ny rà; die io die hôtran'ny raike. "Na izany aza, ny dikan-teny tsara indrindra die tsy mivaky hôtran'izany.] 9 Laha mandray ny fijoroana an'olo antsena, die ho lehibe loholoho ny fijoroana vavolombelona an'Andriamanitra. Fa ny fijoroana vavolombelona an'Andriamanitra die izao. Izy die mijoro vavolombelogna mikasika ny zanagny. 10 N'iza n'iza mino ny zanak'Andriamanitra die managna fijoroana vavolombelogna aminazy tegnany. Izay tsy mino an'Andriamanitra die magnano anazy ho mpivande, satria izy die tsy mino ny diorama vavolombelogna izay efa nomen'Andriamanitra mikasika ny zanagny. 11 Ary ny fijoroana vavolombelogna die izao: Andriamanitra die magnome antsena fiaignana mandrakizay, ary izany fizignana izany die ao amin'ny zanagny. 12 Ny raike izay managna ny zanake die managna ny fiaignana. Ny olo izay tsy managna ny zanak'Andriamanitra die tsy managna fiaignana. 13 Efa nanoratra an'itoy raha itoy aminareo Aho mba hafantaranareo fa managna fiaignana mandrakizay anareo. Hônareo izay mino ny agnaran'ny zanak'Andriamanitra. 14 Hôtran'izany mandy koa, izao no fifagnekena izay anagnantsena eo anatrehane, fa ninonino angatahintsena araka ny sitrapone die maharegny antsena Izy. 15 hôtran'izany mandy koa, raha fantantsena fa maharegny antsena izy . Ninonino angahintsena aminaze die fantantsena izay aby daholo nagnatahintsena taminaze. 16 Laha misy olo raike mahita ny rahalahiny manao fahotana izay tsy miteraka fahafatesana, tsy mainrsy mivavaka izy, ary Andriamanitra hagnome fiaignana hônazy. Iaho die mampitaha ireo izay managna fahotana tsy miteraka fahafatesana. Misy fahotana izay miteraka fahafatesana; tsy mizaka aho hoe tokony hivavaka amin'izany izy. 17 Ny tsy fahamarinana manontolo die fahotana, nefa misy fahotana tsy miteraka fahafatesana. 18 Fantatsena fa n'iza n'iza naterak'Andriamanitra die tsy manota. Nefa ny raika izay naterak'Andriamanitra die miaro ny tegnany, ary ny ratsy die tsy afaka hahakasika anazy. 19 Fantatsena fa Andriamanitra antsena ary izao tontolo izao die mitoboka amin'ny ratsy. 20 Kanefa fantantsena fa ny Zanak'Andriamanitra die efa nagnome fahazavan-tsaina mba hafantarantsena ny raike izay tena marina. hôtran'izany mandy koa, antsena die ao amin'ny raike izay marina. Ao amin'ny Jesôsy Kristy zanagne. Izy no Andriamanitra marina ary fiainana mandrakizay. 21 Anake, arovy amin'ny sampy ny tegnanareo.