Toko faha 3

1 Indro hôtrany aja ny fitiavana nomen'Iaba antsena, hangihana antsena hoe janak'Andriamanitra, ary ijane antsena. Noho ijane antone ijane, ijao tontolo ijao die tsy mahafantatra antsena, satria tsy mahafantatra an'aje ijane. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny talohake die tsy magnisy hoe: "ary ijane antsena.''] 2 Ry malala, janak'Andriamanitra antsena amin'ijao fotôgna ijao, ary ijane die mbola natoro hoe hôtran'ino antsena. Antsena die mahafantatra fa laha mipositre i Kristy, die hitovy amin'Aje antsena, satria hahita an'Aje hôtran'Aje antsena. 3 Ny abiaby ijay managna ijane fatokisana mahakasika ny ho avy mifototra amin'aje ijane die magnadio ny tegnane mba hadio mitovy amin'Aje. 4 Ijay abiaby magnota die magnano ijay tsy ara-dalàna; fa ny fahotana die tsy ara-dalàna. 5 Anareo die mahafantatra fa i Kristy die natoro mba hangala ireo fahotana, ary amin'Aje ao die tsy misy fahotana. 6 Tsy misy olo ijay mitoboke amin'Ajy ao ka mbola hagnota koa. Tsy misy olo mbola magnota nahita an'aje na nahafantatra an'aje. 7 Ry janaka malala, aja avela hisy olo hamitaka anareo. Ilay raike ijay magnano ny fahamarignana die marina, hôtran'ny mahamarina an'i Kristy. 8 Ilay raike ijay magnota die avy amin'ny devoly, fa ny devoly die nagnota hatagne am-pendohana. Noho ijane antone ijane ny Janak'Andriamanitra die natoro, mba hahafahane manimba ireo asan'ny devoly. 9 N'ija n'ija naterak'Andriamanitra die tsy hanohy ny fahotana satria ny vône avy tamin'Andriamanitra die mitoboke amin'ajy ao. Tsy afaka manohy ny fahotana ijy satria naterak'Andriamanitra. 10 Ao amin'ijane no hampisehôna ireo janak'Andriamanitra sy ireo janaky ny devoly. N'ija n'ija tsy magnano ny marina die tsy avy amin'Andriamanitra; na ny raike ijay tsy tia ny rahalahine mandy koa aja. 11 Fa ijane no hafatre ijay efa regninareo hatagne am-pendohàna: fa antsena die tokone mifankatia, 12 fa tsy hôtran'i Kaina, ijay avy amin'ilay ratsy sy namono ny rahalahine. Fa nagnino ijy no namono an'Aje? Satria ireo asane die ratsy, ary nen'ny rahalahine die marina. 13 Aja jendagna, ry rahalahiko, laha tsy tia anareo ny tany. 14 Fatantsena fa efa nienga tamin'ny fahafatesana megnagne amin'ny fiegnana antsena, satria tia an'ireo rahalahy antsena. Ijay tsy tia ny rahalahine die mitoboha agne amin'ny fahafatesana. 15 Ijay tsy tia ny rahalahine die mpamono olo. Fantatrareo fa tsy misy mpamono olo managna fiegnana mandrakijay mitoboke amin'ajy ao. 16 Amin'ijane no hafantarantsena ny fitiavana, satria Kristy nagnome ny aigne hontsena. Antsena mandy koa die tokone magnome ny aignantsena hôn'ireo rahalahy. 17 Fa n'ija n'ija managna ny harenan'ijao tontolo ijao, ka mahita ny fasarihagnan'ny rahalahine, ary magnidy ny fon'ny falahelovane an'aje, amin'ny fomba akory no itobohan'ny fitiavan'Andriamanitra amin'ajy ao? 18 Ry janako malalako, ôka antsena tsy hitia amin'ny jaka na koa amin'ny vava, fa amin'ny asa sy fahamarignana. 19 Avy amin'ijane no hafantarantsena fa avy amin'ny fahamarignana antsena, ary mampatoky ny fontsena eo agnatrehane antsena. 20 Fa laha magnameloke antsena ny fontsena, Andriamanitra die makadiry loholohon'ny fontsena, ary mahafantatre ny raha-abiaby Ijy. 21 Ry mala, laha tsy magnameloke antsena ny fontsena, die managna fatokisana amin'Andriamanitra antsena. 22 N'ino n'ino angatahintsena die ho ajontsena avy amin'aje, satria antsena mitandrigna ireo didine sy magnano ijay ankasitrahana eo agnatrehane. 23 Ijao ny didine: tokone mino ny agnaran'ny Janagne Jesôsy Kristy ary mifankatia antsena, hôtran'ny efa nagnomejane antsena ijany didy ijane. 24 Ny raike ijay mitagna ny didin'Andriamanitra die mitoboke amin'Ajy ao, ary Andriamanitra mitoboke amin'ajy ao. Amin'ijane no hafantarantsena fa ijy die mitoboke amintsena ao, amin'ny Fagnahy ijay nomene antsena.