Toko faha 2

1 Anaka, manoratra ireto raha ireto aho ba tsy hagnotanareo. Kanefa raha misy manota, die managna mpisolo vava atsena miaraka amin'ny Ray, Jesôsy Kristy, ilay marina. 2 Ijy no fagnavotana an'ireo fahotantsena, ary tsy ny antsena mandy, fa ny an'ijao tontolo ijao iray manontolo mandy koa. 3 Amin'ijany no ahafantarantsena fa mahafantatra an'Ajy atsena: Laha mitandrigna ireo didiny atsena. 4 Ilay mijaka hoe: "Mahafantatra an'Andriamanitra aho", fa tsy mitandrigna ireo didiny, die mpivandy, ary ny marina die tsy ao amin'aje. 5 Fa na ija na ija mitandrigna ny tegnany, marina tokôtra, die ao amin'ijany olo ijany no nagnatanterahana ny fitiavan'Andriamanitra. Amin'ijany no ahafantarantsena fa ao amin'aje atsena. 6 Ilay iraika ijay mijaka fa mitoboka ao amin'Andriamanitra die tokony handeha mandy koa ijy hôtran'ny nandihanan'i Jesôsy Kristy. 7 Ry malala, tsy manoratra didy vôvao hônareo aho, fa didy taloha ijay efa anagnanareo hatramin'ny fendohana. Ny didy taloha die ny jaka ijay regninareo. 8 Fa manoratra didy vôvao hônareo aho, ijay marina ao amin'i Kristy sy ao aminareo, satria ny hejigna dia mandalo, fa ny fahajavana marina die efa mamiratra. 9 Ilay raika ijay mijaka fa ao amin'ny majava ijy ary mankahala ny rahalahiny die ao agnaty hejigna hatramin'ijao. 10 Ilay raika iajy mitia ny rahalahiny die mitoetra ao amin'ny majava ary tsy hisy fotôgna hanafitohignana an'ajy. 11 Fa ilay raika ijay mankahala ny rahalahiny ao amin'ny hejigna die mandeha amin'ny hejigna; ijy die tsy mahafantatra ijay alehany, satria ny hejigna die efa nahajamba ny masony. 12 Manoratra hônareo aho, ry janaka malala, satria ireo fahotanareo die vôvela noho''ny agnarany. 13 Manoratra hônareo aho, ry ray, satria fantatrareo ilay raika avy amin'ny fendohana. Manoratra hônareo aho, ry jatovy, satria niresenareo ilay ratsy. Efa nanoratra hônareo aho, ry jaja madinika, satria anareo die mahafantatra ny Ray. 14 Efa nanoratra hônareo aho, ry ray, satria fantatrareo ilay avy amin'ny fendohana. Efa nanoratra hônareo aho, ry jatovo, satria mafy anareo, ary ny tenin'Andriamanitra die mitoetra ao aminareo ary anareo die efa nandresy ilay ratsy. 15 Aja mitia an'ijao tontolo ijao na ireo javatra eo amin'aje. Raha misy mitia an'ijao tontolo ijao, die tsy ao amin'aje ny fitiavan'ny Ray. 16 Fa ny javatra rehetra ijay ao amin'ijao tontolo ijao die ny filan'ny nofo, ny filan'ny maso, ary ny fieboebon'ny fiagnana ijay tsy avy amin'ny Ray fa avy amin'ijao tontolo ijao. Ijao tontolo ijao sy ny fagnireny dia mandalo. 17 Fa na ija na ija magnano ny sitrapon'Andriamanitra die hitoboka mandrakijay. 18 Jaja madinike, itoy no lera farane. Toy ny efa regninareo fa ho avy ny antiKristy, amin'ijao maro ireo antiKristy ijay efa avy. Amin'ijany no ahafantarantsena fa itoy no lera farane. 19 Niala tamintsena areo, kanefa tsy avy amintsena. Fa laha tamintsena areo die nitoboka niaraka tamintsena. Fa laha efa nenga areo, die nanoro fa tsy tamintsena. 20 Fa managna fagnosorana avy amin'ilay Iray Masina anareo, ary fantatrareo rehetra ny marina. [Fagnamarihana: misy dikan-teny hafa sasagny vôvao ijay mivaky hoe: "managna ny fahalalana rehetra anareo." Ny dikan-teny sasagny taloha die mivaky hoe: "ary fantatrareo ny java-drehetra."] 21 Tsy nanoratra hônareo aho satria anareo die tsy mahalala ny marina, fa satria fantatrareo ijany ary tsy vandy avy amin'ny marina. 22 Ija no mpivandy fa tsy ilay raika ijay mandà fa i Jesôsy no Kristy? Ijay olo ijay die ilay antiKristy, laha efa mandà ny Ray sy ny Janaka ijy. 23 Tsy misy olo ijay mandà ny Janaka ka hanagna ny Ray. Na ija na ija magneky ny Janaka mandy koa die managna ny Ray. 24 Fa hônareo, ôka ijay regninareo hatramin'ny fendohana hitoboka ao aminareo. Laha ijay regninareo, die hitoboka ao amin'ny Janaka sy ao amin'ny Ray mandy koa anareo. 25 Ijany no fampagnantenana nameny antsena: die ny fiaignana mandrakijay. 26 Efa nanoratra ijany javatra ijany hônareo aho momban'ireo ijay hitondr'anareo amin'ny lalan-diso. 27 Fa hônareo, ilay hosotra ijay niresinareo avy taminy die hitoboka ao aminareo, ary anareo die tsy mila olo mampianatra anareo. Fa hôtran'ijay nampenarin'ny fagnosorana anareo ny raha rehetra die marina ary tsy vande, ary hôtran'ijay efa nampenarin'ijany anareo, die mitoboka ao amin'Aje. 28 Amin'ijao, ry janaka malala, mitobôra ao amin'aje, ba laha efa miseho ijy, die hanagna fahasahiragnana atsena ary tsy ho megnatra eo agnatrehany amin'ny fevene. 29 Laha fantatrareo fa ijy no marina, fantatrareo fa ijay rehetra magnano ny mety die teraka tamin'aje.