Toko faha 7

1 Tamin'i Dariosa mpanjaka ro mpanapaky nandritsa gny efatsy tao, tamin'ny andro faha efatsy nanjakan'i Kisleva ( Zay vola fahasivy), la avy tamin'i Zakaria gny safan'i Yaveh. 2 Nandefa gnan'i Serezera voho Regema-meleka sady reo olony gny olon'ireo Betela mba hiangavy agnetrahan'ny vatan'i Yaveh. 3 Niresaky tamin'ireo mpisoro zay tao an-tragnon'ireo mpaminany rozy; hoy rozy hoe:' Tokony hisaona amin'ny fifalian-kany va aho amin'ny vola fahadimy, manahaky zay fa nataoko tao maro regny?" 4 La avy tamiko gny safan'i Yaveh Tompon'ny maro, nanao hoe:' 5 Miiresafa amin'ny olon'ny tany manontolo voho amin'ireo mpisoro ka ataovo hoe:' Laha nifaly hany voho nisaona tamin'ny vola fahadimy voho fahafito nareo nandritr'izay fito tao zay, moa va nifaly hany ho Ahy marina nareo? 6 Laha nihina voho nisotro nareo, moa va tsy nino voho nihina ho gnan'ny vatanareo nareo? 7 Moa va tsy reo teny avao ro nambaran'i Yaveh tamin'ny vavan'ireo mpaminany taloha, laha mbo nipetrakytao jerosalema voho reo tana nagnodidy tamin'ny fanambina sady nipetraky tao Negeva, voho reo lemaky amoron-tsiraky agny andrefa nareo?" 8 Avy tamin'i Zakaria gny safan'i Yaveh, nanao hoe:' 9 Zao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro:' Mitsara amin'ny fitsara marina, fanekea mahatoky, sady famindram-po. Ao gny olo kirakiraiky hanao gnan'io amin'ny rahalahiny. 10 Gny amin'ny mpitondratena voho kamboty, gny vahiny, sady gny olo mahantra___ ka mampahory an-drozy, sady ao tsy hisy aminareo hitetiky hagnisy raty gny hafa ao am-ponareo." 11 Nefa nanda gny hijanjy rozy sady nagnamafy gny sorokin-drozy. Nagnakato gny sofiny rozy mba tsy hahare. 12 Nagnamafy gny fony manahaky gny vato rozy mba tsy hahare gny lalagna na reo safan'i Yaveh Tompon'ny maro. Nandefa reo hafatsy reo ho gnan'ny olo tamin'ny alalan'ny fagnahiny tamin'ny fotoa taloha, tamin'ny alalan'ny vavan'ireo mpaminany Ie. Nrfa nanda gny hijanjy gny olo, ka masiaky mare tamin-drozy Yaveh tompon'ny maro. 13 Sady lafa nikaiky Ie, la tsy nijanjy rozy. Manahaky gnan'io avao," hoy yaveh Tompon'ny maro, " ro hikahian-drozy mare Ahy, fa tsy hijanjy Aho. 14 Fa haeliko amin'ny talio agny amin'ireo firenen a manontolo zay tsy mbo hitany rozy, sady lao magnaraky an-drozy gny tany. Fa tsy misy olo handalo amin'ny tany na himpoly ao amin'io fotony fa namaliky gny tanin-drozy mahafinaritsy ho tany ngazana gny olo."