Toko faha 6

1 La nitoliky aho sady nampiandrandra gny masoko ka nahita kalesy efatsy niboaky bakeo agnelanelan'ny tendrombohitsy roe ; sady reo tendrombohitsy roe reo la bakamin'ny varahy. 2 Gny kalesy voalohany la nana soavaly mena, gny kalesy faharoe nana soavaly mainty, 3 gny kalesy fahatelo nana soavaly foty sady gny kalesy fahaefatsy la nana soavaly sada foty. 4 La namaly aho ka nivola tamin'ilay anjely niresaky tamiko hoe:' Ino reo, ry tompoko?' 5 Namaly lay anjely ka nisafa tamiko hoe:' Reo ro tsioky efatsy gny lagnitsy zay niboaky teo amin'ny toera zay nitsanganan-drozy teo agnatrehan'ilay Tompon'ny tany manontolo. 6 Lay raiky zay miaraky amin'ny Soavaly mainty la miboaky magnagny amin'ny firenenaavaratsy; reo soavaly foty la miboaky magnagny amin'ny firenena andrefa; sady reo soavaly sada foty la miboaky magnagny amin'ny firenena antimo." 7 Reo soavaly matanjaky reo la niboaky sady nila handeha voho hirenireny egny amin'ny tany, ka hoy lay anjely hoe:' Mandehana mirenireny egny amin'ny tany!" sady nandeha nirenireny eran'ny tany iaby rozy. 8 La nitaray tamiko ie ka niresaky tamiko sady nanao hoe:' Jereo reo zay miboaky go agny amin'ny firenena avaratsy; hampijano gny fagnahiko mahakasiky gny firenena avatsy rozy." 9 Sady avy tamiko gny safan'i Yaveh, manao hoe:' Mangala fagnatitsy amin'ireo tany an-tsesitany__bakagny Helday, Tobia, sady Jedaia__sady mandehana amin'io andro io avao voho alao ao an-tragnon'i Josia anak'i Zefania, zay bakagny Babylona io. 11 La alao gny volafoty voho gny volamena, manaova satro-boninahitsy voho apetraho eo amin'ny lahan'i Josoa anaky lahin'i Jozadaka, lay mpisorobe io 12 Miresaha aminy sady lazao hoe:" Zao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: ' Toy johary toy, gny agnarany la Rantsana! Hitombo eo amin'ny misy azy ie sady hagnory gny tempolin'i Yaveh! 13 Ie ro hagnory gny tempolin'i Yaveh sady hananga gny tempolin'i Yaveh sady hananga abo gny famirapiratan'io; la hipetraky voho hanapaky eo amin'ny seza fiandrianany ie. Ho mpisoro eo amin'ny seza fiandrianany ie sady hisy gny fahazavan-tsain'ny fiadagna eo amin-drozy roe. 14 Hapetraky eo amin'ny tempolin'i Yaveh gny satro-boninahitsy hagnomezam-boninahitsy gnan'i Helema, Tobia, voho Jedaia sady ho fahatiarova gny hasoam-pagnahin'ny anaky lahin'i Zefania. 15 Sady reo zay lavitsy la ho avy voho hagnory gny tempolin'i Yaveh, ka ho hainao fa Yaveh Tompon'ny maro ro nagniraky ahy ho aminareo; fa hitranga io raha tena mijanjy gny feon'i Yaveh Ndranagnaharinareo nareo!"