Toko faha 5

1 La nitoliky aho ka nampiandrandra gny masoko, ka nahita, ingo, horonan-taratasy mitily! 2 Hoy lay anjely tamiko hoe:' Ino ro hitanao?" La namaly aho hoe:" Horonan-taratasy mitily ro itako, roapolo hakiho gny halavany sady folo hakiho gny sakany." V 3 La hoy ie tamiko hoe:' Toy ro ozo zay miboaky manera zao tontolo zao ,fa gny mpangalatsy iaby la havory manomboky amizao zay mifototsy amin'izay lazainy amin'ny andaniny, sady zay iaby milaza fianiana diso la ho fongory zay mifototsy amin'izay lazainy amin'ny ankilany, araky gny safan-drozy. 4 " Haboakiko io__ io ro fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny maro__ ka hilitsy ao an-tragnon'ny mpangalatsy voho ao amin'ny tragnon'izay miaina diso amin'ny agnarako io. Hipetraky ao an-tragnony io sady hanimba gny hazony voho reo vatony." 5 La niboaky lay anjely zay niresaky tamiko sady nisafa tamiko hoe:' Asandrato gny masonao ka jereo zay avy eo" 6 La hoy aho hoe:' Ino igny?" La hoy ie hoe:' Sobiky misy efaha igny avy igny. Toy ro helon-drozy amin'ny tany manontolo." 7 La nala tamin'ny sobiky gny firakafandrakofa sady nisy ampela tao ambanin'io zay nipetraky tao! 8 La nisafa lay anjely hoe:' Faharatia toy!" Natsipiny tao agnaty sobiky ndraiky ie, sady natsipiny teo amin'ny fisokafany lay firaka fandrakofa. 9 Nampiandrandra gny masoko aho sady nahita ampela roe misiziky ahy, sady gny tsioky la tegny amin'ny elan-drozy__ fa nana elatsy manahaky gny elatsy gny vano rozy. Namisandratsy gny sobiky teo agnelanelan'ny tany voho gny lagnitsy rozy. 10 Ka nisafa tamin'ilay anjely zay niresaky tamiko aho hoe:' Handesin-drozy magnaia gny sobiky?' 11 La hoy ie tamiko hoe:' Hagnamboara tempoly agny amin'ny tanin'i Sinara ho gnan'io, ka lafa vonona gny tempoly, la hampampetrahy agny eo amin'ny fototsy voaoma go gnazy lay sobiky."