Toko faha 4

1 Bakeo la nitoliky sady nanaitsy ahy manahaky gny olo tairy amin'ny roro lay anjely zay niresaky tamiko. 2 Hoy ie tamiko hoe:' Ino ro hitanao?"La hoy aho hoe:' Mahita fanaovan-jiro vita amin'ny volamena tanteraky aho, miaraky amin'ny fipetrahan-diloilo eo an-tampony. Misy lela fanaovan-jiro fito eo amin'io sady misy fantsona fito eo an-tampon'ny lahin-jiro kirakiraiky. 3 Misy hazon'oliva roe eo agnilan'io, raiky eo amin'ny ilany amin'ny tagnan-kavagnan'ny fipetrahan-diloilo sady hafa eo amin'ny ilany an-kavia." 4 Nohon'io la niresaky tamin'ilay anjely zay niresaky tamiko ndraiky aho. Hoy aho hoe:" Ino ro dikan'ireo raha reo, ry tompoko?' 5 Namaly ahy lay anjely zay niresaky tamiko sady nanao tamiko hoe:' Tsy hainao va gny dikan'iro raha reo?' La hoy aho hoe:" Tsia , ry tompoko." 6 Nohon'io la hoy ie tamiko hoe:' Zao ro safan'i Yaveh tamin'i Zerobabela:" Tsy amin-kery na amin'ny tanjaky , fa amin'ny Fagnahiko, hoy Yaveh Tompon'ny maro. 7 Ino moa iha, ry tendombohitsy bevata? Hanjary taby lemaky eo agnatrehan'i Zerobabela iha, sady handay gny vato atao tendrony ie mba hihiaka hoe:' Fahasoava! Fahasoava ho amin'io!" 8 Avy tamiko gny safan'i Yaveh, nanao hoe:" 9 Nametraky gny fototry toy tragno toy gny tagnan'i Zerobabela sady hamita gnan'io gny tagnany. La ho hainao fa Yaveh Tompon'ny maro ro nagniraky ahy ho aminao. 10 Ia ro nanao tsinontsino gny andron'ireo raha maliniky? Hazoto reo olo sady hahita gny vato pilao egny an-tagnan'i Zerobabela. ( Reo lahin-jiro fito reo ro mason'i Yaveh zay mijery gnan'io tontolo zao.)" 11 Nakeo la nagnontagny gnan'ilay anjely aho hoe:' Ino reo hazon'oliva roe zay mitsanga eo an-kavia voho an-kavanan'ny fanaovan-jiro reo?" 12 Nagnotany gnazy ndraiky aho hoe:' Ino reo sampan-kazon'oliva roe agnilan'ireo fantsona volamena roe zay misy diloilo volamena miaraky aminy reo?" 13 bakeo la hoy ie tamiko hoe:' Tsy hainao va hoe ino reo?" Hoy aho hoe:' Tsia, ry tompoko." 14 Nohon'io la hoy ie hoe:" Reo ro ana-diloilo vaovao zay mitsanga magnatriky gny Tompon'izao tontolo rehetra zao."