Toko faha 3

1 Bakeo Yaveh nampiseho gnahy gnan'i Josoa lay mpisorombe zay nijoro nagnatriky gny anjelin'i Yaveh voho satana nijoro teo an-tagna-kavagnany mpa hiampanga gnazy ho nanota. 2 Hoy lay anjelin'i Yaveh tamin'ny Satana hoe:' Hivola mare gnanao anie Yaveh, ry Satana; Yaveh , zay nifily gnan'i Jerosalema anie, hisafa mare gnanao! Moa tsy forohana nosarihy tamin'ny bolo va toy?' 3 niakanjo akanjo maloto Josoa laha nijoro teo agnatrehan'ilay anjely. 4 Niresaky lay anjely sady nisafa tamin'ireo zay nijoro teo agnatrehany hoe:" Alao aminy reo fisikina maloto." La hoy ie tamin'i Josoa hoe:" Ingo ! Fa nalako taminao gny helokao sady hampiakanjo akanjo soa gnanao." 5 Hoy ie hoe:' Ao rozy hametraky hamama malio eo an-dohany!" La nametraky hamama malio teo agnabony lohan'i Josoa rozy sady nampiakanjo gnazy tamin'ny akanjo malio laha nijoro teo agnilany teo lay anjelin'i Yaveh. 6 Bakeo lay anjelin'i Yaveh nibaiko am-pahamatora gnan'i Josoa sady nisafa hoe:" 7 Zao ro lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Laha handeha amin'ny lalako iha, sady laha hitandry reo liliko iha, la hifehy gny tragnoko iha sady hiamby gny kianja, fotony hengako handeha voho hilitsy eo amin'ireo zay mijoro magnatriky Ahy gnan'ireo iha. 8 Janjigno , ry Josoa mpisorobe, iha voho reo namanao zay mipetraky miaraky aminao! Fa famantara reo olo reo , fotony Zaho mihitsy ro hampiakatsy gny mpanompoko lay Rantsana. 9 Sady jereo lay vato zay napetrako eo agnatrehan'i Josoa. Misy maso fito ao amoin'io vato toka io, sady hanao sokitsy soratsy Aho__ io ro fagnambaran'i Yaveh tompon'ny maro__ sady hangalaky gny fahota amy toy tany toy ao agnatin'ny raiky andro Aho. 10 Amin'io andro io__ io ro fagnambaran'i Yaveh tompon'ny maro__ gny olo kirakiraiky la hanasa gny mpiara-belo aminy mba hipetraky ambanin'ny voalobony voho amban'ny hazon'aviaviny."