Toko faha 2

1 Magnaraky gnan'io la nanandratsy gny masoko aho sady nahita johary niaraky tamin'ny taly fandrefesa tegny an-tagnany. 2 Hoy aho hoe:' Andeha ho aia iha?" La hoy ie tamiko hoe:' Handrefy gnan'i Jerosalema, hamaritsy gny sakany voho gny halavany." 3 La lasa lay anjely niresaky tamiko sady nisy anjely raiy hafa niboaky mba hitsena azy. 4 Hoy lay anjely faha roe taminy hoe:" Milesa sady miresaha amin'igny tovolahy igny; lazao hoe:" Hipetraky eo amin'ny tana misikatsy i Jerosalema noho gny hamaroan'ny olo voho reo biby ao aminy. 5 Fa Zaho__ io ro fagnambaran'i Yaveh__ la ho hanjary manda bolo magnodidy azy, sady ho voninahitsy eo agnivony Aho. 6 Malaky! Malaky! Milesa bakagny amin'ny tany avaratsy__ io ro fagnambaran'i Yaveh__ fa Zaho fa nampiely gnanareo manahaky gny tsioky efatsy gny lagitsy!__ io ro fagnambaran'i Yaveh. 7 Eh! Mandosira magnagny Ziona, nareo zay mipetraky miaraky amin'ny anaka ampelan'i Babylona!" 8 Fa tafaran'ny nagnomezan'i Yaveh tompon'ny maro voninahitsy ahy voho nandefasany ahy hanohitsy reo firenena zay nandromba ahy gnanareo__fa na ia mikasiky gnanreo, la mikasiky gny anakandriamason- Dranagnahary!__ lafa ba nanao io Yaveh, la hoy Ie hoe:' 9 Zaho mihitsy ro haninjitsy gny tagnako amin-drozy, sady la ho babo ho gnan'ireo andevony rozy. " La ho hainareo fa i yaveh Tompon'ny maro ro nagniraky ahy. 10 " Mihira ho amin'ny fifalia, ry anaky ampelan'i ziona, fa Zaho mihitsy ro ho avy voho hitoby eo aminareo!___ io ro fagnambaran'i Yaveh." 11 Bakeo reo firenena bevata hiaraky amin'i Yav eh amin'io andro io. Hoy ie hoe:' Sady la ho avy oloko nareo; fa hitoby eo agnivonareo Aho, " sady ho hainareo fa Yaveh Tompon'ny maro ro nagniraky ahy ho eo aminareo. 12 Fa Yaveh hampandova gnan'i Joda manahaky fanagnany ara-drainy agny amin'ny tany masy sady hifily ndraiky gnan'i Jerosalema ho gnazy . 13 Ka misafa , eo agnatrehan'i Yaveh, ry nofo manontolo, fa nitsanga bakao amin'ny toerany masy Ie!