Toko faha 8

1 Avy tamiko gny safan'i Yaveh Tompon'ny maro, nanao hoe:' 2 Zao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro:' Tia mare gnan'i Ziona amin'ny Zotoam-po bevata Aho sady saropiaro noho gny aminy amin'ny heloky bevata Aho! 3 Zao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro:" himpoly agny Ziona Aho sady hipetraky ao agnivon'i Jerosalema,fa nikahy hoe lay Tanana'ny Fahamarignan'i Jerosalema sady gny tendrombohits'i Yaveh Tompon'ny maro la ho kahy hoe lay Tendrombohitsy Masy! 4 Zao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro:' Lahy antitsy voho Vavy antitsy ndraiky ro ho egny an-dalam-ben'i Jerosalema, sady gny olo kirakiraiky hila tehana ho egny an-tagnany fotony fa niha- antitsy ie. 5 Ho feno tovolahy voho tovovavy mihisa egny amin'ireo lalam-ben'ny tana. 6 Zao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro:' Amin'io andro io laha misy raha tsy hay atao eo amason'ireo olo sisa tavela, la tokony tsy ho hay atao eo amasoko va io?__io ro fagnambaran'i Yaveh. 7 Zao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro:' Ingo, eo an-dalam-paganvota gny oloko amin'ny tany fiposahan'ny masoandro Aho sady eo amin'ny tany filentehan'ny masoandro! 8 Fa handay an-drozy himpoly Aho, sady hipetraky ao agnivon'i Jerosalema rozy, mba ho oloko ndraiky rozy, sady ho Ndranagnaharin-drozy amin'ny marina voho amin'ny fahamarina Aho! 9 Zao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro:' Iha zay manohy mijanjy reo teny mitovy zay niboaky bakamin'ny vavan'ny mpaminany manontolo napetraky gny fototry gny tragnoko__toy tragnoko toy, Yaveh tompon'ny maro:' Atanjaho reo tagnanao mba ho voatsanga gny tempoly. 10 Fa talohan'io andro io la tsy nisy vokatsy voavorin'ny olo, tsy nisy tombony na ho gnan'ny olo na ho gnan'ny biby, sady tsy nisy fiadagna ho gnan'izay olo miboaky an militsy bakamin'ireo fahavalo. Fa nametraky gny olo kirakiraiky hanohitsy gny namany Aho. 11 Fa amizao la tsy hanahaky gny tamin'ny andro fahiny, hitahy gny sisany toy olo toy Aho__io ro fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny maro . 12 Fa hafafy gny voan'ny fiadagna; la hagnome gny voany gny hazo voaloboky sady gny tany hagnome gny vokam-pamboleny; hagnome gny androny gny lagnitsy, fa hampandovako io raha iaby io gny sisa amy toy olo toy. 13 Ohatsy ho gnan'ireo firenen'ny ozo hafa nareo, ry avorohotan'i Joda voho avorohotan'Israely. Ka la hamonjy gnanareo Aho sady ho tahy nareo. Ka matahotsy; ao hagnatanjaky gny tagnanareo! Fa zao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: manahaky gny nagnomanako hanao raty aminareo lafa nampeloy Ahy reo razambenareo__ hoy Yaveh Tompon'ny maro__ sady tsy nilefitsy Aho, 15 ro hagnomanako hanao raha soa ndraiky ho gnan'i Jerosalema voho gny avorohotan'i Joda avao koa amin'io andro io! Ka matahotsy! 16 Reto ro raha zay tsy maintsy hataonaraeo: Milaza gny marina, gny olo kirakiraiky amin'ny namany. Mitsara amin'ny marina, rariny, sady fiadagna eo amin'ny vavahadinareo. 17 Ka manao fikasan-draty ao am-ponareo amin'ny hafa, sady ka mitia fianianan-diso__fotony malay reo raha reo Aho!__ io ro fagnambaran'i Yaveh." 18 La avy tamiko gny safan'i Yaveh Tompon'ny maro, manao hoe:' 19 Zao ro lazain'i Yaveh tompon'ny maro : Gny fifalian-kany amin'ny vola faha efatsy, vola faha dimy, vola fahafito, sady gny vola fahafolo la ho lasa fotoan'ny fazotoa, firavoravoa, sady fotoa mahafinaritsy ho gnan'ny avorohotan'i Joda! Nohon'io tiavo gny fahamarigna voho fiadagna! 20 Zao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Ho avy ndariky gny olo, ndra la reo zay mipetraky amin'ireo tana maro samihafa aza. 21 Handeha ho agny amin'ny tana hafa gny olon'ny tana raiky ka hanao hoe:' Ao handeha malaky eo agnatrehan'i Yaveh tsika ka hila gnan'i Yaveh Tompon'ny maro! Handeha avao koa tsika. 22 Olo maro voho firenena mahery maro ro ho avy hila gnan'i Yaveh Tompon'ny maro agny Jerosalema sady hiangavy gny fankasitrahan'i Yaveh! 23 Zao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Amin'io andro io la johary folo bakamin'ny fivolagna voho firenena iaby ro hitanjaky gny sisin'ny akanjanao sady hivola hoe:' Ao hiaraky aminao zahay, fa renay fa momba gnanao Ndranagnahary!"