Toko faha sivy

1 Mivolagna gny marina ao amin'i Kristy aho. Tsy mavandy aho, sady gny vetsivetsiko ro vavolombelo misondry amiko ao amin'ny Fagnahy Masy, 2 fa ho ahy la misy alahelo bevata sady fahoria tsy mitofa ato am-poko. 3 Fa afaky nagniry aho fa zaho vatako la ho voaozo ka hiataky amin'i Kristy noho gny amin'ireo rahalahiko, reo zay raiky fizara amiko araky gny nofo. 4 Rozy la Isiraelita. Rozy la mana fanangagna, gny vononahitsy, reo fankatoava, gny fanomezan'ny lalàna, gny fidera an'Andranagnahary, sady reo fampanantegna. 5 Gny an-drozy la reo razana zay nahavy an'i Kristy ho lasa nofo, Ie zay Ndranagnahary ambonin'ny Iaby. Ho deray zisiky farany lahy Ie. Amena. 6 Fa tsy ho tsy misy dikany reo zay nampagnantenain'Andranagnahary. Fa tsy zay iaby bakagny Isiraely ro tegna Isiraely. 7 Na reo taranak'i Abrahama iaby ro tegna anany. Fa: "Amin'ny alalan'Isaka ro hikaiha reo taranakao." 8 Izany hoe, reo anaky gny nofo la tsy anak'Andranagnahary. Fa reo anakin'ny fampanantegna ro rambesy ho taranaky. 9 Fa manao gnanizao ro volan'ny fampanantegna:" Amin'izay fotoa izay la ho avy Aho, sady homea aja johary Saraha." 10 Tsy izay avao, fa bakeo koa Rebeka hanan'anaky amin'ny johary raiky, Isaka babantsika_ 11 fa mbo tsy teraky akory reo aja sady mbo tsy nanao raha soa na raty, mba hanahaky gny tanjon'Andranaganahary araky gny fifiliana, tsy noho reo asa, fa noho Ie miantso_ 12 nambara tamin-dravehivavy hoe:" Gny zokiny la hanompo gny zainy." Gny zokiny la hanompo gny zainy." 13 Izay la manahaky zay voasoratsy hoe:"Jakoba teako, fa Esao halako." 14 Ino sady ro ho volagnintsika? Misy tsy fahamarina va misondry amin'Andranagnahary? 15 Tsy hisy vatany lahy zay. Fa hoy Ie tamin'i Mosesy hoe:"Hamindra fo amin'izay teako hamindra fo Aho, sady hahaferinay reo zay teako hoferinesa Aho." 16 Lafa izay moa, la tsy noho ie mikasa izay, na noho Ndragnahary, zay nampiseho gny famindram-po. 17 fa gny Soratsy Masy nagnambara tamin'i Farao hoe: " Fa lafa izay antony izay ro nampisondrotako anao, mba hagnambara gny agnarako eran-tany." 18 Lafa izay, Ndragnahary la mamindra fo amin'izay teany, sady zay teany, ro ho hamafisiny fo. 19 Bakeo hivola amiko nareo hoe:" Nanao akory ro mbo mahita tsiny avao Ie?" Fa ia ro mahatohitsy gny sitrapony?" 20 Mifanohitsy amin'izay, ralehilahy, ia moa iha ro mamaly manohitsy an'Andranagnahary? Moa zay fa novolavola hivola amin'ny mpamolavola izany hoe:"Nanao akory ro nataonao Manahaky zao aho?" 21 Moa gny mpanefy velagny tsy mana zo amin'ny tanimanga ka gny vonga raiky ro hagnamboara fitoboha amin'ny andro voatoka, sady fitoboha raiky hafa amin'ny andavanandro? 22 Manao akory laha Ndranagnahary, zay te ampiseho gny fahamelohany voho hampahay gny fahefany, ro niaritsy tamim-pahareta reo fitoeran'ny fahameloha novognony ho amin'ny fahasimbany? 23 Manao akory laha nataony izay mba hampahaizany gny haren'ny vononahiny eo amin'ireo fitoeran'ny famindram-po, zay fa novognoniny mialoha ho amin'ny voninahitsy? 24 Manao akory laha nataony ho gnantsika koa izay, zay nantsoiny avao koa, tsy ho eo amin'ny samy Jiosy avao, fa ho eo amin'ny reo Jentilisa avao koa? 25 Araky zay nivolagniny tao amin'i Hosea avao koa hoe: " Hataoko hoe oloko zay tsy oloko, sady hoe malalany gny tsy malala. 26 Bakeo la agny amin'izay nivolagna tamin-drozy hoe: ' Tsy oloko nareo,' agny ro hikaiha gnan-drozy hoe: ' anak'Andranagnahary velo."' 27 Isaia niantsoa mare gny amin'ny Isiraely hoe:" Laha manahaky gny fasiky egny amin'ny ranomasy gny isan'ny zanak'Isiraely, la ho voavonjy zay sisa ambiny, 28 fa gny Tompo handay gny volany eto an-tany, feno sady tsy ho ela." 29 Araky gny nivolagnin'Isaia mialoha hoe: " Laha gny Tompo tompon'ny maro ro tsy nagnenga taranaky ho gnantsika, la hanahaky an'i Sodoma tsika, sady lasa manahaky an'i Gomora." 30 30 Ino moa ro hovolanintsika? Fa gny Jentilisa,ze tsy nila gny to, ro nahazo gny to, ze hato bakamin'ny finoa. 31 Fa Israely,ze nila gny lalan'ny fahamarina,la tsy niavy tamin'izay. 32 Nanao akory kay? Satria rozy tsy nila izany tamin'ny finoa, fa tamin'ny asa. Tafintohin'ny vaton'ny fagnafintohina rozy, 33 araky zay fa voasoratsy hoe:" Jereo, ao Ziona ro ametrahako gny vaton'ny fagnafintohigna voho vatolampin'ny fandikan-dalàgna. Zay mino izay la tsy ho megnatsy."