Toko faha valo

1 noho izay la tsy misy fagnameloha sasy amin'izao ho an'ireo zay ao amin'i Kristy Jesosy. 2 Fa gny fitsipikin'ny Fagnahin'ny fiaigna ao amin'i Jesosy Kristy ro nagnafaky ahy tamin'ny fitsipikin'ny fahota voho gny fahafatesa. 3 fa zay tsy afaky nataon'ny lalàgna nohon'ny fahalemen'izay tamin'ny nofo, la nataon'Andranagnahary. Nandefa gny Anany lahy toka Ie tamin'ny endriky gny nofo an'ny ota, sady nagnameloky gny ota tao amin'ny nofo nofo ie. 4 Nataony izay mba ho tanteraky ao agnamintsika gny raha takin'ny lalàgna, tsika zay mandeha tsy araky gny nofo, fa araky gny Fagnahy. 5 Reo zay miay araky gny nofo la mifantoky amin'ireo raha gny nofo, fa reo zay velo araky gny Fagnahy la mifantoky amin'ireo raha gny Fagnahy. 6 Satria gny fisaigna miory amin'ny nofo la fahafatesa, fa gny fisaigna miory amin'ny Fagnahy koa la fiaigna voho fiadagna. 7 Gny fisaigna miory amin'ny nofo la fandrafia eo anatrehan'Andranagnahary, fa tsy mifagnaraky amin'ny lalàn'Andranagnahary izay, ro sady tsy hainy akory gny manao izay. 8 Reo zay ao amin'ny nofo la tsy afaky gny ho ankasitrahan'Andranagnahary. 9 Nefa, nareo la tsy ao amin'ny nofo fa ao amin'ny Fagnahy, laha marina fa miay ao aminareo gny Fagnahin'Andranagnahary. Fa laha misy olo tsy mana gny Fagnahin'i Kristy, la tsy Gnazy ie. 10 Laha ao aminareo Kristy, la maty nohon'ny fahotana gny vata, fa gny fagnahy la velo nohon'ny fahamarina. 11 Laha gny Fagnahign'ny nananga an'i Jesosy tamin'ny maty ro velo ao aminareo, la Ie zay nananga an'i Kristy tamin'ny maty ro hagnome fiaigna avao koa ho an'ny vatanareo zay mety maty amin'ny alalan'ny Fagnahiny, zay velo ao aminareo. 12 Noho izay, rahalahy, la mpitrosa tsika,fa tsy ao amin'ny nofo mba hiay araky gny nofo. 13 laha miay araky gny nofo nareo, la ho maty, fa laha amin'ny Fagnahy zay amonoanareo gny asan'ny vata, la ho velo nareo. 14 Fa manahaky reo iaby voatariky gny Fagnahin'Andranaganahary, rozy ro anak'Andranagnahary. 15 Fa tsy nadramby gny fagnahin'ny fagnandevoza ndraiky nareo ka hatahotsy. Fa koa, nandramby gny Fagnahin'ny fanangan-janaky nareo, zay hikaihakaihantsika hoe:" Aba, Ray ô!" 16 Gny Fagnahy vatany ro vavolombelo amin'ny fagnahintsika fa anak'Andranagnahary tsika. 17 Laha anaky tsika, la mpandova avao koa, mpandova an'Andranagnahary. Sady mpikamba lova ao amin'i Kristy tsika, laha vatany mijaly misondry Amin'ny tokoa tsika la omeam-boninahitsy misondry Agnaminy koa. 18 Fa ataoko fa reo fijalia amin'izao fotoa zao la tsy mendriky ampitovizy amign'ny voninahitsy zay ho haseho agnamintsika. 19 Fa gny voahary iaby zay manantegna mafy la miamby gny fampisehoany reo anak'Andranagnahary. 20 Fa gny voahary la natao ho zava-poa, tsy nohon'ny sitrapony manoka, fa noho Gny nanao izay. Izay la ao amin'ilay toky nomea 21 fa reo voahary vatany ro ho ala amin'ny fanandeavozan'ny fahalòva, sady handaisa agny amin'ny fahafaha gny amin'ny voninahitsy gny anak'Andranaganahary izay. 22 Fa haintsika fa gny voahary iaby la misondry misento voho misondry miasa ao agnatin'ny fanaintaigna na amin'izao aza. 23 Tsy izay avao, fa na gny vatantsika aza, zay mana gny voaloham-bokatsy gny Fagnahy_na gny vatantsika aza la misento ao agnatintsika, miamby gny fanangana gnantsika ho anaky, la gny fagnavota gny vatantsika. 24 Fa tamin'izay toky azay ro namonjea gnantsika. Fa zay ataontsika fa hitranga la mbo tsy jery, fa ia ro miamby am-patokisa zay fa jeriny? 25 Fa laha matoky amin'izay mbo tsy jerintsika tsika, la miamby izay am-pahareta. 26 Manahaky izay koa, gny Fagnahy la magnampy ao amin'ny fahalementsika. Fa tsika tsy mahay zay vavaky tokony ataontsika, fa gny Fagnahy mihitsy ro mifona ho gnantsika amin'ny fisefoana tsy hay volagny. 27 Ie zay mandiniky gny fo ro mahay gny hevitsy gny Fagnahy, satria Ie ro mifona ho gnan'ny mpino araky gny sitrapon'Andranagnahary. 28 Haintsika fa ho an'ireo zay tea an'Andranagnahary, la misondry ampiasany ho amin'ny soa avokoa gny raha iaby, ([ Fanamariha: Laha tokony hoe "Misondry ampiasany ho amin'ny soa iaby gny raha iaby," la gny dikan-teny sasany taloha manao hoe:"Gny raha iaby laha misondry miasa ho amin'ny soa."]) ho an'ireo zay voakaiky araky gny fandaharany. 29 Satria reo zay hainy mialoha, la notendreny mialoha avao koa mba hitovy endriky amin'ny Gnanany, mba ho lahimatoa eo agnivon'ireo rahalahy maro ie. 30 Reo zay notendreny mialoha, la nikaihiny, la nohamarigniny avao koa. Reo zay nohamarigniny, la nomeany voninahitsy avao koa. 31 Ino sady ro tokony ho volagnintsika mahakasiky reo raha reo? Laha mahakasiky gnantsika Ndranagnahary, ia ro matahotsy gnantsika? 32 Ie zay tsy niaro gny Gnanany johary toka fa nanolotsy Gnazy ho gnantsika iaby, manao akory ro tsy hagnomezany gnantsika maimaipoa misondry Agnaminy gny raha iaby avao koa? 33 Ia ro handay fiampanga hanohitsy reo olom-boafilin'Andranagnahary? Ndranagnahary ro gny raiky hagnameloky? Kristy ro gny raiky maty ho gnantsika, sady lisatsy izay, natsanga avao koa Ie. Manapaky misondry amin'Andranagnahary eo amin'ny fitoeram-boninahitsy Ie, sady Ie ro gny mifona ho gnantsika. 35 Ia ro hagnasaraky antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoria, sa fijalia, sa fagnenjeha, sa hamosary, sa fitanjaha, sa loza, sa sabatsy? 36 Araky gny voasoratsy hoe: " Noho iha la voavono andro lava zahay. Norambesy manahaky gny aondry ho vonoa zahay." 37 Ao agnatin'izay raha iaby izay la lisatsy noho gny mpandresy zahay aamin'ny alalan'Izay raiky tea anay. 38 Fa resy lahatsy aho fa na gny fahafatesa, na gny fiaigna, na reo raha anjely, na reo fanjaka, na reo raha amin'izao, na reo raha ho avy, na reo hery, 39 na gny ambony, na gny laliky, na zavaboary hafa, la tsy hahasaraky antsika amin'ny fitiavan'Andranagnahary, zay ao amin'ny Kristy Jesosy Tompontsika.