Toko faha fito

1 Sa tsy hainareo, rahalahy (satria mivola amin'ny olo mahay gny mahakasiky gny lalàgna la mibaiko gny olo raiky laha mbo velo koa ie? 2 Fa gny vehivavy zay manambaly la voafehy gny lalàgna amin'ny valiny laha mbo velo ie, fa laha maty gny valiny, la afaky amin'ny lalàn'ny fagnambalia ie. 3 Lafa izay, laha mbo velo gny valiny, la ho kaihy hoe mpijangajanga ie. Fa laha maty gny valiny, la afaky amin'ny lalàgna ie, ka tsy mpijangajanga ie laha manahaky misondry ami'gny johary hafa. 4 Lafa izay, rahalahiko, la natao maty tamin'ny lalàgna avao koa nareo tamin'ny alalan'ny vatan'i Kristy. Natao izay mba hikambananareo amin'ny hafa, izany hoe, amin'Ie zay natsanga tamin'ny maty, mba hahazoanbtsika mamokatsy voa ho agn'Andranagnahary. 5 tamintsika tao amin'ny nofo, reo filàn'ny fahota, zay nihetsehin'ny lalàgna, la niasa tao amin'ireo ratsantsika mba hamokatsy voa ho an'ny fahafatesa. 6 Fa henanizao la nafaha tamin'ny lily tsika.Maty tamin'ny ze namatotsy gnantsika tsika.Zay la mba hahafahantsika manompo amin'ny havaozam-pagnahy,fa tsy amin'ny fahanteran'ny gny soratsy. 7 Ino sady ro ho volagnintsika? Gny lalàgna mihitsy va ro fahota? Tsy hisy mihitsy lahy izay. Nefa, tsy ho nahay gny fahota mihitsy aho, laha tsy tamin'ny alalan'ny lalàgna izay. Fa tsy ho nahay gny fitsiriria aho laha tsy nivola gny lalàgna hoe: " Ka mitsiriry." 8 Fa nangalaky vahany tamin'ny didy gny fahota ka nahavy gny fitsiriria iaby ato agnamiko. Fa laha tsy misy gny lalagna, la maty gny ota. 9 Taloha aho la velo tsy nisy gny lalàgna, la velo ndraiky gny ota, ka maty aho. 10 Gny didy zay tokony handay fiaigna ro nivaliky ho fahafatesa ho gnahy. 11 Fa gny fahota la nangalaky vahany tamin'ny alaln'ny didy ka namitaky gnahy. Tamin'ny alaln'ny didy ro namonoany gnahy. 12 Lafa izay gny lalàgna lamasy, sady gny didy masy, marina, sady soa. 13 Ka moa va nivadiky fahafatsa ho gnahy zay soa? Tsy hisy mihitsy lahy zay. Fa gny ota, mba hahazoany hiseho ho fahota amin'ny alalan'izay soa, la nanday fahafatesa tao agnamiko. Izay la mba ho amin'ny alalan'ny didy, gny fahota la mety ho lasa tegna fahota tokoa. 14 Fa haintsiko fa ara-panahy gny lalàgna, fa zaho bakamin'ny nofo. Fa navily ho ao ambanin'ny fagnandevozan'ny ota aho. 15 Fa gny raha ataoko, la tsy tegna azoko soa. Satria zay teako atao, la tsy ataoko, sady zay helako, la ataoko. 16 Fa laha manao zay tsy teako aho, la mikamba hevitsy amin'ny lalàgna. 17 Fa amizao la tsy zaho sasy ro manao zay, fa gny fahota zay velo ato agnatiko. 18 Fa haiko fa ato agnamiko, zay ato amin'ny nofoko, la tsy misy raha soa miay. Fa gny fagniria gny soa la ato agnamiko, fa tsy afa-mikasa izay aho. 19 Fa gny soa zay teako la tsy ataoko, fa gny raty zay tsy teako, ro ataoko. 20 Sady laha manao zay tsy teako atao aho, la tsy zaho sasy ro miasa izay, fa koa gny fahota zay miay ato agnamiko. 21 Sady, zaho la nahajery, gny fitsipiky ato agnamiko fa ta hanao zay soa aho, fa gny raty ro ato agnamiko zao. 22 Fa mifalifalia ao amin'ny lalàn'Andranagnahary aho amin'ny fagnahy maha olo. 23 Nefa mahajery fitsipiky raiky hafa ao amin'ny mahakasiky gny vatako aho. Izay la mialy amin'izay fitsipiky vaovao ao an-tsaiko izay. Mihazo gnahy ho babon'ny fitsipiky gny fahota zay ao amin'ny mahakasiky gny vatako izay. 24 Olo-mijaly aho! Ia ro hanafaky ahy amin'ny toy vatan'ny fahafatesa toy? 25 Fa isaoro Ndragnahary amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika! Lafa izay, zaho vatako la manompo gny lalàn'Andranagnahary amin'ny saiko. Na la izay aza, la manompo gny fitsikin'ny fahota amin'ny nofo aho.