Toko faha enina

1 Ino zany ro ho volagnintsika? Tokony hanohy amin'ny fahota va tsika mba hitomboan'ny fahasoava? 2 Tsy hisy vatany lahy zay. Tsika zay maty gny amin'ny ota, amin'ny fomba manao akory moa ro mbo hiaignantsika amin'izay avao? 3 Tsy hainareo va fa reo iaby natao batisa tao amin'i Kristy Jesosy la natao batisa tao amin'ny fahafatesany? 4 Ka, voalevy, nisondry tagnaminy tamin'ny alalan'ny batisa ho amin'ny fahafatesa tsika. Nitranga zay mba ho hanahaky gny nanangagna an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitsy gny Ray, ro andehanantsika amin'ny fiaignam-baovao avao koa. 5 Fa laha mikamba Agnaminy amin'ny endrikiny gny fahafatesany tsika, la hikamba amin'ny fitsangagnany avao koa 6 Haintsika zay, fa gny vatantsika taloha la nofantsihy nisondry tagnaminy, mba hamoteha gny vatan'ny ota. Nitranga zay mba ho andevozin'ny ota sasy tsika. 7 Ie zay maty la nambara fa marina sady afaky amin'ny fahota . 8 Fa laha maty nisondry tamin'i Kristy tsika, la mino fa hisondry velo Agnaminy avao koa. 9 Tsika la mahay fa nitsanga tamin'ny maty Kristy, sady tsy maty sasy Ie, Tsy manjaka Agnaminy sasy gny fahafatesa. 10 Fa laha gny mahakasiky gny fahafatesa la maty nohon'ny amin'ny fahota Ie, maty ndraiky mandeha ho an'i iaby Ie. Nefa, gny fiaigna zay hiagnany la iaignany ho gnan'Andranagnahary. 11 La manahaky zay, tsy maintsy mihevitsy gny vatanareo ho fa maty amin'ny fahota avao koa nareo, fa velo ho gnan'Andranagnahary ao amin'i Kristy Jesosy. 12 Lafa izay ka enga hanjaka ao amin'ny vatanareo mety maty gny ota mba hagnarahanareo gny filàn-draty. 13 Ka atolotsy ho gnan'ny fahota gny rantsam-batanareo, ho fitaova ampiasa amin'ny tsy fahamarigna. Fa atoloro ho an'Andranagnanahary gny vatanareo, manahaky gny nitsangagna tamin'ny maty zay velo amizao. Sady atoloro ho an'Andranagnahary gny rantsam-batanareo mba ho fitaova ampiasa amin'ny fahamarigna. 14 Ka enga hanjaka aminareo gny ota. Satria tsy ambanin'ny lalagna nareo, fa ambanin'ny fahasoava. 15 Ka ino zany? Tokony hanota va tsika satria tsy ambanin'ny lalàgna, fa ambanin'ny fahasoava? Tsy hisy vatany lahy zay. 16 Tsy hainareo va fa gny raiky zay anoloranareo gny vatanareo ho mpanompo la gny raiky zay ho hankatoavinareo, gny hany tsy maintsy hankatoavinareo? Marina zay na mpanompon'ny fahota zay mitariky agny amin'ny fahafatesa nareo, na mpanompon'ny fankatoava zay mitariky agny amin'ny fahamarigna. 17 Fa isaora Ndranagnahary! Satria fa mpanompon'ny fahota nareo, nefa nankato tao am-ponareo gny fomba fampianara zay nomea anareo. 18 Nafahana tamin'ny ota nareo, sady natao mpanompon'ny fahamarigna. 19 Mivola manahaky gny olo aho noho gny fahalemen'ny nofonareo. Satria vatany voaho nanolotsy gny rantsam-batanareo ho andevozign'ny fahalotoa voho gny raty nareo, la manahaky izay koa zao, atoloro ho andevon'ny fahamarina ho amin'ny fahamasigna gny rantsam-batanareo. 20 Fa taminy nareo nandevozign'ny ota, la afaky tamin'ny fahamarigna. 21 Amin'izao, ino zany ro vokatsy azonareo atamin'ireo raha zay mahamegnatsy anareo amizao? Satria gny vokats'iregny raha regny la gny fahafatesa. 23 Fa gny fagnomezan'Andranagnahary koa la gny fiaigna zisiky farany ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.